I Kings 15

Ary tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, no vao nanjakan'i Abia tamin'ny Joda.
尼八的儿子耶罗波安王十八年,亚比央登基作犹大王,
Telo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Imaka, zanakavavin'i Absaloma.
在耶路撒冷作王三年。他母亲名叫玛迦,是押沙龙的女儿。
Ary nandeha tamin'ny fahotana rehetra nataon-drainy izy, dia izay nataony teo alohany; ary ny fony tsy mba nahitsy tamin'i Jehovah Andriamaniny tahaka ny fon'i Davida rainy.
亚比央行他父亲在他以前所行的一切恶,他的心不像他祖大卫的心,诚诚实实地顺服耶和华─他的 神。
Nefa noho ny amin'i Davida dia nomen'i Jehovah Andriamaniny fanilo tany Jerosalema ihany izy, fa natsangany handimby azy ny zanany, sady nampaharitra an'i Jerosalema Izy,
然而耶和华─他的 神因大卫的缘故,仍使他在耶路撒冷有灯光,叫他儿子接续他作王,坚立耶路撒冷。
satria Davida nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah ka tsy nivily niala tamin'izay nandidiany azy tamin'ny andro rehetra niainany, afa-tsy ilay tamin'i Oria Hetita ihany.
因为大卫除了赫人乌利亚那件事,都是行耶和华眼中看为正的事,一生没有违背耶和华一切所吩咐的。
Ary niady Rehoboama sy Jeroboama tamin'ny andro rehetra niainany.
罗波安在世的日子常与耶罗波安争战。
Ary ny tantaran'i Abia sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany ? Ary niady Abia sy Jeroboama
亚比央其余的事,凡他所行的,都写在犹大列王记上。亚比央常与耶罗波安争战。
Ary Abia lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao an-Tanànan'i Davida izy; ary Asa zanany no nanjaka nandimby azy.
亚比央与他列祖同睡,葬在大卫的城里。他儿子亚撒接续他作王。
Ary tamin'ny taona faharoa-polo nanjakan'i Jeroboama, mpanjakan'ny Isiraely, no vao nanjakan'i Asa tamin'ny Joda.
以色列王耶罗波安二十年,亚撒登基作犹大王,
Ary iraika amby efa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Imaka, zanakavavin'i Absaloma.
在耶路撒冷作王四十一年。他祖母名叫玛迦,是押沙龙的女儿。
Ary Asa nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah toy ny nataon'i Davida rainy.
亚撒效法他祖大卫行耶和华眼中看为正的事,
Fa nesoriny tamin'ny tany ny olona izay nanolotena hijangajanga ho fanompoan-tsampy, sady nariany ny sampy rehetra izay nataon-drainy.
从国中除去娈童,又除掉他列祖所造的一切偶像;
Ary na dia Imaka reniny aza dia naetriny tsy ho andriambavy, satria efa nanao sampy ho an'ny Aseraha; ary Asa nikapa ny sampiny ka nandoro azy tao an-dohasahan-driaka Kidrona.
并且贬了他祖母玛迦太后的位,因她造了可憎的偶像亚舍拉。亚撒砍下她的偶像,烧在汲沦溪边,
Fa ny fitoerana avo tsy mba noravana; nefa nahitsy teo imason'i Jehovah ny fon'i Asa tamin'ny andro rehetra niainany.
只是邱坛还没有废去。亚撒一生却向耶和华存诚实的心。
Ary nampidiriny ho ao an-tranon'i Jehovah ny zavatra izay nohamasinin-drainy mbamin'izay nohamasinin'ny tenany, dia volafotsy sy volamena ary fanaka.
亚撒将他父亲所分别为圣与自己所分别为圣的金银和器皿都奉到耶和华的殿里。
Ary niady Asa sy Basa, mpanjakan'ny Isiraely, tamin'ny andro rehetra niainany.
亚撒和以色列王巴沙在世的日子常常争战。
Ary Basa, mpanjakan'ny Isiraely, niakatra hamely ny Joda, dia nanamboatra an'i Rama mba tsy hisy hahazo hivoaka sy hiditra ho any amin'i Asa, mpanjakan'ny Joda.
以色列王巴沙上来要攻击犹大,修筑拉玛,不许人从犹大王亚撒那里出入。
Ary Asa naka ny volafotsy sy ny volamena rehetra izay sisa tamin'ny rakitry ny tranon'i Jehovah sy tamin'ny rakitry ny tranon ny mpanjaka, ka natolony teo an-tànan'ny mpanompony; ary Asa mpanjaka nampanatitra azy tany amin'i Beni-hadada, zanak'i Tabrimona, zanak'i Heziona, mpanjakan'i Syria, izay nonina tao Damaskosy, ka nanao hoe:
于是亚撒将耶和华殿和王宫府库里所剩下的金银都交在他臣仆手中,打发他们往住大马士革的亚兰王─希旬的孙子、他伯利们的儿子便哈达那里去,
Aoka hisy fanekena amiko sy aminao toy ny tamin'ny raiko sy ny rainao; koa, indro, mampanatitra volafotsy sy volamena ho fanomezana ho anao aho; andeha, tsoahy ny fanekenao tamin'i Basa, mpanjakan'ny Isiraely, mba hialany amiko.
