I Chronicles 17

Ary Davida, raha nipetraka tao an-tranony, dia nanao tamin'i Natana mpaminany hoe: Akory izato izaho mitoetra amin'ny trano sedera, nefa ny fiaran'ny neken'i Jehovah kosa mitoetra ao anaty lay!
大卫住在自己宫中,对先知拿单说:「看哪,我住在香柏木的宫中,耶和华的约柜反在幔子里。」
Ary hoy Natana tamin'i Davida: Ataovy izay rehetra ao am-ponao, fa Andriamanitra no momba anao.
拿单对大卫说:「你可以照你的心意而行,因为 神与你同在。」
Nefa tamin'ny alin'iny ihany dia tonga tamin'i Natana ny tenin'Andriamanitra nanao hoe:
当夜, 神的话临到拿单,说:
Andeha, lazao amin'i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Tsy ianao no hanao trano hitoerako;
「你去告诉我仆人大卫,说耶和华如此说:『你不可建造殿宇给我居住。
fa tsy mbola nitoetra an-trano Aho hatramin'ny nitondrako ny Isiraely niakatra ka mandraka androany, fa nifindrafindra toby sy nifindrafindra toerana.
自从我领以色列人出埃及,直到今日,我未曾住过殿宇,乃从这会幕到那会幕,从这帐幕到那帐幕。
Ary tamin'izay rehetra nifindrafindrako niaraka tamin'ny Isiraely moa nisy nitenenako akory va ny mpitsaran'ny Isiraely, izay notendreko ho mpiandry ny oloko, ka nanaovako hoe: Nahoana no tsy nanao trano sedera ho Ahy ianareo?
凡我同以色列人所走的地方,我何曾向以色列的一个士师,就是我吩咐牧养我民的说:你为何不给我建造香柏木的殿宇呢?』
Koa lazao amin'i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Izaho no naka anao tany an-tsaha, dia avy tamin'ny niandrasanao ondry, mba ho mpanapaka ny Isiraely oloko.
现在你要告诉我仆人大卫,说万军之耶和华如此说:『我从羊圈中将你召来,叫你不再跟从羊群,立你作我民以色列的君。
Ary nomba anao tamin'izay rehetra nalehanao Aho, ka naringako tsy ho eo anoloanao ny fahavalonao rehetra, ary homeko anarana tahaka ny anaran'izay lehibe ambonin'ny tany ianao.
你无论往哪里去,我常与你同在,剪除你的一切仇敌;我必使你得大名,好像世上大大有名的人一样。
Ary hifidy tany ho an'ny Isiraely oloko Aho sady hamponina azy, ka dia handry fahizay amin'ny fonenany izy ka tsy hanana ahiahy intsony, ary ny zanaky ny faharatsiana tsy hampahory azy intsony tahaka ny tany aloha
我必为我民以色列选定一个地方,栽培他们,使他们住自己的地方,不再迁移;凶恶之子也不像从前扰害他们,
sy tahaka ny hatramin'ny andro nanendreko mpitsara ho mpifehy ny Isiraely oloko. Ary haetriko avokoa ny fahavalonao rehetra. Ary ambarako aminao koa fa Jehovah hanome taranaka anao.
并不像我命士师治理我民以色列的时候一样。我必治服你的一切仇敌,并且我─耶和华应许你,必为你建立家室。
Ary rehefa tapitra ny andronao, ka lasa any amin'ny razanao ianao, dia hatsangako ny zanakao anankiray mandimby anao, izay isan'ny terakao; ary hampitoeriko ny fanjakany;
你寿数满足归你列祖的时候,我必使你的后裔接续你的位,我也必坚定他的国。
dia io no hanao trano ho Ahy, ary Izaho kosa hampitoetra ny seza fiandrianany ho mandrakizay.
他必为我建造殿宇;我必坚定他的国位直到永远。
Izaho ho rainy, ary izy ho zanako; ary tsy hanaisotra ny famindram-poko aminy Aho, tahaka ny nanesorako izany tamin'ilay nodiasanao;
我要作他的父,他要作我的子;并不使我的慈爱离开他,像离开在你以前的扫罗一样。
fa hampitoeriko ao an-tranoko sy ao amin'ny fanjakako mandrakizay izy; ary hampitoerina mandrakizay ny seza fiandrianany.
