I Kings 6

Ary tamin'ny taona fahavalo-polo amby efa-jato taorian'ny nialan'ny Zanak'Isiraely tamin'ny tany Egypta tamin'ny volana Ziva (volana faharoa izany), tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Solomona tamin'ny Isiraely, dia nanorina ny tranon'i Jehovah izy.
以色列人出埃及地后四百八十年,所罗门作以色列王第四年西弗月,就是二月,开工建造耶和华的殿。
Ary ny trano nataon'i Solomona mpanjaka ho an'i Jehovah dia enim-polo hakiho ny lavany, ary roa-polo hakiho ny sakany, ary telo-polo hakiho ny hahavony.
所罗门王为耶和华所建的殿,长六十肘,宽二十肘,高三十肘。
Ary ny lavarangana fidirana teo anoloan'ny ati-trano lehibe, dia roa-polo hakiho ny lavany mifanerana amin'ny sakan'ny trano, ary folo akiho ny habeny teo anoloan'ny trano ihany.
殿前的廊子长二十肘,与殿的宽窄一样,阔十肘;
Ary ny varavarankelin'ny trano nataony makarakara tsy mivoha.
又为殿做了严紧的窗櫺。
Ary tamin'ny lafin-trano dia nasiany paosin-trano mifanongoa manodidina, na amin'ny ati-trano lehibe, na amin'ny efitra atiny, sady nasiany efi-trano manodidina;
靠著殿墙,围著外殿内殿,造了三层旁屋;
ny efi-trano ambany indrindra, dimy hakiho ny sakany, ary ny an-tenatenany, enina hakiho ny sakany, ary ny fahatelony, dia fito hakiho sakany; fa ny rindrina ivelan'ny trano dia ahenany manodidina isaky ny mifanongoa, mba tsy hisy hitsatoka amin'ny rindrina.
下层宽五肘,中层宽六肘,上层宽七肘。殿外旁屋的梁木搁在殿墙坎上,免得插入殿墙。
Ary tamin'ny nanaovana ny trano dia vato voapaika rahateo hatrany amin'ny fihadiam-bato no nanaovany azy: ka dia tsy nisy feon'ny tantanana, na fandraka, na vy fiasana, re tao an-trano tamin'ny nanaovany azy.
建殿是用山中凿成的石头。建殿的时候,锤子、斧子,和别样铁器的响声都没有听见。
Ny varavarana mankao amin'ny efi-trano an-tenatenany dia teo amin'ny ilany ankavanan'ny trano; ary tohatra miolikolika no niakarany ho ao amin'ny efi-trano an-tenatenany, ary avy tao amin'ny an-tenatenany indray no niakarany ho ao amin'ny fahatelony.
在殿右边当中的旁屋有门,门内有旋螺的楼梯,可以上到第二层,从第二层可以上到第三层。
Toy izany no nanaovany ny trano sy nahavitany azy; ary rairainy nopetahany hazo fisaka sedera no nataony tafon'ny trano.
所罗门建殿,安置香柏木的栋梁,又用香柏木板遮盖。
Ary ny paosin-trano nataony manodidina ny trano, dimy hakiho avy ny hahavony, ary hazo sedera no nikambanany tamin'ny trano.
靠著殿所造的旁屋,每层高五肘,香柏木的栋梁搁在殿墙坎上。
Ary ny tenin'i Jehovah tonga tamin'i Solomona nanao hoe:
耶和华的话临到所罗门说:
Ny amin'ity trano ataonao, ity raha handeha araka ny lalako ianao sy hanaraka ny fitsipiko ary hitandrina ny didiko rehetra ka hanaraka azy, dia hotanterahiko aminao ny teniko, izay nolazaiko tamin'i Davida rainao;
「论到你所建的这殿,你若遵行我的律例,谨守我的典章,遵从我的一切诫命,我必向你应验我所应许你父亲大卫的话。
ary hitoetra ao amin'ny Zanak'Isiraely Aho ka tsy hahafoy ny Isiraely oloko.
我必住在以色列人中间,并不丢弃我民以色列。」
Ary nataon'i Solomona ny trano, ka dia vitany.
所罗门建造殿宇。
Ary ny rindrina anatiny nopetahany hazo sedera; hatramin'ny vodi-rindrina ka hatramin'ny loha-rindrina dia nopetahany hazo avokoa ary hazo kypreso no nataony gorodon'ny trano.
殿里面用香柏木板贴墙,从地到棚顶都用木板遮蔽,又用松木板铺地。
Ary ny roa-polo hakiho hatreo amin'ny rindrina farany dia nasiany efitra hazo sedera hatramin'ny vodirindrina ka hatramin'ny loha-rindrina, ary nataony ho efitra anatiny izany, dia ny fitoerana masina indrindra.
内殿,就是至圣所,长二十肘,从地到棚顶用香柏木板遮蔽【或作隔断】。
Ary ny lavan'ny ati-trano lehibe teo anoloan'io dia efa-polo hakiho.
内殿前的外殿,长四十肘。
Ary ny sedera amin'ny ati-trano dia nosoratany nasiany sarin'ny voantango sy voninkazo mivelatra; sedera avokoa izy, ka tsy nisy vato niseho.