说:「你父曾与我父立约,我与你也要立约。现在我将金银送你为礼物,求你废掉你与以色列王巴沙所立的约,使他离开我。」
Ary Beni-hadada nihaino an'i Asa mpanjaka ka naniraka komandin'ny miaramilany hamely ny tanànan'ny Isiraely, ary namely an'Iona sy Dana sy Abelabeti-maka ary Kinerota rehetra mbamin'ny tanin'ny Naftaly rehetra izy.
便哈达听从亚撒王的话,派军长去攻击以色列的城邑;他们就攻破以云、但、亚伯‧伯‧玛迦、基尼烈全境、拿弗他利全境。
Ary rehefa ren'i Basa izany, dia nitsahatra tsy nanamboatra an'i Rama intsony izy sady nitoetra tao Tirza.
巴沙听见,就停工不修筑拉玛了,仍住在得撒。
Ary Asa mpanjaka kosa nampandre ny Joda rehetra (tsy nisy tsy nampandrenesiny); ary dia nesorin'ny olona ny vato sy ny hazo tao Rama, izay naorin'i Basa; ary nentin'i Asa mpanjaka nanamboatra an'i Geban'i Benjamina sy Mizpa kosa izany.
于是亚撒王宣告犹大众人,不准一个推辞,吩咐他们将巴沙修筑拉玛所用的石头、木头都运去,用以修筑便雅悯的迦巴和米斯巴。
Ary ny tantaran'i Asa sisa rehetra sy ny heriny rehetra mbamin'izay rehetra nataony ary ny tanàna izay nataony, tsy voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany? Nefa kosa tamin'ny andro fahanterany dia narary tamin'ny tongony izy.
亚撒其余的事,凡他所行的,并他的勇力与他所建筑的城邑,都写在犹大列王记上。亚撒年老的时候,脚上有病。
Ary lasa nodimandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao an-Tanànan'i Davida rainy izy; ary Josafata zanany no nanjaka nandimby azy.
亚撒与他列祖同睡,葬在他祖大卫城他列祖的坟地里。他儿子约沙法接续他作王。
Ary Nadaba, zanak'i Jeroboama, vao nanjaka tamin'ny Isiraely tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Asa, mpanjakan'ny Joda; ary nanjaka roa taona tamin'ny Isiraely izy.
犹大王亚撒第二年,耶罗波安的儿子拿答登基作以色列王共二年,
Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, fa nandeha tamin'ny lalan-drainy sy tamin'ny fahotany izay nampanotany ny Isiraely.
拿答行耶和华眼中看为恶的事,行他父亲所行的,犯他父亲使以色列人陷在罪里的那罪。
Ary Basa, zanak'i Ahia, amin'ny taranak'Isakara, nikomy taminy dia namely azy tao Gibetona, izay an'ny Filistina (fa Nadaba sy ny Isiraely rehetra nanao fahirano an'i Gibetona fahizay).
以萨迦人亚希雅的儿子巴沙背叛拿答,在非利士的基比顿杀了他。那时拿答和以色列众人正围困基比顿。
Ary Basa nahafaty azy tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Asa, mpanjakan'ny Joda, ka dia nanjaka nisolo azy.
在犹大王亚撒第三年巴沙杀了他,篡了他的位。
Ary rehefa nanjaka izy, dia namely ny mpianakavin'i Jeroboama rehetra izy, ka tsy nasiany niangana ho an'i Jeroboama na dia olona iray akory aza, fa naringany avokoa ireo araka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Ahia Silonita mpanompony,
巴沙一作王就杀了耶罗波安的全家,凡有气息的没有留下一个,都灭尽了,正应验耶和华借他仆人示罗人亚希雅所说的话。
noho ny fahotana nataon'i Jeroboama sady nampanotany ny Isiraely tamin'izay nataony nampahatezitra an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
这是因为耶罗波安所犯的罪使以色列人陷在罪里,惹动耶和华─以色列 神的怒气。
Ary ny tantaran'i Nadaba sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?
拿答其余的事,凡他所行的,都写在以色列诸王记上。
Ary niady Asa sy Basa, mpanjakan'ny Isiraely, tamin'ny andro rehetra niainany.
亚撒和以色列王巴沙在世的日子常常争战。
Tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Asa, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Basa, zanak'i Ahia, tamin'ny Isiraely rehetra tao Tirza; ary mpanjaka efatra amby roa-polo taona izy.
犹大王亚撒第三年,亚希雅的儿子巴沙在得撒登基作以色列众人的王共廿四年。
Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, fa nandeha tamin'ny lalan'i Jeroboama sy tamin'ny fahotany izay nampanotany ny Isiraely.
他行耶和华眼中看为恶的事,行耶罗波安所行的道,犯他使以色列人陷在罪里的那罪。