I Corinthians 7

Ary ny amin'ireo zavatra nosoratanareo, dia tsara amin'ny lehilahy raha tsy mikasi-behivavy akory.
论到你们信上所提的事,我说男不近女倒好。
Anefa noho ny fijangajangana dia aoka ny lehilahy rehetra samy hanana ny vadiny avy, ary aoka koa ny vehivavy rehetra samy hanana ny vadiny avy.
但要免淫乱的事,男子当各有自己的妻子;女子也当各有自己的丈夫。
Aoka ny lahy hanao izay mety hatao amin'ny vavy; ary mba toy izany koa ny vavy amin'ny lahy.
丈夫当用合宜之分待妻子;妻子待丈夫也要如此。
Ny vavy tsy manam-pahefana amin'ny tenany, fa ny lahy; ary mba toy izany koa ny lahy tsy manam-pahefana amin'ny tenany, fa ny vavy.
妻子没有权柄主张自己的身子,乃在丈夫;丈夫也没有权柄主张自己的身子,乃在妻子。
Aza misara-pandriana ianareo, raha tsy amin'izay andro sasany ifanekenareo ho andro hivavahana, nefa mbola hiraisanareo fandriana indray, mba tsy hakan'i Satana fanahy anareo noho ny tsi-faharetanareo.
夫妻不可彼此亏负,除非两相情愿,暂时分房,为要专心祷告方可;以后仍要同房,免得撒但趁著你们情不自禁,引诱你们。
Fandeferana anefa no anaovako izany, fa tsy mandidy aho.
我说这话,原是准你们的,不是命你们的。
Fa tiako ho tahaka ahy ny olona rehetra; kanefa samy manana izay fanomezam-pahasoavana nomen'Andriamanitra ary avy, ka ny anankiray toy izao, ary ny anankiray toy izao kosa.
我愿意众人像我一样;只是各人领受 神的恩赐,一个是这样,一个是那样。
Fa hoy izaho amin'ny tsy manam-bady sy ny mpitondratena kosa: Tsara aminy raha mitoetra tahaka ahy izy.
我对著没有嫁娶的和寡妇说,若他们常像我就好。
Nefa raha tsy maharitra izy, dia aoka hanam-bady ihany; fa tsara ny manam-bady noho ny ho maimay.
倘若自己禁止不住,就可以嫁娶。与其欲火攻心,倒不如嫁娶为妙。
Ary ny manam-bady dia didiako, nefa tsy izaho, fa ny Tompo: Aoka tsy hiala amin'ny lahy ny vavy,
至于那已经嫁娶的,我吩咐他们;其实不是我吩咐,乃是主吩咐说:妻子不可离开丈夫,
(nefa raha misy efa niala, dia aoka hitoetra tsy manam-bady, na aoka hody amin'ny lahy); ary ny lahy aoka tsy hiala amin'ny vavy.
若是离开了,不可再嫁,或是仍同丈夫和好。丈夫也不可离弃妻子。
Fa amin'ny sisa, dia hoy izaho, fa tsy ny Tompo: Raha misy rahalahy manam-bady tsy mino, ary mety mitoetra aminy ihany ny vavy, dia aoka tsy hialany izy.
我对其余的人说,不是主说:倘若某弟兄有不信的妻子,妻子也情愿和他同住,他就不要离弃妻子。
Ary raha misy vehivavy manam-bady tsy mino, ka mety mitoetra aminy ihany ny lahy, dia aoka tsy hialany izy.
妻子有不信的丈夫,丈夫也情愿和她同住,她就不要离弃丈夫。
Fa ny lahy tsy mino dia efa masina ao amin'ny vavy ary ny vavy tsy mino dia efa masina ao amin'ny rahalahy; raha tsy izany kosa, dia tsy madio ny zanakareo; fa raha izany, dia masina izy.
