I Kings 22

Ary nandry fahizay ny Syriana sy ny Isiraely telo taona, fa tsy niady.
亚兰国和以色列国三年没有争战。
Ary nony tamin'ny taona fahatelo, dia nidina Josafata, mpanjakan'ny Joda, ho any amin'ny mpanjakan'ny Isiraely.
到第三年,犹大王约沙法下去见以色列王。
Ary hoy ny mpanjakan'ny Isiraely tamin'ny mpanompony: Moa fantatrareo va fa antsika Ramota-gileada, nefa isika mitoetra foana ka tsy maka azy amin'ny tanan'ny mpanjakan'i Syria?
以色列王对臣仆说:「你们不知道基列的拉末是属我们的吗?我们岂可静坐不动,不从亚兰王手里夺回来吗?」
Ary hoy koa izy tamin'i Josafata: Mba hiaraka amiko hiady an'i Ramota-gileada va ianao? Dia hoy Josafata tamin'ny mpanjakan'ny Isiraely. Eny, fa tahaka ny tenanao ihany aho, ka ny oloko dia olonao, ary ny soavaliko dia soavalinao.
亚哈问约沙法说:「你肯同我去攻取基列的拉末吗?」约沙法对以色列王说:「你我不分彼此,我的民与你的民一样,我的马与你的马一样。」
Ary hoy Josafata tamin'ny mpanjakan'ny Isiraely: Masìna ianao, anontanio aloha ny tenin'i Jehovah.
约沙法对以色列王说:「请你先求问耶和华。」
Ary ny mpanjakan'ny Isiraely dia nanangona ny mpaminany tokony ho efa-jato lahy ka nanao taminy hoe: Handena hanafika an'i Ramota-gileada va aho, sa hijanona ihany? Dia hoy ireo: Mandehana, fa hatolotry ny Tompo eo an-tananao izy, ry mpanjaka.
于是以色列王招聚先知,约有四百人,问他们说:「我上去攻取基列的拉末可以不可以?」他们说:「可以上去,因为主必将那城交在王的手里。」
Ary hoy kosa Josafata: Moa tsy misy mpaminanin'i Jehovah koa va eto mba hanontaniantsika?
约沙法说:「这里不是还有耶和华的先知,我们可以求问他吗?」
Dia hoy ny mpanjakan'ny Isiraely tamin'i Josafata: Mbola misy lehilahy iray ihany, dia Mikaia, zanak'i Jimla, izay ahazoantsika manontany amin'i Jehovah, saingy halako izy, satria tsy mba maminany soa ho ahy izy. fa loza ihany. Dia hoy Josafata: Aza manao izany, ry mpanjaka.
以色列王对约沙法说:「还有一个人,是音拉的儿子米该雅,我们可以托他求问耶和华。只是我恨他;因为他指著我所说的预言,不说吉语,单说凶言。」约沙法说:「王不必这样说。」
Ary ny mpanjakan'ny Isiraely niantso ny tandapa anankiray ka nanao taminy hoe: Alao faingana Mikaia, zanak'i Jimla.
以色列王就召了一个太监来,说:「你快去,将音拉的儿子米该雅召来。」
Ary ny mpanjakan'ny Isiraely sy Josafata, mpanjakan'ny Joda, samy nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany avy teo amin'ny famoloana eo anoloan'ny vavahadin'i Samaria sady samy efa niakanjo ny akanjony avy; ary ny mpaminany rehetra naminany teo matrehany.
以色列王和犹大王约沙法在撒马利亚城门前的空场上,各穿朝服,坐在位上,所有的先知都在他们面前说预言。
Ary Zedekia, zanak'i Kenana, dia nanao tandroby ka nanao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: ireto no hanotoanao ny Syriana mandra-paharingany.
基拿拿的儿子西底家造了两个铁角,说:「耶和华如此说:『你要用这角牴触亚兰人,直到将他们灭尽。』」
Ary ny mpaminany rehetra naminany toy izany koa hoe: Mandehana any Ramota-gileada, dia hambinina ianao; fa Jehovah hanolotra azy eo an-tananao, ry mpanjaka.
