I Corinthians 13

Na dia miteny amin'ny fitenin'ny olona sy ny anjely aza aho, kanefa tsy manana fitiavana, dia tonga varahina maneno sy kipantsona mikarantsana aho.
我若能说万人的方言,并天使的话语,却没有爱,我就成了鸣的锣,响的钹一般。
Ary na dia manana faminaniana aza aho ka mahalala ny zava-miafina rehetra sady manana ny fahalalana rehetra, ary na dia manana ny finoana rehetra aza aho ka mahafindra tendrombohitra, kanefa tsy manana fitiavana, dia tsinontsinona aho.
我若有先知讲道之能,也明白各样的奥祕,各样的知识,而且有全备的信,叫我能够移山,却没有爱,我就算不得什么。
Ary na dia omeko hohanin'ny malahelo aza ny fananako rehetra, ary na dia atolotro hodorana aza ny tenako, kanefa tsy manana fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany.
我若将所有的赒济穷人,又舍己身叫人焚烧,却没有爱,仍然与我无益。
Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo,
爱是恒久忍耐,又有恩慈;爱是不嫉妒;爱是不自夸,不张狂,
tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra, tsy manao otri-po,
不做害羞的事,不求自己的益处,不轻易发怒,不计算人的恶,
tsy mifaly amin'ny tsi-fahamarinana, fa miara-mifaly amin'ny fahamarinana kosa,
不喜欢不义,只喜欢真理;
mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra.
凡事包容,凡事相信,凡事盼望,凡事忍耐。
Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay; fa raha ny faminaniana, dia ho levona; na ny fiteny tsy fantatra, dia hitsahatra; na ny fahalalana, dia ho foana.
爱是永不止息。先知讲道之能终必归于无有;说方言之能终必停止;知识也终必归于无有。
Fa sombintsombiny ny fahalalantsika, ary sombintsombiny ny faminaniantsika;
我们现在所知道的有限,先知所讲的也有限,
fa rehefa tonga ny tanteraka, dia tsy hisy sombintsombiny intsony.
等那完全的来到,这有限的必归于无有了。
Fony mbola zaza aho, dia niteny toy ny zaza, nihevitra toy ny zaza, nisaina toy ny zaza; fa nony efa lehibe aho, dia nariako ny fahazazana.
我作孩子的时候,话语像孩子,心思像孩子,意念像孩子,既成了人,就把孩子的事丢弃了。
Fa ankehitriny isika mizaha ao amin'ny fitaratra ka tsy mahita marina; fa rahatrizay dia mifanatrika; ankehitriny sombintsombiny no fantatro; fa rahatrizay dia ho fantatro tsara toy izay nahafantarana ahy.
我们如今彷彿对著镜子观看,糢糊不清(原文作:如同猜谜);到那时就要面对面了。我如今所知道的有限,到那时就全知道,如同主知道我一样。
Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana: fa ny fitiavana no lehibe amin'ireo.
如今常存的有信,有望,有爱这三样,其中最大的是爱。