I Chronicles 12

Ary izao no nankany amin'i Davida tany Ziklaga, fony izy mbola niery an'i Saoly, zanak'i Kisy; ary isan'ny lehilahy mahery mpanampy amin'ny ady ireo
大卫因怕基士的儿子扫罗,躲在洗革拉的时候,有勇士到他那里帮助他打仗。
sady mpitondra tsipìka ka nahay nanavia sy nanavanana raha nitora-bato na nandefa tsipìka. Isan'ny Benjamita, rahalahin'i Saoly, ireo.
他们善于拉弓,能用左右两手甩石射箭,都是便雅悯人扫罗的族弟兄。
Ny lohany dia Ahiezera sy Joasy, zanak'i Sema Gibeatita, sy Jeziela sy Peleta zanak'i Azmaveta, ary Beraka sy Jeho Anatotita
为首的是亚希以谢,其次是约阿施,都是基比亚人示玛的儿子。还有亚斯玛威的儿子耶薛和毗力,又有比拉迦,并亚拿突人耶户,
ary Jismaia Gibeonita, lehilahy mahery isan'ny telo-polo lahy sady mpifehy ny telo-polo lahy, ary Jeremia sy Jahaziela sy Johanana sy Jozababa Gaderatita
基遍人以实买雅〈他在三十人中是勇士,管理他们〉,且有耶利米、雅哈悉、约哈难,和基得拉人约撒拔、
sy Elozay sy Jerimota ary Bealia sy Semaria sy Sefatia Harofita
伊利乌赛、耶利摩、比亚利雅、示玛利雅,哈律弗人示法提雅,
sy Elkana sy Jisia sy Azarela sy Joezera ary Jasobeama Koraita
可拉人以利加拿、耶西亚、亚萨列、约以谢、雅朔班,
ary Joela sy Zebadia, zanak'i Jerohama avy any Gedora.
基多人耶罗罕的儿子犹拉和西巴第雅。
Ary tamin'ny Gadita nisy lehilahy mahery niendaka hanatona an'i Davida ho amin'ny fiarovana tany an-efitra, dia ny miaramila nahay niady ka nahatana ampinga lehibe sy lefona; ny tarehiny dia tahaka ny tarehin'ny liona, ary faingam-pandeha tahaka ny gazela eny an-tendrombohitra izy.
迦得支派中有人到旷野的山寨投奔大卫,都是大能的勇士,能拿盾牌和枪的战士。他们的面貌好像狮子,快跑如同山上的鹿。
Ezera no voalohany, Obadia no faharoa, Eliaba no fahatelo,
第一以薛,第二俄巴底雅,第三以利押,
Mismana no fahefatra, Jeremia no fahadimy,
第四弥施玛拿,第五耶利米,
Atahy no fahenina, Eliala no fahafito,
第六亚太,第七以利业,
Johanana no fahavalo, Elizabada no fahasivy,
第八约哈难,第九以利萨巴,
Jeremia no fahafolo, Makbanay no fahiraika ambin'ny folo.
第十耶利米,第十一末巴奈。
Ireo no isan'ny taranak'i Gada sady samy mpifehy miaramila; ny kely indrindra naharesy olona zato, ary ny lehibe indrindra naharesy arivo.
这都是迦得人中的军长,至小的能抵一百人,至大的能抵一千人。
Ireo no nita an'i Jordana tamin'ny volana voalohany, fony iny nihoatra ny morony rehetra; ary nampandositra izay rehetra teny amin'ny lohasaha na atsinanana na andrefana ireo.
正月,约旦河水涨过两岸的时候,他们过河,使一切住平原的人东奔西逃。
Ary nisy tamin'ny taranak'i Benjamina sy Joda nankany amin'i Davida tany amin'ny fiarovana.
又有便雅悯和犹大人到山寨大卫那里。
Ary Davida nivoaka hitsena azy ka niteny taminy hoe: Raha fihavanana no ihavianareo atỳ amiko hanampy ahy, dia hikambana isika; fa raha avy hamadika ahy kosa ianareo ho azon'ny fahavaloko, nefa tsy mba nanao an-keriny ny tanako, dia Andriamanitry ny razantsika no hijery sy hamaly izany.
大卫出去迎接他们,对他们说:「你们若是和和平平地来帮助我,我心就与你们相契;你们若是将我这无罪的人卖在敌人手里,愿我们列祖的 神察看责罚。」
Ary Amasay, lehiben'ny mpanafika malaza, dia nampitenenin'ny Fanahy hoe: Anao izahay, ry Davida ô, fa miandany aminao, ry zanak'i Jese; fiadanana, eny, fiadanana anie ho anao, ary fiadanana anie ho an'ny manampy anao; fa Andriamanitrao no manampy anao. Dia noraisin'i Davida ireo ka notendreny ho mpifehy ny miaramila.
那时 神的灵感动那三十个勇士的首领亚玛撒,他就说:大卫啊,我们是归于你的!耶西的儿子啊,我们是帮助你的!愿你平平安安,愿帮助你的也都平安!因为你的 神帮助你。大卫就收留他们,立他们作军长。
Ary nisy sasany tamin'ny Manase niala hanatona an'i Davida, raha nomba ny Filistina hiady amin'i Saoly izy, nefa tsy nanampy azy izy; fa ireo andrianan'ny Filistina nifampisaina, dia nampandeha azy ka nanao hoe: Ny lohantsika no ho entiny mila sitraka hiverenany amin'i Saoly tompony.
大卫从前与非利士人同去,要与扫罗争战,有些玛拿西人来投奔大卫,他们却没有帮助非利士人;因为非利士人的首领商议,打发他们回去,说:「恐怕大卫拿我们的首级,归降他的主人扫罗。」
Raha nankany Ziklaga izy, nisy tamin'ny Manase nanatona azy, dia Adna sy Jozabada sy Jediada sy Mikaela sy Jozabada sy Eliho ary Ziletahy, mpifehy arivo tamin'ny Manase.
