I Corinthians 11

Aoka hanahaka ahy ianareo, dia tahaka ny anahafako an'i Kristy.
你们该效法我,像我效法基督一样。
Ary midera anareo aho, satria mahatsiaro ahy amin'ny zavatra rehetra ianareo sady mitana tsara ny fampianarana natolotra, araka ny nanolorako azy taminareo.
我称讚你们,因你们凡事记念我,又坚守我所传给你们的。
Ary tiako ho fantatrareo fa Kristy no lohan'ny lehilahy rehetra; ary ny lehilahy kosa no lohan'ny vehivavy; ary Andriamanitra no lohan'i Kristy.
我愿意你们知道,基督是各人的头;男人是女人的头; 神是基督的头。
Ny lehilahy rehetra, raha mivavaka na maminany ka misaron-doha, dia mahafa-boninahitra ny lohany.
凡男人祷告或是讲道(或作:说预言;下同),若蒙著头,就羞辱自己的头。
Fa ny vehivavy rehetra kosa, raha mivavaka na maminany ka tsy misaron-doha, dia mahafa-boninahitra ny lohany, satria toy ny voaharatra izy.
凡女人祷告或是讲道,若不蒙著头,就羞辱自己的头,因为这就如同剃了头发一样。
Fa raha tsy misaron-doha ny vehivavy, dia aoka hohetezana izy; fa raha mahamenatra ny vehivavy ny hohetezana na ny hoharatana, dia aoka hisaron-doha izy.
女人若不蒙著头,就该剪了头发;女人若以剪发、剃发为羞愧,就该蒙著头。
Ny lehilahy dia tokony tsy hisaron-doha, satria endrika sy voninahitr'Andriamanitra izy; fa ny vehivavy kosa no voninahitry ny lehilahy.
男人本不该蒙著头,因为他是 神的形像和荣耀;但女人是男人的荣耀。
Fa tsy ny vehivavy no nihavian'ny lehilahy; fa ny lehilahy no nihavian'ny vehivavy.
起初,男人不是由女人而出,女人乃是由男人而出。
Fa tsy ny lehilahy no natao ho an'ny vehivavy, fa ny vehivavy no ho an'ny lehilahy.
并且男人不是为女人造的;女人乃是为男人造的。
Izany no mahamety ny vehivavy hisaron-doha noho ny amin'ny anjely.
因此,女人为天使的缘故,应当在头上有服权柄的记号。
Kanefa ao amin'ny Tompo tsy misy vehivavy raha tsy misy lehilahy, ary tsy misy lehilahy raha tsy misy vehivavy.
然而照主的安排,女也不是无男,男也不是无女。
Fa toy ny nihavian'ny vehivavy avy tamin'ny lehilahy, dia toy izany koa no nihavian'ny lehilahy avy tamin'ny vehivavy; fa Andriamanitra kosa no ihavian'ny zavatra rehetra.
因为女人原是由男人而出,男人也是由女人而出;但万有都是出乎 神。
Hevero ao am-ponareo: Mendrika va raha mivavaka amin'Andriamanitra ka tsy misaron-doha ny vehivavy?
你们自己审察,女人祷告 神,不蒙著头是合宜的吗?
Tsy mampianatra anareo va izao fomban'ny zavatra rehetra izao fa raha lava volo ny lehilahy, dia mahafa-boninahitra azy izany?
你们的本性不也指示你们,男人若有长头发,便是他的羞辱吗?
Fa raha lava volo kosa ny vehivavy, dia voninahitra ho azy izany fa ny volo no nomena azy ho fisaronana.
但女人有长头发,乃是她的荣耀,因为这头发是给她作盖头的。
Fa raha misy olona toa tia ady, dia tsy manana izany fanao izany isika, na ny fiangonan'Andriamanitra.
若有人想要辩驳,我们却没有这样的规矩, 神的众教会也是没有的。
Ary raha manao izao didy izao aho, dia tsy midera anareo tsy akory, satria tsy miangona hihatsara ianareo, fa hiharatsy.
我现今吩咐你们的话,不是称讚你们;因为你们聚会不是受益,乃是招损。
Fa voalohany indrindra, raha miangona ao am-piangonana ianareo, dia reko fa misy fisarahana eo aminareo; ary mba misy inoako ihany izany.