所有的先知也都这样预言说:「可以上基列的拉末去,必然得胜,因为耶和华必将那城交在王的手中。」
Ary ilay iraka izay nandeha naka an'i Mikaia niteny taminy hoe: Indro fa efa iray teny avokoa izao ny mpaminany ka milaza soa ho an'ny mpanjaka; masìna ianao, aoka re ny teninao mba ho tahaka ny an'ny anankiray amin'ireo, ka mba mitenena soa koa.
那去召米该雅的使者对米该雅说;「众先知一口同音地都向王说吉言,你不如与他们说一样的话,也说吉言。」
Ary hoy Mikaia: Raha velona koa Jehovah, dia izay lazain'i Jehovah amiko ihany no hambarako.
米该雅说:「我指著永生的耶和华起誓,耶和华对我说什么,我就说什么。」
Dia nankany amin'ny mpanjaka izy. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ry Mikaia, handeha hanafika an'i Ramota-gileada va isika, sa hijanona ihany? Ary izy namaly azy hoe: Mandehana, fa hambinina ianao, fa hatolotr'i Jehovah eo an-tananao izy, ry mpanjaka.
米该雅到王面前,王问他说:「米该雅啊,我们上去攻取基列的拉末可以不可以?」他回答说:「可以上去,必然得胜,耶和华必将那城交在王的手中。」
Ary hoy ny mpanjaka taminy: Impiry no hampianianako anao mba tsy hilaza na inona na inona amiko amin'ny anaran'i Jehovah afa-tsy izay marina ihany
王对他说:「我当嘱咐你几次,你才奉耶和华的名向我说实话呢?」
Dia hoy Mikaia Hitako fa indreny ny Isiraely rehetra niely teny an-tendrombohitra toy ny ondry tsy misy mpiandry, ary hoy Jehovah: Ireto efa tsy manan-tompo, aoka izy samy hody soa aman-tsara any an-tranony avy.
米该雅说:「我看见以色列众民散在山上,如同没有牧人的羊群一般。耶和华说:『这民没有主人,他们可以平平安安地各归各家去。』」
Dia hoy ny mpanjakan'ny Isiraely tamin'i Josafata: Tsy efa voalazako taminao va fa tsy mba mety maminany soa ho ahy izy, fa loza ihany?
以色列王对约沙法说:「我岂没有告诉你,这人指著我所说的预言,不说吉语单说凶言吗?」
Ary hoy Mikaia: Henoy ary ny tenin'i Jehovah: Nahita an'i Jehovah nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany aho, ary ireo maro be rehetra any an-danitra nitsangana teo andaniny avy, dia teo amin'ny ankavanany sy teo amin'ny ankaviany.
米该雅说:「你要听耶和华的话!我看见耶和华坐在宝座上,天上的万军侍立在他左右。
Ary hoy Jehovah: Iza no hitaona an'i Ahaba handeha ho any Ramotagileada ka ho lavo any? Ary ny anankiray niteny toy izao, ary ny anankiray kosa niteny toy izao.
耶和华说:『谁去引诱亚哈上基列的拉末去阵亡呢?』这个就这样说,那个就那样说。
Dia nandroso ny fanahy ka nitsangana teo anatrehan'i Jehovah ary nanao hoe: Izaho no hitaona azy. Ary hoy Jehovah taminy: Amin'inona anefa?
随后有一个神灵出来,站在耶和华面前,说:『我去引诱他。』
Dia hoy izy: Hivoaka aho ka ho tonga fanahy mandainga ao am-bavan'ny mpaminaniny rehetra. Dia hoy indray Jehovah: Ho voataonanao ihany izy, ka hahatanteraka ianao; mivoaha ary, ka ataovy izany.
耶和华问他说:『你用何法呢?』他说:『我去,要在他众先知口中作谎言的灵。』耶和华说:『这样,你必能引诱他,你去如此行吧!』
Koa, indro, Jehovah efa nanisy fanahy mandainga ao am-bavan'ireto mpaminaninao rehetra ireto ary Izy koa efa nilaza ny loza hanjo anao.
现在耶和华使谎言的灵入了你这些先知的口,并且耶和华已经命定降祸与你。」
Fa Zedekia, zanak'i Kenana, nanatona, dia namely ny takolak'i Mikaia sady nanao hoe: Taiza no nialan'ny Fanahin'i Jehovah tamiko hiteny aminao?
基拿拿的儿子西底家前来,打米该雅的脸,说:「耶和华的灵从哪里离开我与你说话呢?」
Dia hoy Mikaia: Indro, ho hitanao izany amin'ny andro hidiranao ao amin'ny efi-trano anatiny hierenao.