殿里一点石头都不显露,一概用香柏木遮蔽;上面刻著野瓜和初开的花。
Nanisy efitra anatiny tao anatin'ny trano izy hametrahany ny fiaran'ny faneken'i Jehovah.
殿里预备了内殿,好安放耶和华的约柜。
Ary teo anoloan'ny efitra anatiny roa-polo hakiho ny lavany, ary roa-polo hakiho ny sakany, roa-polo hakiho koa ny hahavony, sady voapetaka takela-bolamena tsara izy dia nopetahany hazo sedera ny alitara.
内殿长二十肘,宽二十肘,高二十肘,墙面都贴上精金;又用香柏木做坛,包上精金。
Ary nopetahan'i Solomona takela-bolamena tsara indrindra ny atin'ny trano; sady nasiany vakoka volamena hisakana eo anoloan'ny efitra anatiny; ary nopetahany takela-bolamena koa ny alitara.
所罗门用精金贴了殿内的墙,又用金鍊子挂在内殿前门扇,用金包裹。
Izao ati-trano rehetra izao dia nopetahany takela-bolamena avokoa; ary ny alitara momba ny efitra anatiny koa dia nopetahany takela-bolamena avokoa.
全殿都贴上金子,直到贴完;内殿前的坛,也都用金包裹。
Ary tao anatin'ny efitra anatiny dia nasiany kerobima hazo oliva roa. samy folo hakiho avy no hahavony.
他用橄榄木做两个基路伯,各高十肘,安在内殿。
Ary samy dimy hakiho avy ny elatry ny kerobima iray, dia folo hakiho hatramin'ny tendron'elany anankiray ka hatramin'ny tendron'elany anankiray.
这一个基路伯有两个翅膀,各长五肘,从这翅膀尖到那翅膀尖共有十肘;
Ary ny kerobima iray koa folo hakiho; fa ny kerobima roa mitovy halehibe sy mitovy tarehy:
那一个基路伯的两个翅膀也是十肘,两个基路伯的尺寸、形像都是一样。
Folo hakiho ny hahavon'ny kerobima iray, ary tahaka io ihany koa ny kerobima anankiray.
这基路伯高十肘,那基路伯也是如此。
Ary ny kerobima nataony tao afovoan'ny trano anatiny; ary ny elany nataony mivelatra, ka ny ilany samy nipaka tamin'ny rindrina avy, ary ny ilany nifanendry teo afovoan'ny trano.
他将两个基路伯安在内殿里;基路伯的翅膀是张开的,这基路伯的一个翅膀挨著这边的墙,那基路伯的一个翅膀挨著那边的墙,里边的两个翅膀在殿中间彼此相接;
Ary nopetahany takela-bolamena ny kerobima.
又用金子包裹二基路伯。
Ary ny rindrina manodidina nosoratany nasiany sarin'ny kerobima sy hazo rofia ary voninkazo mivelatra, na ny efitra anatiny, na ny ati-trano lehibe.
内殿、外殿周围的墙上都刻著基路伯、棕树,和初开的花。
Ary nopetahany takela-bolamena ny gorodona, na ny teo amin'ny efi-trano anatiny, na ny teo amin'ny ati-trano lehibe.
内殿、外殿的地板都贴上金子。
Ary ny varavarana mankao amin'ny efitra anatiny dia nasiany lela-varavarana hazo oliva kopa-droa, ary ny tolany sy ny momba azy dia ampahadimin'ny sakan-trano.
又用橄榄木制造内殿的门扇、门楣、门框;门口有墙的五分之一。
Ny lela-varavarana hazo oliva kopa-droa dia nosoratany nasiany sarin'ny kerobima sy hazo rofia ary voninkazo mivelatra, ary, nopetahany volamena manify ny kerobima: sy ny hazo rofia.
在橄榄木做的两门扇上刻著基路伯、棕树,和初开的花,都贴上金子。
Dia toy izany koa ny varavarana mankao amin'ny ati-trano lehibe, dia nasiany tolam-baravarana hazo oliva mahafeno ny ampahefatry ny sahan-trano.
又用橄榄木制造外殿的门框,门口有墙的四分之一。
Ary ny lela-varavarana hazo kypreso kopa-droa dia kamban-droa samy nisy savily avy.
用松木做门两扇。这扇分两扇,是摺叠的;那扇分两扇;也是摺叠的。
Ary nosoratany nasiany sarin'ny kerobima sy ny hazo rofia ary voninkazo mivelatra ireo, dia nopetahany volamena manify ny sorany.
上面刻著基路伯、棕树,和初开的花,都用金子贴了。
Ary nanao ny kianja tao anatiny tamin'ny vato voapaika telo andalana sy hazo sedera iray andalana izy.
他又用凿成的石头三层、香柏木一层建筑内院。
Tamin'ny volana Ziva tamin'ny taona fahefatra, no; nanaovany ny fanorenan'ny tranon'i Jehovah.
所罗门在位第四年西弗月,立了耶和华殿的根基。
Ary tamin'ny volana Bola (volana fahavalo izany), tamin'ny taona fahiraika ambin'ny folo, no nahavitany ny trano araka ny fombany rehetra sy izay rehetra nahamety azy. Dia fito taona no nanaovany azy.
到十一年布勒月,就是八月,殿和一切属殿的都按著样式造成。他建殿的工夫共有七年。