Job 32

Ary nitsahatra tsy namaly intsony izy telo lahy ireo, satria nanamarin-tena Joba.
Тогава тези трима мъже престанаха да отговарят на Йов, защото той беше праведен в собствените си очи.
Ary nirehitra kosa ny fahatezeran'i Eliho, zanak'i Barakela, Bozita, avy amin'ny fokon'i Rama; eny, tamin'i Joba no nirehetan'ny fahatezerany, satria nanao ny tenany ho marina noho Andriamanitra izy.
Тогава пламна гневът на вузеца Елиу, сина на Варахиил, от рода на Рам. Гневът му пламна против Йов, защото оправдаваше себе си повече от Бога.
Ary tamin'ny sakaizany telo lahy koa no nirehetan'ny fahatezerany, satria tsy nahita teny havaliny izy ireo, kanefa nanameloka an'i Joba.
Гневът му пламна и против тримата му приятели, защото, без да намерят отговор, бяха осъдили Йов.
Ary Eliho mbola niandry an-dr'i Joba aloha vao niteny, fa ireo no ela niainana kokoa noho izy.
А Елиу беше чакал Йов да говори, защото те бяха по-стари от него на дни.
Ary rehefa hitany fa tsy nanan-kavaly izy telo lahy, dia nirehitra ny fahatezerany;
И когато Елиу видя, че в устата на тримата мъже нямаше отговор, гневът му пламна.
ka dia niteny Eliho, zanak'i Barakela, Bozita, ka nanao hoe: Mbola tanora aho, fa ianareo kosa efa fotsy volo, koa dia niaoriandriana aho aloha, fa tsy sahy nanambara aminareo izay fantatro.
И вузецът Елиу, синът на Варахиил, заговори и каза: Аз съм млад на дни, а вие сте стари, затова се посвених — не смеех да явя, каквото зная.
Hoy izaho: Aoka ny fahanterana no hiteny, ary aoka ny hamaroan'ny taona no hampianatra fahendrena.
Аз казах: Нека дните да говорят и многото години на мъдрост да учат.
Kanefa ny fanahy izay ao anatin'ny zanak'olombelona sy ny fofonoin'ny Tsitoha no mahahendry azy.
Но в човека има дух и дъхът на Всемогъщия му дава разум.
Tsy dia ny fahalehibiazana no mahahendry, ary tsy dia ny fahanterana no ahalalana ny rariny;
Не винаги големите са мъдри и старите разбират правосъдие.
Ary noho izany dia hoy izaho: Aoka samy hihaino ahy; Izaho koa mba hanambara izay fantatro.
Затова казвам: Слушайте ме, и аз ще изявя, каквото зная.
Indro, niandry ny teninareo aho, ary nandinika ny teny nalahatrareo, mandra-pihevitrareo izay holazaina;
Ето, аз чаках да говорите вие, слушах разсъжденията ви, докато търсехте думи.
Eny, nihaino dia nihaino anareo aho, fa he! tsy nisy naharesy lahatra an'i Joba ianareo, na nahavaly ny teniny akory;
Слушах ви много внимателно, и ето, никой от вас не обори Йов, нито отговори на думите му.
Fandrao ianareo hanao hoe: Hitanay ny fotony: Andriamanitra no maharesy azy, fa tsy olona.
Само да не кажете: Намерихме мъдрост! Бог ще го изобличи, а не човек.
Tsy nandaha-teny hamely ahy anefa izy; Ary tsy araka ny teninareo no havaliko azy.
Но той към мен не е отправил думи и аз няма да му отговоря с вашите речи.
Very hevitra terỳ izy ireo, ka tsy namaly intsony; Efa nanalavitra azy ny teny.
Те са смаяни и не отговарят вече, убягнаха им думите.
Hangina va aho, raha tsy miteny izy ireo, fa mijanona foana izy ka tsy mamaly intsony?
А аз да чакам ли, понеже не говорят, понеже спряха и не отговарят вече?
Anjarako kosa izao, koa dia hamaly aho; Eny, izaho hanambara izay fantatro;
И аз, от своя страна, ще отговоря; и аз ще изявя, каквото зная,
Fa feno teny ny foko; Manery ahy ny fanahy ato anatiko.
защото съм изпълнен с думи, духът ми вътре в мен ме принуждава.
Endrey! ny ato anatiko dia efa tahaka ny divay izay tsy misy hiainana, efa ho triatra tahaka ny siny hoditra vaovao izy.
Ето, вътрешността ми е като неотворено вино, ще се пръсне като нови мехове.
Hiteny aho mba hisy hiainako tsara; Hiloa-bava aho ka hamaly.
Ще проговоря, за да си отдъхна, ще отворя устните си и ще отговоря.
Aoka tsy hizaha tavan'olona akory aho, ary aoka tsy handrobo olona.
Само да не бъда към никого пристрастен и човек да не лаская —
Fa tsy mba mahay mandrobo aho; Raha izany, dia halain'ny Mpanao ahy faingana aho.
защото не зная да лаская, иначе Създателят ми скоро би ме махнал.