米该雅说:「你进严密的屋子藏躲的那日,就必看见了。」
Dia hoy ny mpanjakan'ny Isiraely: Raiso Mikaia, ka ento miverina izy ho any amin'i Amona, komandin'ny tanàna, sy ho any amin'i Joasy, zanaky ny mpanjaka,
以色列王说:「将米该雅带回,交给邑宰亚们和王的儿子约阿施,说
ka lazao hoe: Izao no lazain'ny mpanjaka: Ataovy ao an-trano-maizina ilehity, ka fahano mofom-pahoriana sy ranom-pahoriana izy mandra-pahatongako soa aman-tsara.
王如此说,把这个人下在监里,使他受苦,吃不饱喝不足,等候我平平安安地回来。」
Fa hoy Mikaia: Raha tàhiny ho tafaverina soa aman-tsara ianao dia tsy nampitenenin'i Jehovah aho tsy akory. Ary hoy koa izy: Samia mihaino izany ianareo, ry firenena rehetra.
米该雅说:「你若能平平安安地回来,那就是耶和华没有借我说这话了」;又说:「众民哪,你们都要听!」
Dia niakatra nankany Ramota-gileada ny mpanjakan'ny Isiraely sy Josafata, mpanjakan'ny Joda.
以色列王和犹大王约沙法上基列的拉末去了。
Ary hoy ny mpanjakan'ny Isiraely tamin'i Josafata: Hody olon-kafa aho ka hitsarapaka any anatin'ny ady, fa ianao kosa dia miakanjoa ny akanjonao ihany. Dia nody olon-kafa ny mpanjakan'ny Isiraely ka nitsarapaka tany anatin'ny ady.
以色列王对约沙法说:「我要改装上阵,你可以仍穿王服。」以色列王就改装上阵。
Fa ny mpanjakan'i Syria efa nandidy ny roa amby telo-polo lahy, komandin'ny kalesy, nanao hoe: Aza miady na amin'ny kely na amin'ny lehibe, afa-tsy amin'ny mpanjakan'ny Isiraely ihany.
先是亚兰王吩咐他的三十二个车兵长说:「他们的兵将,无论大小,你们都不可与他们争战,只要与以色列王争战。」
Ary nony nahita an'i Josafata ireo komandin'ny kalesy, dia hoy izy: Iny mihitsy no mpanjakan'ny Isiraely. Dia nanatrika hiady taminy ireo; ka dia niantsoantso Josafata.
车兵长看见约沙法,便说:「这必是以色列王!」就转过去与他争战,约沙法便呼喊。
Ary rehefa hitan'ireo komandin'ny kalesy fa tsy ny mpanjakan'ny Isiraely izy, dia niverina niala taminy ireo.
车兵长见不是以色列王,就转去不追他了。
Ary nisy lehilahy anankiray nandefa zana-tsipìka kitoatoa ka nahavoa ny mpanjakan'ny Isiraely teo anelanelan'ny fiarovan-tratrany sy ny eo ambaniny; ka dia hoy izy tamin'ny mpampandeha ny kalesiny: Ahodino, ka ento miala eto amin'ny ady aho, fa voa.
有一人随便开弓,恰巧射入以色列王的甲缝里。王对赶车的说:「我受了重伤,你转过车来,拉我出阵吧!」
Ary nihamafy ny ady tamin'izany andro izany; ary ny mpanjaka notohanana hitsangana teo amin'ny kalesiny tandrifin'ny Syriana, ary dia maty izy nony efa harivariva ny andro; ary ny rà nandeha avy teo amin'ny efa voa ho ao anatin'ny kalesy.
那日,阵势越战越猛,有人扶王站在车上,抵挡亚兰人。到晚上,王就死了,血从伤处流在车中。
Ary nony efa hilentika ny masoandro, dia niely eran'ny toby rehetra izao antsoantso izao hoe: Samia mody any an-tanànany avy sy any amin'ny taniny avy!
约在日落的时候,有号令传遍军中,说:「各归本城,各归本地吧!」
Dia maty ny mpanjaka, ka nentina tany Samaria izy, dia nalevina tao.
