I Kings 14

Tamin'izany andro izany dia narary Abia, zanak'i Jeroboama.
那时,耶罗波安的儿子亚比雅病了。
Ary hoy Jeroboama tamin'ny vadiny: Masìna ianao, mitsangàna, ka miovà endrika, mba tsy ho fantatr'olona ho vadin'i Jeroboama ianao; dia mankanesa any Silo, fa, indro, ao Ahia mpaminany, ilay nilaza tamiko fa ho mpanjakan'ity firenena ity aho.
耶罗波安对他的妻说:「你可以起来改装,使人不知道你是耶罗波安的妻,往示罗去,在那里有先知亚希雅。他曾告诉我说,你必作这民的王。
Koa mitondrà mofo folo sy mofo madinika ary tantely iray tavoara, ka mankanesa any aminy; fa izy hanambara aminao izay ho toetry ny zaza.
现在你要带十个饼,与几个薄饼,和一瓶蜜去见他,他必告诉你儿子将要怎样。」
Dia nanao araka izany ny vadin'i Jeroboama ka niainga nankany Silo izy, dia nankao an-tranon'i Ahia. Ary Ahia tsy nahita, fa efa pahina ny masony noho ny fahantrany.
耶罗波安的妻就这样行,起身往示罗去,到了亚希雅的家。亚希雅因年纪老迈,眼目发直,不能看见。
Ary Jehovah efa nilaza tamin'i Ahia hoe: Indro, avy ny vadin'i Jeroboama hanontany anao ny amin'ny zanany, fa marary izy; ary izao ka izao no holazainao aminy; nefa raha miditra izy, dia hody vehivavy hafa.
耶和华先晓谕亚希雅说:「耶罗波安的妻要来问你,因她儿子病了,你当如此如此告诉她。她进来的时候必装作别的妇人。」
Ary nony ren'i Ahia ny fingodongodon'ny tongony, raha vao niditra teo am-baravarana izy, dia hoy izy: Mandrosoa, ry vadin'i Jeroboama; nahoana ianao no mody olonkafa? Fa izaho dia nirahina hitondra teny mafy aminao.
她刚进门,亚希雅听见她脚步的响声,就说:「耶罗波安的妻,进来吧!你为何装作别的妇人呢?我奉差遣将凶事告诉你。
Koa mandehana, ka lazao amin'i Jeroboama hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Satria nanandratra anao avy tamin'ny olona Aho ka nanendry anao ho mpanapaka ny Isiraely oloko,
你回去告诉耶罗波安说:『耶和华─以色列的 神如此说:我从民中将你高举,立你作我民以色列的君,
ary nendahako ny fanjakana ho afaka tamin'ny taranak'i Davida ka nomeko anao, nefa kosa ianao tsy mba nanao tahaka an'i Davida mpanompoko, izay nitandrina ny teniko sy nanaraka Ahy tamin'ny fony rehetra tsy hanao na inona na inona afa-tsy izay marina eo imasoko ihany;
将国从大卫家夺回赐给你;你却不效法我仆人大卫,遵守我的诫命,一心顺从我,行我眼中看为正的事。
fa nanao ratsy mihoatra noho izay rehetra teo alohanao ianao, fa lasa nanao andriamani-kafa sy sarin-javatra an-idina ka nampahatezitra Ahy, fa Izaho efa narianao teo ivohonao:
你竟行恶,比那在你以先的更甚,为自己立了别神,铸了偶像,惹我发怒,将我丢在背后。
koa noho izany dia, indro, hahatonga loza amin'ny taranak'i Jeroboama Aho ka handringana izay lehilahy rehetra amin'ny tamingan'i Jeroboama, na ny voahazona na ny afaka amin'ny Isiraely, ary hanaisotra ny sisa amin'ny taranak'i Jeroboama Aho, toy ny fanaisotry ny olona ny diky ambara-paha-tsy hisy intsony.
因此,我必使灾祸临到耶罗波安的家,将属耶罗波安的男丁,无论困住的、自由的都从以色列中剪除,必除尽耶罗波安的家,如人除尽粪土一般。
Koa izay tamingan'i Jeroboama maty ao an-tanàna dia hohanin'ny alika; ary izay maty any an-tsaha dia hohanin'ny voro-manidina; fa Jehovah no efa niteny.
凡属耶罗波安的人,死在城中的必被狗吃,死在田野的必被空中的鸟吃。这是耶和华说的。』
Koa mitsangàna ianao, ka modia any an-tranonao; fa raha vao mijadona ao an-tanàna ny tongotrao, dia, indro, ho faty ny zaza.
所以你起身回家去吧!你的脚一进城,你儿子就必死了。
Ary ny Isiraely rehetra hisaona sy handevina azy; fa amin'ny tamingan'i Jeroboama dia izy irery ihany no ho tonga ao am-pasana, satria izy ihany no nahitana fahatsaram-panahy ny amin'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
以色列众人必为他哀哭,将他葬埋。凡属耶罗波安的人,惟有他得入坟墓;因为在耶罗波安的家中,只有他向耶和华─以色列的 神显出善行。
Ary Jehovah hanangana mpanjaka ho an'ny Isiraely izay handringana ny taranak'i Jeroboama amin'izany andro izany; fa rahoviana ange izany? Izao ankehitriny izao ihany.