第一,我听说,你们聚会的时候彼此分门别类,我也稍微的信这话。
Fa tsy maintsy misy fitokoana eo aminareo, mba haseho eo aminareo izay olona ankasitrahana.
在你们中间不免有分门结党的事,好叫那些有经验的人显明出来。
Koa raha miangona ianareo, dia tsy misy hihinanana ny Fanasan'ny Tompo akory.
你们聚会的时候,算不得吃主的晚餐;
Fa raha mihinana ianareo, dia samy homana ny sakafony avy aloha ianareo; koa ny anankiray dia noana, fa ny anankiray kosa mamo.
因为吃的时候,各人先吃自己的饭,甚至这个饥饿,那个酒醉。
Moa tsy manan-trano hihinanana sy hisotroana va ianareo? Sa manao tsinontsinona ny fiangonan'Andriamanitra ka manome henatra ny tsy manana? Inona no holazaiko aminareo? Hidera anareo va aho? Tsy hidera anareo amin'izany aho.
你们要吃喝,难道没有家么?还是藐视 神的教会,叫那没有的羞愧呢?我向你们可怎么说呢?可因此称讚你们么?我不称讚!
Fa izaho efa nandray tamin'ny Tompo izay natolotro anareo kosa, fa Jesosy Tompo tamin'iny alina iny izay namadihana Azy, dia nandray mofo,
我当日传给你们的,原是从主领受的,就是主耶稣被卖的那一夜,拿起饼来,
ary rehefa nisaotra Izy, dia novakiny, ka hoy Izy: Ity no tenako ho anareo; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy.
祝谢了,就擘开,说:这是我的身体,为你们舍(有古卷:擘开)的,你们应当如此行,为的是记念我。
Dia araka izany koa ny kapoaka, rehefa nihinana, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no ilay fanekena vaovao amin'ny rako; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy, na oviana na oviana no misotro ianareo.
饭后,也照样拿起杯来,说:这杯是用我的血所立的新约,你们每逢喝的时候,要如此行,为的是记念我。
Fa na oviana na oviana ianareo no mihinana itony mofo itony sy misotro amin'ny kapoaka, dia manambara ny fahafatesan'ny Tompo ianareo mandra-pihaviny.
你们每逢吃这饼,喝这杯,是表明主的死,直等到他来。
Koa na zovy an zovy no mihinana ny mofo sy misotro amin'ny kapoaky ny Tompo amin'ny fanahy tsy mendrika, dia ho meloka ny amin'ny tena sy ny ran'ny Tompo izy.
所以,无论何人,不按理吃主的饼,喝主的杯,就是干犯主的身、主的血了。
Fa aoka ny olona hamantatra ny tenany, dia aoka izy hihinana ny mofo sy hisotro amin'ny kapoaka.
人应当自己省察,然后吃这饼、喝这杯。
Fa izay rehetra mihinana sy misotro dia mihinana sy misotro fanamelohana ho an'ny tenany, raha tsy mamantatra ny tena izy.
因为人吃喝,若不分辨是主的身体,就是吃喝自己的罪了。
Noho izany dia betsaka no marary sy marofy eo aminareo, ary maro ihany no efa nodi-mandry.
因此,在你们中间有好些软弱的与患病的,死(原文是睡)的也不少。
Fa raha mba mamantatra ny tenantsika isika, dia tsy mba hotsaraina.
我们若是先分辨自己,就不至于受审。
Fa raha tsaraina isika, dia faizan'ny Tompo mba tsy hohelohina miaraka amin'izao tontolo izao.
我们受审的时候,乃是被主惩治,免得我们和世人一同定罪。
Koa raha miangona hihinana ianareo, ry rahalahy, dia mifampiandrasa.
所以我弟兄们,你们聚会吃的时候,要彼此等待。
Ary raha misy olona noana, aoka izy hihinana no an-tranony, mba tsy hiangonanareo ho fahamelohana. Ary ny zavatra sisa dia halahatro, rehefa tonga aho.
若有人饥饿,可以在家里先吃,免得你们聚会,自己取罪。其余的事,我来的时候再安排。