大卫往洗革拉去的时候,有玛拿西人的千夫长押拿、约撒拔、耶叠、米迦勒、约撒拔、以利户、洗勒太都来投奔他。
Ary ireo dia nanampy an'i Davida hamely ny antokon'ny jirika; fa lehilahy mahery avokoa izy sady komandy amin'ny miaramila.
这些人帮助大卫攻击群贼;他们都是大能的勇士,且作军长。
Fa tamin'izany nisy nankany amin'i Davida isan'andro isan'andro hanampy azy mandra-pahatongany ho toby lehibe toy ny tobin'Andriamanitra.
那时天天有人来帮助大卫,以致成了大军,如 神的军一样。
Ary izao no isan'ny miaramila efa voaomana hiady, izay tonga tao amin'i Davida tao Hebrona hamindra ny fanjakan'i Saoly ho azy araka ny tenin'i Jehovah:
预备打仗的兵来到希伯崙见大卫,要照著耶和华的话将扫罗的国位归与大卫。他们的数目如下:
Tamin'ny taranak'i Joda, valon-jato amby enina arivo, mpitondra ampinga lehibe sy lefona sady efa voaomana hiady.
犹大支派,拿盾牌和枪预备打仗的有六千八百人。
Tamin'ny taranak'i Simeona, zato amby fito arivo, lehilahy mahery sady matanjaka amin'ny ady.
西缅支派,能上阵大能的勇士有七千一百人。
Tamin'ny taranak'i Levy, enin-jato amby efatra arivo.
利未支派有四千六百人。
Ary Joiada dia lehiben'ny Aronita, ary nisy fiton-jato amby telo arivo teo aminy;
耶何耶大是亚伦家的首领,跟从他的有三千七百人。
ary Zadoka, zatovo mahery, sy ny fianakaviany, dia roa amby roa-polo lahy mpifehy.
还有少年大能的勇士撒督,同著他的有族长二十二人。
Ary tamin'ny taranak'i Benjamina, havan'i Saoly, telo arivo; fa hatramin'izany ny ankamaroany mbola nomba ny mpianakavin'i Saoly ihany.
便雅悯支派,扫罗的族弟兄也有三千人,他们向来大半归顺扫罗家。
Ary tamin'ny taranak'i Efraima dia valon-jato amby roa alina, lehilahy mahery avokoa sady samy nalaza tamin'ny fianakaviany avy.
以法莲支派大能的勇士,在本族著名的有二万零八百人。
Ary tamin'ny antsasaky ny firenen'i Manase dia valo arivo amby iray alina, izay notononina anarana ho avy hampanjaka an'i Davida.
玛拿西半支派,册上有名的共一万八千人,都来立大卫作王。
Ary tamin'ny taranak'Isakara dia roanjato no lohany, samy nahay namantatra tsara izay fotoana mety ka nahalala izay lokony hataon'ny Isiraely; ary ny rahalahiny rehetra nanaraka ny teniny.
以萨迦支派,有二百族长都通达时务,知道以色列人所当行的;他们族弟兄都听从他们的命令。
Tamin'ny Zebolona, izay azo nalefa hanafika ka nahay niady tamin'ny fiadiana samy hafa rehetra dia dimy alina, izay nahay nilahatra tsara tamin'ny firaisan-kina.
西布伦支派,能上阵用各样兵器打仗、行伍整齐、不生二心的有五万人。
Ary tamin'ny Naftaly dia nisy mpifehy arivo, ary manaraka azy dia nisy fito arivo amby telo alina amin'ampinga lehibe sy lefona.
拿弗他利支派,有一千军长;跟从他们、拿盾牌和枪的有三万七千人。
Ary tamin'ny Danita dia enin-jato amby valo arivo sy roa alina izay nahay niady.
但支派,能摆阵的有二万八千六百人。
Ary tamin'ny Asera, efatra alina izay azo nalefa hanafika sady nahay niady.
亚设支派,能上阵打仗的有四万人。
Ary avy tany an-dafin'i Jordana, tamin'ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen'i Manase, nisy roa alina amby iray hetsy nitana fiadiana samy hafa rehetra.
约旦河东的流便支派、迦得支派、玛拿西半支派,拿著各样兵器打仗的有十二万人。
Ireo miaramila rehetra ireo, izay nahay nilahatra tsara, dia niray fo nankany Hebrona hampanjaka an'i Davida amin'ny Isiraely rehetra; ary ny sisa rehetra tamin'ny Isiraely koa niray fo hampanjaka an'i Davida.
以上都是能守行伍的战士,他们都诚心来到希伯崙,要立大卫作以色列的王。以色列其余的人也都一心要立大卫作王。
Ary tao amin'i Davida hateloana izy sady nihinana sy nisotro; fa efa nanao nahandro ho azy ny rahalahiny.
他们在那里三日,与大卫一同吃喝,因为他们的族弟兄给他们预备了。
Ary izay teo akaikiny koa hatramin'ny Isakara sy ny Zebolona ary ny Naftaly dia samy nampitondra hanina samy hafa nentin'ny boriky sy rameva sy ampondra ary omby, dia koba sy ampempan'aviavy sy voaloboka maina sy divay sy diloilo, ary omby sy ondry aman'osy betsaka koa; fa nisy fifaliana tamin'ny Isiraely.
靠近他们的人以及以萨迦、西布伦、拿弗他利人将许多面饼、无花果饼、干葡萄、酒、油,用驴、骆驼、骡子、牛驮来,又带了许多的牛和羊来,因为以色列人甚是欢乐。