I Peter 5

Koa ny amin'ny loholona izay eo aminareo, izaho, izay naman ny loholona sy vavolombelon'ny fijalian'i Kristy ary mpiombona ny voninahitra efa haseho koa, dia mananatra azy hoe:
我这作长老、作基督受苦的见证、同享后来所要显现之荣耀的,劝你们中间与我同作长老的人:
Andraso ny ondrin'Andriamanitra izay eo aminareo, mitandrina azy tsy an-tery, fa amin'ny sitrapo,[araka an'Andriamanitra]; tsy amin'ny fitiavana harena maloto, fa amin'ny zotom-panahy;
务要牧养在你们中间 神的群羊,按著 神旨意照管他们;不是出于勉强,乃是出于甘心;也不是因为贪财,乃是出于乐意;
tsy ho mpanjakazaka, amin'ny anjara-fiandrasana, fa ho fianaran'ny ondry.
也不是辖制所托付你们的,乃是作群羊的榜样。
Ary rehefa miseho ny Lohan'ny mpiandry, dia hahazo ny satro-boninahitra tsy mety simba ianareo,
到了牧长显现的时候,你们必得那永不衰残的荣耀冠冕。
Ary ianareo izay mbola tanora fanahy kosa, dia maneke ny loholona. Eny, samia misikina fanetren-tena ianareo ka mifanompoa; fa "Andriamanitra manohitra ny miavonavona, fa manome fahasoavana ho an'ny manetry tena" (Oha. 3.34).
你们年幼的,也要顺服年长的。就是你们众人也都要以谦卑束腰,彼此顺服;因为 神阻挡骄傲的人,赐恩给谦卑的人。
Koa amin'izany manetre tena ambanin'ny tàna-maherin'Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin'ny fotoan'andro;
所以,你们要自卑,服在 神大能的手下,到了时候他必叫你们升高。
ary apetraho aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo (Sal. 55.22).
你们要将一切的忧虑卸给 神,因为他顾念你们。
Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany;
务要谨守,儆醒。因为你们的仇敌魔鬼,如同吼叫的狮子,遍地游行,寻找可吞吃的人。
tohero izy, ka miorena tsara amin'ny finoana ianareo, satria fantatrareo fa izany fahoriana izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra eran'izao tontolo izao.
你们要用坚固的信心抵挡他,因为知道你们在世上的众弟兄也是经历这样的苦难。
Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, Izay efa niantso anareo ho any amin'ny voninahiny mandrakizay ao amin'i Kristy, rehefa niaritra fahoriana vetivety ianareo, dia Izy no hahatanteraka sy hampiorina ary hampitoetra anareo.
那赐诸般恩典的 神曾在基督里召你们,得享他永远的荣耀,等你们暂受苦难之后,必要亲自成全你们,坚固你们,赐力量给你们。
Ho Azy anie ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena.
愿权能归给他,直到永永远远。阿们!
Efa manoratra teny fohifohy ho aminareo aho hampitondraina an'i Silasy, izay ataoko ho rahalahy mahatoky, dia mananatra anareo aho ka manambara fa izany no tena fahasoavan'Andriamanitra,- tomoera tsara amin'izany ianareo.
我略略的写了这信,托我所看为忠心的兄弟西拉转交你们,劝勉你们,又证明这恩是 神的真恩。你们务要在这恩上站立得住。
Izay any Babylona, voafidy ho namanareo, manao veloma anareo, ary Marka zanako koa.
在巴比伦与你们同蒙拣选的教会问你们安。我儿子马可也问你们安。
Mifanaova veloma amin'ny fanoroham-pitiavana. Ho aminareo rehetra izay ao amin'i Kristy anie ny fiadanana.
你们要用爱心彼此亲嘴问安。愿平安归与你们凡在基督里的人!