I Chronicles 9

Dia nisaina araka ny firazanany avy ny Isiraely rehetra; ary, indro, efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'ny Isiraely izany. Ary ny Joda dia nentina ho babo tany Babylona noho ny fahotany.
以色列人都按家谱计算,写在以色列诸王记上。犹大人因犯罪就被掳到巴比伦。
Ary ny mponina taloha tamin'ny taniny sy ny tanànany avy dia ny Isiraely sy ny mpisorona sy ny Levita ary ny Netinima.
先从巴比伦回来,住在自己地业城邑中的有以色列人、祭司、利未人、尼提宁的首领。
Ary tany Jerosalema no nonenan'ny sasany amin'ny taranak'i Joda sy Benjamina sy Efraima sy Manase:
住在耶路撒冷的有犹大人、便雅悯人、以法莲人、玛拿西人。
dia Otahy, zanak'i Amihoda, zanak'i Omry, zanak'Imry, zanak'i Bany, avy amin'ny taranak'i Fareza, zanak'i Joda.
犹大儿子法勒斯的子孙中有乌太。乌太是亚米忽的儿子;亚米忽是暗利的儿子;暗利是音利的儿子;音利是巴尼的儿子。
Ary tamin'ny Silonita dia Asay, lahimatoa, sy ny zanany.
示罗的子孙中有长子亚帅雅和他的众子。
Ary tamin'ny taranak'i Zera dia Jeoela sy ny rahalahiny, dia sivi-folo amby enin-jato.
谢拉的子孙中有耶乌利和他的弟兄,共六百九十人。
Ary tamin'ny taranak'i Benjamina dia Salo, zanak'i Mesolama, zanak'i Hodavia, zanak'i Hasenoa,
便雅悯人中有哈西努的曾孙、何达威雅的孙子、米书兰的儿子撒路,
sy Jibnia, zanak'i Jerohama, sy Elaha, zanak'i Ozy, zanak'i Mikry, sy Mesolama, zanak'i Sefatia, zanak'i Regoela, zanak'i Jibnia;
又有耶罗罕的儿子伊比尼雅,米基立的孙子、乌西的儿子以拉,伊比尼雅的曾孙、流珥的孙子、示法提雅的儿子米书兰,
ary ny isan'ny rahalahiny araka ny firazanany dia enina amby dimam-polo sy sivin-jato. Ireo lehilahy rehetra ireo dia samy lohan'ny fianakaviany avy.
和他们的族弟兄,按著家谱计算共有九百五十六名。这些人都是他们的族长。
Ary tamin'ny mpisorona dia Jedaia sy Joiariba sy Jatina
祭司中有耶大雅、耶何雅立、雅斤,
sy Azaria, zanak'i Hilkia, zanak'i Mesolama, zanak'i Zadoka, zanak'i Meraiota, zanak'i Ahitoba, mpanapaka ny tranon'Andriamanitra,
还有管理 神殿希勒家的儿子亚萨利雅。希勒家是米书兰的儿子;米书兰是撒督的儿子;撒督是米拉约的儿子;米拉约是亚希突的儿子。
ary Adaia, zanak'i Jerohama, zanak'i Pasora, zanak'i Malkia, ary Masay, zanak'i Adiela, zanak'i Jazera, zanak'i Mesolama, zanak'i Mesilemita, zanak'Imera.
有玛基雅的曾孙、巴施户珥的孙子、耶罗罕的儿子亚大雅,又有亚第业的儿子玛赛;亚第业是雅希细拉的儿子;雅希细拉是米书兰的儿子;米书兰是米实利密的儿子;米实利密是音麦的儿子。
Ary ny rahalahin'ireo, izay samy lohan'ny fianakaviany avy, dia enim-polo amby fiton-jato amby arivo; lehilahy mahery amin'ny fanaovana ny fanompoana ao an-tranon'Andriamanitra ireo.