耶和华必另立一王治理以色列。到了日期,他必剪除耶罗波安的家;那日期已经到了。
Fa Jehovah hamely ny Isiraely toy ny volotara hozongozonina any anaty rano sady hanongotra ny Isiraely amin'ity tany soa nomeny ny razany ity ary hanely azy ho any an-dafin'ny Ony, satria nanao ireo Aseraha izy ka nampahatezitra an'i Jehovah.
耶和华必击打以色列人,使他们摇动,像水中的芦苇一般;又将他们从耶和华赐给他们列祖的美地上拔出来,分散在大河那边;因为他们做木偶,惹耶和华发怒。
Ary Izy hanolotra ny Isiraely noho ny fahotana izay nataon'i Jeroboama sady nampanotany ny Isiraely.
因耶罗波安所犯的罪,又使以色列人陷在罪里,耶和华必将以色列人交给仇敌。」
Dia niainga ny vadin'i Jeroboama ka lasa nandeha ary tonga tany Tirza; koa rehefa mby teo amin'ny tokonam-baravarana izy, dia maty ny zazalahy;
耶罗波安的妻起身回去,到了得撒,刚到门槛,儿子就死了。
dia nandevina azy ny Isiraely rehetra sady nisaona azy, araka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Ahia mpaminany mpanompony.
以色列众人将他葬埋,为他哀哭,正如耶和华借他仆人先知亚希雅所说的话。
Ary ny tantaran'i Jeroboama sisa, dia ny niadiany sy ny nanjakany, indro, efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely izany.
耶罗波安其余的事,他怎样争战,怎样作王,都写在以色列诸王记上。
Ary ny andro nanjakan'i Jeroboama dia roa amby roa-polo taona; dia lasa nodi-mandry any amin'ny razany izy; ary Nadaba zanany no nanjaka nandimby azy.
耶罗波安作王二十二年,就与他列祖同睡。他儿子拿答接续他作王。
Ary Rehoboama, zanak'i Solomona, no nanjaka tamin'ny Joda. Efa iraika amby efa-polo taona Rehoboama, fony izy vao nanjaka, ary fito ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema, tanàna nofidin'i Jehovah tamin'ny firenen'Isiraely rehetra hametrahany ny anarany. Ary ny anaran-dreniny dia Nama Amonita.
所罗门的儿子罗波安作犹大王。他登基的时候年四十一岁,在耶路撒冷,就是耶和华从以色列众支派中所选择立他名的城,作王十七年。罗波安的母亲名叫拿玛,是亚扪人。
Ary ny Joda nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah ka nampahasaro-piaro Azy tamin'ny fahotana izay nataony mihoatra noho izay rehetra nataon'ny razany.
犹大人行耶和华眼中看为恶的事,犯罪触动他的愤恨,比他们列祖更甚。
Fa izy koa nanao fitoerana avo ho azy sy tsangam-baton-tsampy ary Aseraha teny an-tampon'ny tendrombohitra avo rehetra sy teny ambanin'ny hazo maitso rehetra.
因为他们在各高冈上,各青翠树下筑坛,立柱像和木偶。
Ary nisy olona nanolo-tena nijangajanga ho fanompoan-tsampy teo amin'ny tany; ary nanaraka ny fahavetavetana rehetra fanaon'ny firenena izay noroahin'i Jehovah teo anoloan'ny Zanak'Isiraely izy.
国中也有娈童。犹大人效法耶和华在以色列人面前所赶出的外邦人,行一切可憎恶的事。
Ary tamin'ny taona fahadimy nanjakan-dRehoboama mpanjaka dia niakatra Sisaka, mpanjakan'i Egypta, hamely an'i Jerosalema;
罗波安王第五年,埃及王示撒上来攻取耶路撒冷,
dia nobaboiny ny rakitry ny tranon'i Jehovah sy ny rakitry ny tranon'ny mpanjaka ka lasany avokoa; ary nobaboiny koa ny ampinga volamena rehetra nataon'i Solomona
夺了耶和华殿和王宫里的宝物,尽都带走,又夺去所罗门制造的金盾牌。
Ary Rehoboama mpanjaka nanao ampinga varahina ho solon'ireny ka nanolotra azy teo an-tànan'ny lehiben'ny mpiambina, izay niambina ny varavaran'ny tranon'ny mpanjaka
罗波安王制造铜盾牌代替那金盾牌,交给守王宫门的护卫长看守。
Ary na oviana na oviana no nidiran'ny mpanjaka tao an-tranon'i Jehovah, dia nentin'ny mpiambina ireo ka naveriny tao an-trano fiambenana indray.
王每逢进耶和华的殿,护卫兵就拿这盾牌,随后仍将盾牌送回,放在护卫房。
Ary ny tantaran-dRehoboama sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?
罗波安其余的事,凡他所行的,都写在犹大列王记上。
Ary niady mandrakariva Rehoboama sy Jeroboama.
罗波安与耶罗波安时常争战。
Ary Rehoboama lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao an-Tanànan'i Davida. Ary ny anaran-dreniny dia Nama Amonita. Ary Abia zanany no nanjaka nandimby azy.
罗波安与他列祖同睡,葬在大卫城他列祖的坟地里。他母亲名叫拿玛,是亚扪人。他儿子亚比央【又名亚比雅】接续他作王。