因为不信的丈夫就因著妻子成了圣洁,并且不信的妻子就因著丈夫(原文是弟兄)成了圣洁;不然,你们的儿女就不洁净,但如今他们是圣洁的了。
Fa raha ny tsy mino no miala, aoka hiala izy. Na rahalahy na anabavy dia tsy voafehy amin'izany; fa Andriamanitra efa niantso antsika amin'ny fihavanana.
倘若那不信的人要离去,就由他离去吧!无论是弟兄,是姊妹,遇著这样的事都不必拘束。 神召我们原是要我们和睦。
Fa ahoana moa no ahafantaranao, ravehivavy, na hovonjenao ny vadinao, na tsia? Ary ahoana no ahafantaranao, ralehilahy, na hovonjenao ny vadinao, na tsia?
你这作妻子的,怎么知道不能救你的丈夫呢?你这作丈夫的,怎么知道不能救你的妻子呢?
Kanefa aoka ny olona rehetra samy handeha araka izay anjarany nomen'ny Tompo azy sy araka ny niantsoan'Andriamanitra azy avy. Ary izany no andidiako ao amin'ny fiangonana rehetra.
只要照主所分给各人的,和 神所召各人的而行。我吩咐各教会都是这样。
Misy nantsoina voafora va? Aoka izy tsy hovana ho tsy voafora. Misy antsoina tsy voafora va? Aoka izy tsy hoforana.
有人已受割礼蒙召呢,就不要废割礼;有人未受割礼蒙召呢,就不要受割礼。
Tsinontsinona ny famorana, ary tsinontsinona ny tsi-famorana; fa ny mitandrina ny didin'Andriamanitra no izy.
受割礼算不得什么,不受割礼也算不得什么,只要守 神的诫命就是了。
Aoka ny olona rehetra samy hitoetra eo amin'izay toetra efa niantsoana azy ihany.
各人蒙召的时候是什么身分,仍要守住这身分。
Nantsoina va ianao raha mbola mpanompo? Aoka tsy hampaninona anao izany; nefa raha misy hahafahanao, aleo izany.
你是作奴隶蒙召的吗?不要因此忧虑;若能以自由,就求自由更好。
Fa ny andevo izay voantso ao amin'ny Tompo dia olona afaka an'ny Tompo; toy izany koa, ny olona afaka izay voantso dia mpanompon'i Kristy.
因为作奴仆蒙召于主的,就是主所释放的人;作自由之人蒙召的,就是基督的奴仆。
Fa olom-boavidy ianareo, ka aza mety ho andevon'olona.
你们是重价买来的,不要作人的奴仆。
Ry rahalahy, aoka ny olona rehetra samy hitoetra amin'Andriamanitra ao amin'izay niantsoana azy avy.
弟兄们,你们各人蒙召的时候是什么身分,仍要在 神面前守住这身分。
Fa ny amin'ny virijina dia tsy manana didy avy amin'ny Tompo aho; nefa ataoko izay hevitro tahaka izay niantran'ny Tompo ahy ho mahatoky.
论到童身的人,我没有主的命令,但我既蒙主怜恤能作忠心的人,就把自己的意见告诉你们。
Koa izao no ataoko fa tsara amin'ny olona noho ny fahoriana miseho ankehitriny, dia ny mitoetra toy izao ihany.
因现今的艰难,据我看来,人不如守素安常才好。
Manam-bady va ianao? Aza mitady izay hisarahana. Tsy manam-bady va ianao? Aza mitady vady.
你有妻子缠著呢,就不要求脱离;你没有妻子缠著呢,就不要求妻子。
Nefa na dia hanam-bady aza ianao, dia tsy manota tsy akory; ary na dia hanam-bady aza ny virijina, dia tsy manota izy. Kanefa kosa hanam-pahoriana amin'ny nofo ireny; fa izaho miantra anareo.