他们和众弟兄都是族长,共有一千七百六十人,是善于做 神殿使用之工的。
Ary tamin'ny Levita dia Semaia, zanak'i Hasoba, zanak'i Azrikama, zanak'i Hasabia, tamin'ny taranak'i Merary,
利未人米拉利的子孙中,有哈沙比雅的曾孙、押利甘的孙子、哈述的儿子示玛雅。
ary Bakbakara sy Haresy sy Galala sy Matania, zanak'i Mika, zanak'i Zikry, zanak'i Asafa,
有拔巴甲、黑勒施、迦拉,并亚萨的曾孙、细基利的孙子、米迦的儿子玛探雅,
ary Obadia, zanak'i Semaia, zanak'i Galala, zanak'i Jedotona, ary Berekia, zanak'i Asa, zanak'i Elkana, izay nonina tamin'ny vohitry ny Netotatita.
又有耶杜顿的曾孙、迦拉的孙子、示玛雅的儿子俄巴底,还有以利加拿的孙子、亚撒的儿子比利家。他们都住在尼陀法人的村庄。
Ary ny mpiandry varavarana dia Saloma sy Akoba sy Talmona sy Ahimana ary ny rahalahiny; fa Saloma no lohany;
守门的是沙龙、亚谷、达们、亚希幔,和他们的弟兄;沙龙为长。
ambaraka ankehitriny dia ao amin'ny vavahadin'ny mpanjaka atsinanana izy; ireo no mpiandry varavarana tamin'ny tobin'ny taranak'i Levy.
从前这些人看守朝东的王门,如今是利未营中守门的。
Ary Saloma, zanak'i Kore, zanak'i Abiasafa, zanak'i Kora, sy ny Koraita rahalahiny araka ny fianakaviany avy no mpanao ny fanompoana amin'ny fiandrasana ny varavaran'ny lay; ary ny razany koa dia mpiambina ny vavahady tao amin'ny tobin'i Jehovah.
可拉的曾孙、以比雅撒的孙子、可利的儿子沙龙,和他的族弟兄可拉人都管理使用之工,并守会幕的门。他们的祖宗曾管理耶和华的营盘,又把守营门。
Ary Finehasa, zanak'i Eleazara, no mpanapaka ireo taloha, ary Jehovah nomba azy.
从前以利亚撒的儿子非尼哈管理他们,耶和华也与他同在。
Ary Zakaria, zanak'i Meselemia, no mpiandry ny varavaran'ny trano-lay fihaonana.
米施利米雅的儿子撒迦利雅是看守会幕之门的。
Ary ny isan'ireo voafidy ho mpiandry varavarana ireo dia roa ambin'ny folo amby roan-jato. Ireo dia voasoratra araka ny firazanany tany amin'ny vohiny avy; ary notendren'i Davida sy Samoela mpahita izy noho ny fahamarinany.
被选守门的人共有二百一十二名。他们在自己的村庄,按著家谱计算,是大卫和先见撒母耳所派当这紧要职任的。
Ka dia ireo sy ny taranany no niandry varavarana tao amin'ny tranon'i Jehovah, dia ny trano-lay.
他们和他们的子孙按著班次看守耶和华殿的门,就是会幕的门。
Teo amin'ny lafiny efatra no nitoeran'ny mpiandry varavarana, dia teo atsinanana sy andrefana sy avaratra ary atsimo.
在东西南北,四方都有守门的。
Ary ny rahalahiny izay nonina teo amin'ny vohiny dia nasaina ho avy isan-kafitoana ho eo aminy.
他们的族弟兄住在村庄,每七日来与他们换班。
Fa nanao tamin'ny fahamarinany ireo Levita efa-dahy, lohan'ny mpiandry varavarana, ireo, ary tonian'ny efi-trano fitehirizana sy ny rakitry ny tranon'Andriamanitra koa izy ireo.
这四个门领都是利未人,各有紧要的职任,看守 神殿的仓库。
Ary manodidina ny tranon'Andriamanitra no nandriany; fa izy ireo no mpiambina azy sady adidiny ny famohana ny trano isa-maraina.
他们住在 神殿的四围,是因委托他们守殿,要每日早晨开门。
Ary ny sasany aminy nitandrina ny fanaka momba ny fanompoana; fa an-isany no nitondrany azy miditra sy mivoaka.