我却要将他永远坚立在我家里和我国里;他的国位也必坚定,直到永远。』」
Araka izany teny rehetra izany sy araka izao fahitana izao no nolazain'i Natana tamin'i Davida.
拿单就按这一切话,照这默示告诉大卫。
Ary Davida mpanjaka niditra ka nipetraka teo anatrehan'i Jehovah, dia nanao hoe: Zinona moa aho, Jehovah Andriamanitra ô? Ary zinona moa ny mpianakaviko, no nentinao ambaraka ankehitriny aho?
于是大卫王进去,坐在耶和华面前,说:「耶和华 神啊,我是谁,我的家算什么,你竟使我到这地步呢?
Ary mbola nataonao ho zavatra kely ihany aza izany, Andriamanitra ô; fa, indro, efa voalazanao koa ny amin'ny taranaky ny mpanomponao hatramin'ny mbola any aoriana lavitra aza, ary nitsinjo ahy araka ny fanaon'ny olona Hianao, Jehovah Andriamanitra ô, ka nanandratra ahy.
 神啊,这在你眼中还看为小,又应许你仆人的家至于久远。耶和华 神啊,你看顾我好像看顾高贵的人。
Inona intsony no holazain'i Davida aminao ny amin'ny voninahitra omena ny mpanomponao? fa Hianao no mahalala ny mpanomponao.
你加于仆人的尊荣,我还有何言可说呢?因为你知道你的仆人。
Jehovah ô, noho ny amin'ny mpanomponao sy araka ny sitraponao no nanaovanao io zavatra lehibe io, mba hampiharihariana ireo zavatra lehibe rehetra ireo.
耶和华啊,你行了这大事,并且显明出来,是因你仆人的缘故,也是照你的心意。
Jehovah ô, tsy misy tahaka Anao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Hianao, araka izay rehetra ren'ny sofinay.
耶和华啊,照我们耳中听见,没有可比你的,除你以外再无 神。
Ary aiza moa no misy firenena etỳ an-tany tahaka ny Isiraely olonao, izay nalehan'Andriamanitra havotana ho olony, hanaovanao anarana lehibe sy mahatahotra ho Anao, dia tamin'ny nandroahanao firenena tsy ho eo anoloan'ny olonao, izay navotanao avy tany Egypta?
世上有何民能比你的民以色列呢?你 神从埃及救赎他们作自己的子民,又在你赎出来的民面前行大而可畏的事,驱逐列邦人,显出你的大名。
Fa ny Isiraely olonao nofidinao ho olonao mandrakizay, ary Hianao, Jehovah ô, no efa tonga Andriamaniny.
你使以色列人作你的子民,直到永远;你─耶和华也作他们的 神。
Ary ankehitriny, Jehovah ô, ilay teny nolazainao ny amin'ny mpanomponao sy ny taranany dia ampitoero ho mandrakizay, ary ataovy araka izay nolazainao.
耶和华啊,你所应许仆人和仆人家的话,求你坚定,直到永远,照你所说的而行。
Eny, aoka hampitoerina izany, ary aoka hohalehibiazina mandrakizay ny anaranao ka hatao hoe: Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, no Andriamanitry ny Isiraely; ka dia hampitoerina eo anatrehanao ny taranak'i Davida mpanomponao.
愿你的名永远坚立,被尊为大,说:『万军之耶和华是以色列的 神,是治理以色列的 神。』这样,你仆人大卫的家必在你面前坚立。
Fa Hianao, Andriamanitro ô, efa nanambara tamin'ny mpanomponao fa homenao taranaka izy; koa Izany no nampahasahy ny mpanomponao hivavaka eto anatrehanao.
我的 神啊,因你启示仆人说,我必为你建立家室,所以仆人大胆在你面前祈祷。
Ary noho izany, Jehovah ô, satria Hianao no Andriamanitra, ary Hianao efa nilaza izany zava-tsoa izany ny amin'ny mpanomponao,
耶和华啊,惟有你是 神,你也应许将这福气赐给仆人。
dia ho sitrakao ny hitahy ny taranaky ny mpanomponao haharitra mandrakizay eo anatrehanao; fa izay tahinao, Jehovah ô, dia voatahy mandrakizay.
现在你喜悦赐福与仆人的家,可以永存在你面前。耶和华啊,你已经赐福,还要赐福到永远。」