你若娶妻,并不是犯罪;处女若出嫁,也不是犯罪。然而这等人肉身必受苦难,我却愿意你们免这苦难。
Fa izao no lazaiko, ry rahalahy: Efa fohy ny andro, mba ho toy ny tsy manam-bady ny manana amin'izao sisa izao;
弟兄们,我对你们说,时候减少了。从此以后,那有妻子的,要像没有妻子;
ary mba ho toy izay tsy mitomany ny mitomany; ary mba ho toy izay tsy mifaly ny mifaly; ary mba ho toy izay tsy mahazo ny mividy;
哀哭的,要像不哀哭;快乐的,要像不快乐;置买的,要像无有所得;
ary mba ho toy izay tsy mahavatra izao fiainana izao loatra ny mahavatra azy, fa mandalo ny fanaon'izao fiainana izao.
用世物的,要像不用世物,因为这世界的样子将要过去了。
Fa tiako tsy ho maro ahina ianareo. Izay tsy manam-bady dia miahy ny an'ny Tompo mba hahafaly ny Tompo.
我愿你们无所罣虑。没有娶妻的,是为主的事罣虑,想怎样叫主喜悦。
Fa izay manam-bady kosa miahy ny an'izao fiainana izao mba hahafaly ny vavy.
娶了妻的,是为世上的事罣虑,想怎样叫妻子喜悦。
Ary tsy mitovy koa ny vehivavy manam-bady sy ny virijina. Ny vehivavy tsy manam-bady mitandrina ny an'ny Tompo, mba ho samy masina avokoa ny tenany sy ny fanahiny; fa izay manam-bady kosa dia mitandrina ny an'izao fiainana izao mba hahafaly ny lahy.
妇人和处女也有分别。没有出嫁的,是为主的事罣虑,要身体、灵魂都圣洁;已经出嫁的,是为世上的事罣虑,想怎样叫丈夫喜悦。
Ary miteny izany aho mba hahasoa anareo, fa tsy haningotra anareo amin'ny tadivavarana, fa mba hanaovanareo izay miendrika sy hitoeranareo tsara amin'ny Tompo, ka tsy hivezivezen'ny sainareo.
我说这话是为你们的益处,不是要牢笼你们,乃是要叫你们行合宜的事,得以殷勤服事主,没有分心的事。
Fa raha misy mihevitra fa tsy mety ny fitondrany ny zananivavy virijina, satria mihoatra noho ny taona tokony anambadian'ny zanany, ka tsy maintsy hisy izany, dia aoka izy hanao izay sitrapony, tsy manota izy; aoka hanam-bady izy.
若有人以为自己待他的女儿不合宜,女儿也过了年岁,事又当行,他就可随意办理,不算有罪,叫二人成亲就是了。
Fa raha misy kosa efa mikasa tsara ao am-pony, sady tsy misy mahatery azy, fa mahazo manaraka ny safidiny ka ninia tao am-pony hiaro ny zananivavy virijina, dia hanao tsara izy.
倘若人心里坚定,没有不得已的事,并且由得自己作主,心里又决定了留下女儿不出嫁,如此行也好。
Ka izay manome ny zanany virijina hampakarina dia manao tsara, ary izay tsy manome azy hampakarina no manao tsaratsara kokoa.
这样看来,叫自己的女儿出嫁是好,不叫她出嫁更是好。
Ny vavy voafehin'ny lalàna, raha mbola velona ny lahy; fa raha maty kosa ny lahy, dia afaka hanam-bady izay tiany izy, nefa ao amin'ny Tompo ihany.
丈夫活著的时候,妻子是被约束的;丈夫若死了,妻子就可以自由,随意再嫁,只是要嫁这在主里面的人。
Nefa raha araka ny hevitro, sambatra kokoa izy raha mitoetra toy izao ihany; ary ataoko fa izaho koa manana ny Fanahin'Andriamanitra.
然而按我的意见,若常守节更有福气。我也想自己是被 神的灵感动了。