I Chronicles 14

Ary Hirama, mpanjakan'i Tyro, naniraka olona tany amin'i Davida sady nampanatitra hazo sedera ary nandefa mpanao trano vato sy mpandrafitra hanao trano ho azy.
推罗王希兰将香柏木运到大卫那里,又差遣使者和石匠、木匠给大卫建造宫殿。
Dia fantatr'i Davida fa Jehovah efa nampitoetra azy ho mpanjakan'ny Isiraely, ka voasandratra ny fanjakany noho ny amin'ny Isiraely olony.
大卫就知道耶和华坚立他作以色列王,又为自己的民以色列,使他的国兴旺。
Ary Davida nampaka-bady koa tany Jerosalema ka niteraka zazalahy sy zazavavy.
大卫在耶路撒冷又立后妃,又生儿女。
Ary izao no anaran'ny zanany naterany tany Jerosalema: Samoa sy Sobaba sy Natana sy Solomona
在耶路撒冷所生的众子是沙母亚、朔罢、拿单、所罗门、
sy Jibara sy Elisoa sy Elipeleta
益辖、以利书亚、以法列、
sy Noga sy Nafega sy Jafia
挪迦、尼斐、雅非亚、
sy Elisama sy Seliada ary Elifeleta.
以利沙玛、比利雅大、以利法列。
Koa nony ren'ny Filistina fa efa nohosorana ho mpanjakan'ny Isiraely rehetra Davida, dia niakatra hitady azy ny Filistina rehetra. Koa raha ren'i Davida izany, dia nivoaka hiady taminy izy.
非利士人听见大卫受膏作以色列众人的王,非利士众人就上来寻索大卫。大卫听见,就出去迎敌。
Ary dia tonga ny Filistina ka nihahakahaka teny amin'ny Lohasahan'ny Refaita.
非利士人来了,布散在利乏音谷。
Ary Davida nanontany tamin'Andriamanitra hoe: Hiakatra hamely ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tanako va izy? Dia hoy Jehovah taminy: Miakara, fa hatolotro eo an-tananao izy.
大卫求问 神,说:「我可以上去攻打非利士人吗?你将他们交在我手里吗?」耶和华说:「你可以上去,我必将他们交在你手里。」
Dia niakatra nankao Bala-perazima Davida ka namely azy teo; dia hoy izy: Ny tanako no namakian'Andriamanitra ny fahavaloko hipariaka toy ny rano vaky; koa izany no nanaovany ny anaran'izany tany izany hoe Bala-perazima.
非利士人来到巴力‧毗拉心,大卫在那里杀败他们。大卫说:「 神借我的手冲破敌人,如同水冲去一般」;因此称那地方为巴力‧毗拉心。
Dia nilaozan'ireny teo ireo andriamaniny, ka dia nasain'i Davida nodorana tamin'ny afo.
非利士人将神像撇在那里,大卫吩咐人用火焚烧了。
Ary tonga indray ny Filistina ka nihahakahaka teny an-dohasaha indray.
非利士人又布散在利乏音谷。
Dia nanontany tamin'Andriamanitra indray Davida ka novaliany hoe: Aza mandeha hanenjika azy; fa mivilia azy, dia mandehana, fa ho tonga eo aminy ianao eo amin'ny tandrifin'ny hazo balsama.
大卫又求问 神。 神说:「不要一直地上去,要转到他们后头,从桑林对面攻打他们。
Ary raha toa mahare fingadongadon'olona eny amin'ny tendron'ny hazo balsama ianao, dia miaingà amin'izay hiady; fa amin'izay no efa miainga mialoha anao Andriamanitra hamely ny miaramilan'ny Filistina.
你听见桑树梢上有脚步的声音,就要出战,因为 神已经在你前头去攻打非利士人的军队。」
Ary dia nanao araka izay nandidian'Andriamanitra azy Davida, ka dia namely ny miaramilan'ny Filistina hatrany Gibeona ka hatrany Gazera izy.
大卫就遵著 神所吩咐的,攻打非利士人的军队,从基遍直到基色。
Ary ny lazan'i Davida niely teny amin'ny tany rehetra; ary nataon'i Jehovah nahazo ny firenena rehetra ny tahotra an'i Davida.
于是大卫的名传扬到列国,耶和华使列国都惧怕他。