I Chronicles 28

Ary novorin'i Davida tany Jerosalema ny lehibe rehetra tamin'ny Isiraely, dia ny lohan'ny firenena sy ny komandin'ny antokony Izay nanompo ny andriamanjaka, ary ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato sy ny mpitandrina ny harena mbanin'ny fananana rehetra an'ny mpanjaka sy ny zanany mbamin'ny tandapa sy ny lehilahy mahery, dia ny lehibe rehetra.
大卫招聚以色列各支派的首领和轮班服事王的军长,与千夫长、百夫长,掌管王和王子产业牲畜的,并太监,以及大能的勇士,都到耶路撒冷来。
Ary Davida mpanjaka nitsangana ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry rahalahiko sy ry vahoakako! Raha izaho, dia efa mby tato am-poko ny hanao trano fitsaharana ho an'ny fiaran'ny faneken'i Jehovah sy ho an'ny fitoeran-tongotr'Andriamanitsika, ary efa novononiko izay ho enti-manao azy;
大卫王就站起来,说:「我的弟兄,我的百姓啊,你们当听我言,我心里本想建造殿宇,安放耶和华的约柜,作为我 神的脚凳;我已经预备建造的材料。
nefa hoy Andriamanitra tamiko: Tsy hanao trano ho an'ny anarako ianao, satria lehilahy mpiady sy mpandatsa-drà.
只是 神对我说:『你不可为我的名建造殿宇;因你是战士,流了人的血。』
Nefa kosa Jehovah, Andriamanitra ny Isiraely efa nifidy ahy tamin'ny ankohonan'ny raiko rehetra ho mpanjakan'ny Isiraely mandrakizay; fa Joda no nofidiny ho mpanjaka, ary tamin'ny taranak'i Joda indray dia ny ankohonan'ny raiko no nofidiny; ary tamin'ny ankohonan'ny raiko dia izaho kosa no nankasitrahany ka nataony mpanjaka amin'ny Isiraely rehetra.
然而,耶和华─以色列的 神在我父的全家拣选我作以色列的王,直到永远。因他拣选犹大为首领;在犹大支派中拣选我父家,在我父的众子里喜悦我,立我作以色列众人的王。
Ary tamin'ny zanako rehetra (fa zanaka maro no nomen'i Jehovah ahy) dia Solomona zanako no nofidiny hipetraka amin'ny seza fiandrianan'ny fanjakan'i Jehovah hanjaka amin'ny Isiraely.
耶和华赐我许多儿子,在我儿子中拣选所罗门坐耶和华的国位,治理以色列人。
Ary hoy Izy tamiko: Solomona zanakao no hanao ny tranoko sy ny kianjako, fa efa nifidy azy ho zanako Aho, ary Izaho ho rainy.
耶和华对我说:『你儿子所罗门必建造我的殿和院宇;因为我拣选他作我的子,我也必作他的父。
Ary hampitoetra ny fanjakany ho mandrakizay Aho, raha maharitra mitandrina ny didiko sy ny fitsipiko mandra-kariva izy tahaka ny amin'izao anio izao.
他若恒久遵行我的诫命典章如今日一样,我就必坚定他的国位,直到永远。』
Ary ankehitriny, eto anatrehan'ny Isiraely rehetra, fiangonan'i Jehovah, sy eto anatrehan'Andriamanitsika, tandremo sy diniho ny didin'i Jehovah Andriamanitrareo rehetra, mba hahatananareo ity tany soa ity, sady havelanareo ho lovan'ny zanakareo mandimby anareo, mandrakizay izy.
现今在耶和华的会中,以色列众人眼前所说的,我们的 神也听见了。你们应当寻求耶和华─你们 神的一切诫命,谨守遵行,如此你们可以承受这美地,遗留给你们的子孙,永远为业。
Ary ianao, ry Solomona zanako, aoka ho fantatrao Andriamanitry ny rainao, ka manompoa Azy amin'ny fo rehetra sy ny fanahy mazoto; fa Jehovah, dia mpandinika ny fo rehetra, ary ny fieritreretana rehetra dia fantany avokoa. Raha mitady Azy ianao, dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy kosa ianao, dia hariany mandrakizay.
「我儿所罗门哪,你当认识耶和华─你父的 神,诚心乐意地事奉他;因为他鉴察众人的心,知道一切心思意念。你若寻求他,他必使你寻见;你若离弃他,他必永远丢弃你。
Koa mitandrema; fa Jehovah efa nifidy anao hanao trano ho fitoerana masina; dia mahereza ka mahefà.
