I Corinthians 3

Ary izaho, ry rahalahy, tsy nahazo niteny taminareo tahaka ny amin'izay araka ny Fanahy, fa tahaka ny amin'izay mbola nofo, dia tahaka izay mbola zaza ihany ao amin'i Kristy.
弟兄们,我从前对你们说话,不能把你们当作属灵的,只得把你们当作属肉体,在基督里为婴孩的。
Ronono no nomeko anareo, fa tsy ventin-kanina, satria tsy mbola natanjaka ianareo; eny, mbola tsy matanjaka mandraka ankehitriny aza,
我是用奶餵你们,没有用饭餵你们。那时你们不能吃,就是如今还是不能。
fa mbola araka ny nofo ihany ianareo. Fa raha misy fialonana sy fifandirana eo aminareo, tsy araka ny nofo va ianareo ka mandeha araka ny fanaon'ny olona?
你们仍是属肉体的,因为在你们中间有嫉妒、纷争,这岂不是属乎肉体、照著世人的样子行吗?
Fa raha hoy ny anankiray: Izaho an'i Paoly, ary ny anankiray kosa: Izaho an'i Apolosy, moa tsy olona ihany va ianareo?
有说:我是属保罗的;有说:我是属亚波罗的。这岂不是你们和世人一样吗?
Koa inona moa Apolosy, ary inona moa Paoly? Mpanompo ihany izay nahatonga anareo ho mpino ireo, dia samy araka ny nomen'ny Tompo azy avy.
亚波罗算什么?保罗算什么?无非是执事,照主所赐给他们各人的,引导你们相信。
Izaho namboly, Apolosy nandena, fa Andriamanitra no nampitombo.
我栽种了,亚波罗浇灌了,惟有 神叫他生长。
Ka dia tsinontsinona izay mamboly, na izay mandena, fa Andriamanitra Izay mampitombo no izy.
可见栽种的,算不得什么,浇灌的,也算不得什么;只在那叫他生长的 神。
Ary iray ihany ny mpamboly sy ny mpandena; nefa samy handray izay valim-pitiany avy araka ny fisasarany izy.
栽种的和浇灌的,都是一样,但将来各人要照自己的工夫得自己的赏赐。
Fa mpiara-miasa amin'Andriamanitra izahay; ary sahan'Andriamanitra sy trano arafitr'Andriamanitra ianareo.
因为我们是与 神同工的;你们是 神所耕种的田地,所建造的房屋。
Araka ny fahasoavan'Andriamanitra nomena ahy, tahaka ny fanaon'ny mpità-marika mahay no nanaovako ny fanorenana, ary ny hafa mandrafitra eo amboniny; nefa aoka ny olona rehetra hitandrina izay arafiny eo amboniny.
我照 神所给我的恩,好像一个聪明的工头,立好了根基,有别人在上面建造;只是各人要谨慎怎样在上面建造。
Fa tsy misy mahay manao fanorenana hafa afa-tsy izay natao, dia Jesosy Kristy.
因为那已经立好的根基就是耶稣基督,此外没有人能立别的根基。
Ary raha misy mandrafitra volamena, na volafotsy, na vato tsara, na hazo, na bozaka, na mololo, eo ambonin'ny fanorenana,
若有人用金、银、宝石、草木、禾秸在这根基上建造,
dia haseho avokoa ny asan'ny olona rehetra; fa ny andro no hampiseho azy, satria haseho amin'afo izany andro izany, ka dia hozahan-toetra, amin'ny afo ny asan'ny olona rehetra.
各人的工程必然显露,因为那日子要将它表明出来,有火发现;这火要试验各人的工程怎样。
Raha maharitra ny asan'ny olona, izay narafiny teo amboniny, dia handray valim-pitia izy.
人在那根基上所建造的工程若存得住,他就要得赏赐。
Raha ho levon'ny afo ny asan'ny olona, dia ho fatiantoka izy; fa ny tenany kosa dia hovonjena, nefa toy ny avy ao amin'ny afo ihany izy.
人的工程若被烧了,他就要受亏损,自己却要得救;虽然得救,乃像从火里经过的一样。
Tsy fantatrareo va fa tempolin'Andriamanitra ianareo, ary ny Fanahin'Andriamanitra mitoetra no anatinareo?
岂不知你们是 神的殿, 神的灵住在你们里头吗?
Raha misy manimba ny tempolin'Andriamanitra, dia mba hosimban'Andriamanitra kosa izy; fa masina ny tempolin'Andriamanitra, dia ianareo izany.
若有人毁坏 神的殿, 神必要毁坏那人;因为 神的殿是圣的,这殿就是你们。
Aza misy mamita-tena. Raha misy eo aminareo manao azy ho hendry amin'izao tontolo izao, aoka ho adala izy mba ho hendry.
人不可自欺。你们中间若有人在这世界自以为有智慧,倒不如变作愚拙,好成为有智慧的。
Fa ny fahendren'izao tontolo izao dia fahadalana eo anatrehan'Andriamanitra; fa voasoratra hoe: Ny hafetsen'ny hendry ihany no entiny misambotra azy (Joba 5. 13).
因这世界的智慧,在 神看是愚拙。如经上记著说:主叫有智慧的,中了自己的诡计;
Ary indray: Jehovah no mahalala ny hevitry ny hendry fa zava-poana izany (Sal. 94. 11)
又说:主知道智慧人的意念是虚妄的。
Ka dia aza misy manao olona ho reharehany; fa anareo ny zavatra rehetra:
所以无论谁,都不可拿人夸口,因为万有全是你们的。
na Paoly, na Apolosy, na Kefasy, na izao tontolo izao, na fiainana, na fahafatesana, na ny zavatra ankehitriny, na ny zavatra ho avy; dia anareo izany rehetra izany;
或保罗,或亚波罗,或矶法,或世界,或生,或死,或现今的事,或将来的事,全是你们的;
ary ianareo an'i Kristy ary Kristy an'Andriamanitra.
并且你们是属基督的,基督又是属 神的。