I Samuel 12

Ary hoy Samoela tamin'ny Isiraely rehetra: Indro, efa nihaino ny teninareo aho tamin'izay rehetra nolazainareo tamiko ka efa nanendry mpanjaka hanjaka aminareo.
撒母耳对以色列众人说:「你们向我所求的,我已应允了,为你们立了一个王;
Ary ankehitriny, indro, ny mpanjaka mandeha eo anatrehanareo; fa izaho efa antitra sy fotsy volo; koa, indreo, eo aminareo ny zanako, ary izaho efa nandeha teo anatrehanareo hatry ny fony vao zaza ka mandraka androany.
现在有这王在你们前面行。我已年老发白,我的儿子都在你们这里。我从幼年直到今日都在你们前面行。
Koa inty aho; tondroy maso eto anatrehan'i Jehovah sy ny voahosony aho: ombin'iza moa no nalaiko? na borikin'iza no nalaiko? na an'iza no nanaovako an-keriny? na iza no nampahoriko? na teo an-tànan'iza no nandraisako kolikoly hahatampina ny masoko? fa honerako aminareo izany.
我在这里,你们要在耶和华和他的受膏者面前给我作见证。我夺过谁的牛,抢过谁的驴,欺负过谁,虐待过谁,从谁手里受过贿赂因而眼瞎呢?若有,我必偿还。」
Ary hoy ireo: Hianao tsy nanao an-keriny taminay, na nampahory anay, na naka zavatra teny an-tànan'olona na dia iray akory aza.
众人说:「你未曾欺负我们,虐待我们,也未曾从谁手里受过什么。」
Dia hoy Samoela taminy: Vavolombelona aminareo anio Jehovah, ary vavolombelona koa ny voahosony, fa tsy nisy zavatra hitanareo teo an-tanako na inona na inona. Dia hoy ireo: Eny, vavolombelona Izy.
撒母耳对他们说:「你们在我手里没有找著什么,有耶和华和他的受膏者今日为证。」他们说:「愿他为证。」
Ary hoy Samoela tamin'ny olona: Jehovah no nanendry an'i Mosesy sy Arona, ary nitondra ny razanareo niakatra avy tany amin'ny tany Egypta.
撒母耳对百姓说:「从前立摩西、亚伦,又领你们列祖出埃及地的是耶和华。
Koa ankehitriny avia ianareo, fa hifandahatra aminareo eto anatrehan'i Jehovah aho ny amin'ny asa marina rehetra izay nataon'i Jehovah taminareo sy ny razanareo.
现在你们要站住,等我在耶和华面前对你们讲论耶和华向你们和你们列祖所行一切公义的事。
Rehefa tonga tany Egypta Jakoba, ka nitaraina tamin'i Jehovah ny razanareo, Jehovah dia naniraka an'i Mosesy sy Arona, ka ireo no nitondra ny razanareo nivoaka avy tany Egypta ary namponina azy teto amin'ity tany ity.
从前雅各到了埃及,后来你们列祖呼求耶和华,耶和华就差遣摩西、亚伦领你们列祖出埃及,使他们在这地方居住。
Nefa raha nanadino an'i Jehovah Andriamaniny izy, dia namidiny ho eo an-tànan'i Sisera, komandin'ny miaramilan'i Hazora, sy ho eo an-tànan'ny Filistina ary ho eo an-tànan'ny mpanjakan'i Moaba, ka niadian'ireo izy.
他们却忘记耶和华─他们的 神,他就把他们付与夏琐将军西西拉的手里,和非利士人并摩押王的手里。于是这些人常来攻击他们。
Dia nitaraina tamin'i Jehovah izy ka nanao hoe: Efa nanota izahay, fa efa nahafoy an'i Jehovah ka nanompo ireo Bala sy Astarta, nefa ankehitriny vonjeo amin'ny tanan'ny fahavalonay izahay, dia hanompo Anao.
他们就呼求耶和华说:『我们离弃耶和华,事奉巴力和亚斯她录,是有罪了。现在求你救我们脱离仇敌的手,我们必事奉你。』
Ary Jehovah efa naniraka an'i Jerobala sy Bedana sy Jefta ary Samoela, ka namonjy anareo tamin'ny tanan'ny fahavalonareo manodidina Izy, dia nandry fahizay ianareo.
