Song of Solomon 1

The song of songs, which is Solomon's.
Ny tonon-kira tsara indrindra, izay nataon'i Solomona.
Let him kiss me with the kisses of his mouth: for thy love is better than wine.
Enga anie ka hanoroka ahy amin'ny fanorohan'ny vavany izy! Fa tsara noho ny divay ny fitiavanao.
Because of the savour of thy good ointments thy name is as ointment poured forth, therefore do the virgins love thee.
Mani-pofona ny menakao tsara, menaka manitra voaidina ny anaranao, koa izany no itiavan'ny zatovovavy anao.
Draw me, we will run after thee: the king hath brought me into his chambers: we will be glad and rejoice in thee, we will remember thy love more than wine: the upright love thee.
Taomy aho, dia hihazakazaka hanaraka anao izahay; Nentin'ny mpanjaka ho ao an-efi-tranony aho. Hifaly sy hiravoravo aminao izahay; Hankalazainay mihoatra noho ny divay ny fitiavanao; Fitiavana marina no itiavany anao.
I am black, but comely, O ye daughters of Jerusalem, as the tents of Kedar, as the curtains of Solomon.
Mivalomainty aho, nefa tsara tarehy, ry zanakavavin'i Jerosalema, toy ny lain'i Kedara, toy ny ambain-dain'i Solomona.
Look not upon me, because I am black, because the sun hath looked upon me: my mother's children were angry with me; they made me the keeper of the vineyards; but mine own vineyard have I not kept.
Aza mibanjina ahy, fa mivalomainty aho, satria efa azon'ny hainandro; Tezitra tamiko ny zanak'ineny; Notendreny ho mpiandry ny tanim-boalobony aho; Nefa ny tanim-boaloboko kosa, dia ny an'ny tenako, tsy mba nandrasako.
Tell me, O thou whom my soul loveth, where thou feedest, where thou makest thy flock to rest at noon: for why should I be as one that turneth aside by the flocks of thy companions?
Lazao amiko, ry ilay tian'ny fanahiko, izay iandrasanao ny ondrinao, sy izay ampandrianao azy raha antoandro; Fa nahoana no ho tahaka izay mivezivezy foana aho Eny amin'ny andian'ny namanao?
If thou know not, O thou fairest among women, go thy way forth by the footsteps of the flock, and feed thy kids beside the shepherds' tents.
Raha tsy fantatrao, ry tsara tarehy indrindra amin'ny vehivavy, dia mandehana hanaraka ny andian'ny ondry aman'osy, ary andraso eny amin'ny lain'ny mpiandry ondry ny zanak'osinao.
I have compared thee, O my love, to a company of horses in Pharaoh's chariots.
Ry tompokovavy havako, ianao dia ampitahaiko amin'ny soavalivaviko mitarika ny kalesin'i Farao.
Thy cheeks are comely with rows of jewels, thy neck with chains of gold.
Mahatsara ny tarehinao ireo voahangy voatohy; Manendrika ny vozonao ireo rado.
We will make thee borders of gold with studs of silver.
Nefa rojo volamena misy voavola mibontsimbontsina kosa no hataonay ho anao.
While the king sitteth at his table, my spikenard sendeth forth the smell thereof.
Raha mipetraka amin'ny latabany ny mpanjaka, dia mamerovero tsara ny nardako.
A bundle of myrrh is my wellbeloved unto me; he shall lie all night betwixt my breasts.
Ny malalako dia miora am-pehezana madinika mandry eo an-tratrako.
My beloved is unto me as a cluster of camphire in the vineyards of En–gedi.
Ny malalako dia tahaka ny vonin'ny kofera amiko, any an-tanimbolin'i En-jedy.
Behold, thou art fair, my love; behold, thou art fair; thou hast doves' eyes.
Indro, tsara tarehy ianao, ry tompokovavy havako; Indro, tsara tarehy ianao; Voromailala ny masonao.
Behold, thou art fair, my beloved, yea, pleasant: also our bed is green.
Indro, tsara tarehy ianao, ry malalako, eny, mahafinaritra; Maitso ny fandriantsika.
The beams of our house are cedar, and our rafters of fir.
Sedera ny sakamandimbin'ny tranontsika, ary kypreso ny peta-drindrintsika.