利未人中有管理使用器皿的,按著数目拿出拿入;
Ary ny sasany aminy koa notendrena hitandrina ny fanaka, dia ny fanaka masina rehetra, sy ny koba tsara toto sy ny divay sy ny diloilo sy ny ditin-kazo manitra ary ny zava-manitra.
又有人管理器具和圣所的器皿,并细面、酒、油、乳香、香料。
Ary ny sasany tamin'ny zanaky ny mpisorona nangaroharo ny zava-manitra fanosorana.
祭司中有人用香料做膏油。
Ary Matatia, anankiray tamin'ny Levita, lahimatoan'i Saloma Koraita, no tonian'ny zavatra izay natao tamin'ny fanendasana.
利未人玛他提雅是可拉族沙龙的长子,他紧要的职任是管理盘中烤的物。
Ary ny sasany tamin'ny rahalahiny, tamin'ny taranaky ny Kehatita, no tonian'ny mofo aseho hamboatra azy isan-tSabata.
他们族弟兄哥辖子孙中,有管理陈设饼的,每安息日预备摆列。
Ary ireo ihany koa no mpihira, lohan'ny fianakaviana amin'ny Levita, izay mitoetra tsy manan-draharaha hafa ao amin'ireo efi-trano; fa tsy maintsy ho amin'izany raharaha izany andro aman'alina izy.
歌唱的有利未人的族长,住在属殿的房屋,昼夜供职,不做别样的工。
Ireo dia lohan'ny fianakaviana tamin'ny Levita araka ny firazanany avy, dia samy loholona. Ireo no nonina tany Jerosalema.
以上都是利未人著名的族长,住在耶路撒冷。
Ary tao Gibeona no nonenan'i Jeiela, razamben'ny an'i Gibeona, ary ny anaran'ny vadiny dia Imaka;
在基遍住的有基遍的父亲耶利。他的妻名叫玛迦;
ary ny zanany lahimatoa dia Abdona, dia Zora, dia Kisy, dia Bala, dia Nera, dia Nadaba,
他长子是亚伯顿。他又生苏珥、基士、巴力、尼珥、拿答、
dia Gedora, dia Ahio, dia Zakaria, dia Miklota.
基多、亚希约、撒迦利雅、米基罗。
Ary Miklota niteraka an'i Simeama. Ary ireo koa niara-nonina tamin'ny rahalahiny tany Jerosalema nifanandrify fonenana taminy.
米基罗生示米暗。这些人和他们的弟兄在耶路撒冷对面居住。
Ary Nera niteraka an'i Kisy; ary Kisy niteraka an'i Saoly; ary Saoly niteraka an'i Jonatana sy Malkisoa sy Abinadaba ary Esbala.
尼珥生基士;基士生扫罗;扫罗生约拿单、麦基舒亚、亚比拿达、伊施巴力。
Ary ny zanakalahin'i Jonatana dia Meribala, ary Meribala niteraka an'i Mika.
约拿单的儿子是米力巴力【即米非波设】;米力巴力生米迦。
Ary ny zanakalahin'i Mika dia Pitona sy Maleka sy Tarea ary Ahaza.
米迦的儿子是毗敦、米勒、他利亚、亚哈斯。
Ary Ahaza niteraka an'i Jara; ary Jara niteraka an'i Alemeta sy Azmaveta ary Zimry; ary Zimry niteraka an'i Moza;
亚哈斯生雅拉;雅拉生亚拉篾、亚斯玛威、心利;心利生摩撒;
ary Moza niteraka an'i Binea; ary Refaia no zanakalahin'i Binea, Elasa no zanakalahin'i Refaia, Azela no zanakalahin'i Elasa.
摩撒生比尼亚;比尼亚生利法雅;利法雅的儿子是以利亚萨;以利亚萨的儿子是亚悉。
Ary Azela nanana zanaka enina mirahalahy ka izao no anarany avy: Azrikama sy Bokero sy Isimaela sy Searia sy Obadia ary Hanana; ireo no zanakalahin'i Azela.
亚悉有六个儿子,他们的名字是亚斯利干、波基路、以实玛利、示亚利雅、俄巴底雅、哈难。这都是亚悉的儿子。