I Chronicles 20

Ary rehefa niherina ny taona, ka mby amin'ny andro fandehanan'ny mpanjaka hiady, dia nitondra ny miaramila rehetra Joaba ka nandrava ny tanin'ny taranak'i Amona, dia tonga izy ka nanao fahirano an'i Raba; fa Davida kosa nijanona tany Jerosalema ihany. Ary Joaba nahafaka an'i Raba, ka dia nandrava azy.
过了一年,到列王出战的时候,约押率领军兵毁坏亚扪人的地,围攻拉巴;大卫仍住在耶路撒冷。约押攻打拉巴,将城倾覆。
Dia nesorin'i Davida ny satro-boninahitr'ilay mpanjaka teo an-dohany, ka hitany fa talenta volamena iray no lanjany, sady nisy vato soa, ary dia nisatrohan'i Davida. Ary navoakany ny babo azo tao an-tanàna ka be dia be.
大卫夺了亚扪人之王【王或作玛勒堪。玛勒堪即米勒公,是亚扪族之神名】所戴的金冠冕,其上的金子重一他连得,又嵌著宝石;人将这冠冕戴在大卫头上。大卫从城里夺了许多财物,
Ary dia navoakany koa ny olona izay tao, ka nasiany tamin'ny tsofa sy tamin'ny fangao-by lehibe sy ny famaky; toy izany no nataon'i Davida tamin'ny tanànan'ny taranak'i Amona rehetra. Ary Davida sy ny vahoaka rehetra dia niverina nankany Jerosalema.
将城里的人拉出来,放在锯下,或铁耙下,或铁斧下【或作强他们用锯,或用打粮食的铁器,或用铁斧作工】,大卫待亚扪各城的居民都是如此。其后大卫和众军都回耶路撒冷去了。
Ary nony afaka izany, dia nisy ady tamin'ny Filistina tao Gazera; tamin'izany no namonoan'i Sibekay Hosatita an'i Sipay, izay isan'ny taranaky ny Refaita, ka dia naetriny ny Filistina.
后来,以色列人在基色与非利士人打仗。户沙人西比该杀了伟人的一个儿子细派,非利士人就被制伏了。
Ary dia nisy ady tamin'ny Filistina indray ary Elanana, zanak'i Jaira, namono an'i Lamy, rahalahin'i Goliata Gatita, izay nanan-jaran-defona tahaka ny vodi-tenon'ny mpanenona.
又与非利士人打仗。睚珥的儿子伊勒哈难杀了迦特人歌利亚的兄弟拉哈米;这人的枪杆粗如织布的机轴。
Ary nisy ady indray tao Gata; ary tao nisy lehilahy vaventibe izay enin-drantsana, ka dia efatra amby roa-polo no isan'ny rantsan-tànany sy ny rantsan-tongony; ary izy koa mba isan'ny taranaky ny Refaita.
又在迦特打仗。那里有一个身量高大的人,手脚都是六指,共有二十四个指头,他也是伟人的儿子。
Ary nony nihaika ny Isiraely izy, dia nahafaty azy Jonatana, zanak'i Simea, rahalahin'i Davida.
这人向以色列人骂阵,大卫的哥哥示米亚的儿子约拿单就杀了他。
Ireo no taranaky ny Refaita tao Gata, ka matin'ny tànan'i Davida sy ny tanan'ny mpanompony ireo.
这三个人是迦特伟人的儿子,都死在大卫和他仆人的手下。