王既死了,众人将他送到撒马利亚,就葬在那里;
Ary nony nosasana teo am-parihin'i Samaria ny kalesiny, dia avy ny alika nilelaka ny ràny raha nandro tao ny vehivavy janga araka ny tenin'i Jehovah.
又有人把他的车洗在撒马利亚的池旁(妓女在那里洗澡),狗来舔他的血,正如耶和华所说的话。
Ary ny tantaran'i Ahaba sisa mbamin'izay rehetra nataony sy ny trano ivory izay nataony ary ny tanàna rehetra izay naoriny, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?
亚哈其余的事,凡他所行的和他所修造的象牙宫,并所建筑的一切城邑,都写在以色列诸王记上。
Ary Ahaba lasa nodi-mandry any amin'ny razany; ary Ahazia zanany no nanjaka nandimby azy.
亚哈与他列祖同睡。他儿子亚哈谢接续他作王。
Ary Josafata, zanak'i Asa, vao nanjaka tamin'ny Joda tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely.
以色列王亚哈第四年,亚撒的儿子约沙法登基作了犹大王。
Dimy amby telo-polo taona Josafata, fony izy vao nanjaka, ary dimy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Azoba, zanakavavin'i Sily.
约沙法登基的时候年三十五岁,在耶路撒冷作王二十五年。他母亲名叫阿苏巴,乃示利希的女儿。
Ary nandeha tamin'ny lalana rehetra izay nalehan'i Asa rainy izy ka tsy niala tamin'izany, fa nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah;
约沙法行他父亲亚撒所行的道,不偏离左右,行耶和华眼中看为正的事;只是邱坛还没有废去,百姓仍在那里献祭烧香。
kanefa kosa ny fitoerana avo tsy mba noravana, fa ny olona mbola namono zavatra hatao fanatitra sady mbola nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ny fitoerana avo ihany.
约沙法与以色列王和好。
Ary Josafata nanao fihavanana tamin'ny mpanjakan'ny Isiraely.
约沙法其余的事和他所显出的勇力,并他怎样争战,都写在犹大列王记上。
Ary ny tantaran'i Josafata sisa sy ny heriny mbamin'ny niadiany, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?
约沙法将他父亲亚撒在世所剩下的娈童都从国中除去了。
Ary ny sisa amin'ny olona izay nanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy, dia Izay mbola tany tamin'ny andron'i Asa rainy, dia nofongorany hiala amin'ny tany.
那时以东没有王,有总督治理。
Ary tsy nisy mpanjaka tany Edoma fahizay, fa olona voatendry no nitondra ny fanjakana.
约沙法制造他施船只,要往俄斐去,将金子运来;只是没有去,因为船在以旬‧迦别破坏了。
Ary Josafata nanao sambon'i Tarsisy folo hankany Ofira haka volamena; nefa tsy lasa ireo sambo ireo, fa nahavakiana tao Ezion-gebera.
亚哈的儿子亚哈谢对约沙法说:「容我的仆人和你的仆人坐船同去吧!」约沙法却不肯。
Dia hoy Ahazia, zanak'i Ahaba, tamin'i Josafata: Aoka ny vahoakako hiaraka amin'ny vahoakanao any an-tsambo. Fa tsy nety Josafata.
约沙法与列祖同睡。葬在大卫城他列祖的坟地里。他儿子约兰接续他作王。
Ary Josafata lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao an-Tanànan'i Davida rainy izy; ary Jehorama zanany no nanjaka nandimby azy.
犹大王约沙法十七年,亚哈的儿子亚哈谢在撒马利亚登基,作以色列王共二年。
Ahazia, zanak'i Ahaba, vao nanjaka tamin'ny Isiraely tao Samaria tamin'ny taona fahafito ambin'ny folo nanjakan'i Josafata, mpanjakan'ny Joda; ary nanjaka roa taona tamin'ny Isiraely izy.
他行耶和华眼中看为恶的事,效法他的父母,又行尼八的儿子耶罗波安使以色列人陷在罪里的事。
Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, fa nandeha tamin'ny lalan'ny rainy sy ny reniny ary tamin'ny lalan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, izay nampanota ny Isiraely; ary nanompo an'i Bala izy, dia niankohoka teo anatrehany ka nampahatezitra an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tahaka izay rehetra nataon-drainy.
他照他父亲一切所行的,事奉敬拜巴力,惹耶和华─以色列 神的怒气。