你当谨慎,因耶和华拣选你建造殿宇作为圣所。你当刚强去行。」
Ary Davida nanome an'i Solomona zanany ny sarin'ny lavarangana fidirana sy ny tranony sy ny trano firaketany sy ny efi-trano ambony sy ny efi-trano anatiny ary ny trano misy ny rakotra fanaovam-panavotana,
大卫将殿的游廊、旁屋、府库、楼房、内殿,和施恩所的样式指示他儿子所罗门,
ary ny sarin'izay rehetra efa niseho tamin'ny fanahiny; dia ny amin'ny kianjan'ny tranon'i Jehovah sy ny efi-trano rehetra manodidina azy ho an'ny rakitry ny tranon'i Jehovah sy ny zavatra nohamasinina ho rakitra,
又将被灵感动所得的样式,就是耶和华 神殿的院子、周围的房屋、殿的府库,和圣物府库的一切样式都指示他;
sy ho an'ny antokon'ny mpisorona sy ny Levita koa, ary ho an'ny fanompoana rehetra ao an-tranon'i Jehovah sy ho an'ny fanaka rehetra ho enti-manompo ao an-tranon'i Jehovah,
又指示他祭司和利未人的班次与耶和华殿里各样的工作,并耶和华殿里一切器皿的样式,
ary ny lanjan'ny volamena hanaovana ny fanaka volamena samy hafa rehetra, ary ny lanjan'ny volafotsy koa hanaovana ny fanaka volafotsy samy hafa rehetra,
以及各样应用金器的分两和各样应用银器的分两,
ary ny lanjan'ny volamena hanaovana ny fanaovan-jiro volamena sy ny lela fanaovan-jirony araka ny lanjany avy, ary ny lanjan'ny volafotsy hanaovana ny fanaovan-jiro volafotsy sy ny lela fanaovan-jirony araka ny fombany avy,
金灯台和金灯的分两,银灯台和银灯的分两,轻重各都合宜;
ary ny lanjan'ny volamena hanaovana ireo latabatra hametrahana ny mofo aseho, ary ny amin'ny volafotsy ho amin'ny latabatra volafotsy,
陈设饼金桌子的分两,银桌子的分两,
ary ny amin'ny fitrebika sy ny lovia famafazana ary ny fitoeran-divay, izay samy volamena tsara, ary ny amin'ny kapoaka misarona, na ny volamena, na ny volafotsy, araka ny lanjany avy,
精金的肉叉子、盘子,和爵的分两,各金碗与各银碗的分两,
ary ny lanjan'ny volamena voadio hanaovana ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra; ary nomeny koa ny sarin'ny kalesy, dia ny kerobima volamena, izay manana elatra mivelatra ka manaloka ny fiaran'ny faneken'i Jehovah.
精金香坛的分两,并用金子做基路伯【原文作用金子做车式的基路伯】;基路伯张开翅膀,遮掩耶和华的约柜。
Izany asa rehetra araka ny sary izany, hoy Davida, no nampahafantarin'i Jehovah ahy tamin'ny soratra avy tamin'ny tànany, izay atỳ amiko.
大卫说:「这一切工作的样式都是耶和华用手划出来使我明白的。」
Ary hoy koa Davida tamin'i Solomona zanany: Mahereza sy matanjaha ka mahefà; aza matahotra na mivadi-po; fa Jehovah Andriamanitra, dia Andriamanitro, no momba anao; tsy handao na hahafoy anao Izy ambara-pahavitanao ny asa rehetra hanaovana ny tranon'i Jehovah.
大卫又对他儿子所罗门说:「你当刚强壮胆去行!不要惧怕,也不要惊惶。因为耶和华 神就是我的 神,与你同在;他必不撇下你,也不丢弃你,直到耶和华殿的工作都完毕了。
Ary indreo ny antokon'ny mpisorona sy ny Levita hanao ny fanompoana rehetra ao an-tranon'Andriamanitra; ary ao aminao hanampy amin'ny asa samy hafa rehetra ny olon-kendry izay manolo-tena mba hahavita ny fanompoana rehetra sy ny mpifehy ary ny vahoaka rehetra hankatò ny didinao.
有祭司和利未人的各班,为要办理 神殿各样的事,又有灵巧的人在各样的工作上乐意帮助你;并有众首领和众民一心听从你的命令。」