耶和华就差遣耶路巴力、比但、耶弗他、撒母耳救你们脱离四围仇敌的手,你们才安然居住。
Kanjo nony hitanareo fa avy hiady taminareo Nahasy, mpanjakan'ny Amonita, dia hoy ianareo tamiko: Tsia, fa aoka hisy mpanjaka hanjaka aminay; kanefa Jehovah Andriamanitrareo no mpanjakanareo.
你们见亚扪人的王拿辖来攻击你们,就对我说:『我们定要一个王治理我们。』其实耶和华─你们的 神是你们的王。
Koa ankehitriny, indro ny mpanjaka izay nofidinareo sy nangatahinareo; ary indro fa Jehovah nanome mpanjaka hanjaka aminareo.
现在,你们所求所选的王在这里。看哪,耶和华已经为你们立王了。
Enga anie ka hatahotra an'i Jehovah sy hanompo Azy ary hihaino ny feony ka tsy handà ny didiny ianareo, fa samy hanaraka an'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo sy ny mpanjaka izay manjaka aminareo.
你们若敬畏耶和华,事奉他,听从他的话,不违背他的命令,你们和治理你们的王也都顺从耶和华─你们的 神就好了。
Fa raha tsy mihaino ny tenin'i Jehovah kosa ianareo, fa mandà ny didiny, dia hamely anareo ny tànan'i Jehovah tahaka ny namelezany ny razanareo.
倘若不听从耶和华的话,违背他的命令,耶和华的手必攻击你们,像从前攻击你们列祖一样。
Koa mitsangàna ankehitriny, ka jereo izao zavatra lehibe hataon'i Jehovah eto imasonareo izao:
现在你们要站住,看耶和华在你们眼前要行一件大事。
Moa tsy taom-pijinjana vary tritika va izao? Hiantso an'i Jehovah aho, ary hahatonga kotrokorana sy orana Izy, dia ho hitanareo sy ho fantatrareo fa lehibe ny ratsy nataonareo teo imason'i Jehovah, satria nangataka mpanjaka ianareo.
这不是割麦子的时候吗?我求告耶和华,他必打雷降雨,使你们又知道又看出,你们求立王的事是在耶和华面前犯大罪了。」
Ary Samoela niantso an'i Jehovah, ary Jehovah nahatonga kotrokorana sy orana tamin'izany andro izany; ary ny vahoaka rehetra dia natahotra an'i Jehovah sy Samoela indrindra.
于是撒母耳求告耶和华,耶和华就在这日打雷降雨,众民便甚惧怕耶和华和撒母耳。
Dia hoy ny vahoaka rehetra tamin'i Samoela: Mangataha amin'i Jehovah Andriamanitrao ho an'ny mpanomponao, Fandrao maty izahay! fa efa nanao izao ratsy Izao izahay ho fanampin'ny fahotanay rehetra, satria nangataka mpanjaka ho anay.
众民对撒母耳说:「求你为仆人们祷告耶和华─你的 神,免得我们死亡,因为我们求立王的事正是罪上加罪了。」
Ary hoy Samoela tamin'ny vahoaka: Aza matahotra; efa nanao izany ratsy rehetra izany tokoa ianareo; kanefa aza mivily tsy hanaraka an'i Jehovah; fa manompoa Azy amin'ny fonareo rehetra.
撒母耳对百姓说:「不要惧怕!你们虽然行了这恶,却不要偏离耶和华,只要尽心事奉他。
Eny, aza mivily; fa manaraka ireo zava-poana ianareo, izay tsy mahasoa na mahavonjy; fa zava-poana ireo.
若偏离耶和华去顺从那不能救人的虚神是无益的。
Fa Jehovah tsy hahafoy ny olony noho ny anarany lehibe, satria sitrak'i Jehovah ny nanaovany anareo ho olony.
耶和华既喜悦选你们作他的子民,就必因他的大名不撇弃你们。
Ary ny amiko, sanatria raha hanota amin'i Jehovah aho ka hitsahatra tsy hangataka ho anareo; fa izaho hanoro anareo izay lalana tsara sy mahitsy.
至于我,断不停止为你们祷告,以致得罪耶和华。我必以善道正路指教你们。
Kanefa matahora an'i Jehovah ianareo, ka manompoa Azy marina amin'ny fonareo rehetra; fa eritrereto izao zavatra lehibe nataony ho anareo izao.
只要你们敬畏耶和华,诚诚实实地尽心事奉他,想念他向你们所行的事何等大。
Fa raha mbola manao ratsy ihany ianareo, dia haringana ianareo sy ny mpanjakanareo koa.
你们若仍然作恶,你们和你们的王必一同灭亡。」