Romans 3

What advantage then hath the Jew? or what profit is there of circumcision?
Koa inona ary no tombony ananan'ny Jiosy, ary inona koa no soa avy amin'ny famorana?
Much every way: chiefly, because that unto them were committed the oracles of God.
Be ihany amin'ny zavatra rehetra: voalohany, izy no notolorana ny tenin'Andriamanitra ho adidiny.
For what if some did not believe? shall their unbelief make the faith of God without effect?
Fa ahoana kosa ary? Raha tsy nino ny sasany, moa ny tsi-finoanay va hahafoana ny fahamarinan'Andriamanitra?
God forbid: yea, let God be true, but every man a liar; as it is written, That thou mightest be justified in thy sayings, and mightest overcome when thou art judged.
Sanatria izany! Aoka Andriamanitra no ho marina, fa ny olona rehetra kosa ho mpandainga; araka ny voasoratra hoe: Mba hohamarinina amin'ny teninao Hianao, Ary hahery, rehefa manana ady (Sal. 51. 4).
But if our unrighteousness commend the righteousness of God, what shall we say? Is God unrighteous who taketh vengeance? (I speak as a man)
Fa raha ny tsi-fahamarinantsika no mampiseho ny fahamarinan'Andriamanitra, ahoana ary no holazaintsika? Tsy marina angaha Andriamanitra Izay mandatsaka ny fahatezerany! - miteny araka ny fanaon'ny olona aho -
God forbid: for then how shall God judge the world?
Sanatria izany! Fa raha izany, hataon'Andriamanitra ahoana no fitsara izao tontolo izao?
For if the truth of God hath more abounded through my lie unto his glory; why yet am I also judged as a sinner?
Fa raha ny fahamarinan'Andriamanitra kosa no nitombo tamin'ny laingako ho voninahiny, nahoana aho no mbola tsaraina ho mpanota indray?
And not rather, (as we be slanderously reported, and as some affirm that we say,) Let us do evil, that good may come? whose damnation is just.
Ary nahoana no tsy hanao ratsy hihavian'ny soa isika,- araka ny anendrikendrehana anay sy ny filazan'ny sasany anay. Marina ny fanamelohana ireny.
What then? are we better than they? No, in no wise: for we have before proved both Jews and Gentiles, that they are all under sin;
Ahoana ary? Manan-kavaly va isika? Tsia tsy akory; fa efa voalazantsika rahateo ho mpanota avokoa na ny Jiosy na ny jentilisa;
As it is written, There is none righteous, no, not one:
araka ny voasoratra hoe: Tsy misy marina na dia iray akory aza;
There is none that understandeth, there is none that seeketh after God.
Tsy misy izay mahafantatra, Tsy misy izay mitady an'Andriamanitra.
They are all gone out of the way, they are together become unprofitable; there is none that doeth good, no, not one.
Samy nania avokoa izy rehetra, Samy tsy mahasoa avokoa izy rehetra; Tsy misy izay manao ny tsara na dia iray akory aza (Sal. 14. 1-3).
Their throat is an open sepulchre; with their tongues they have used deceit; the poison of asps is under their lips:
Fasana misokatra ny tendany; Ny lelany no anaovany fitaka (Sal. 5. 9); Ny poizin'ny menarana no ao ambanin'ny molony (Sal. 140. 3);
Whose mouth is full of cursing and bitterness:
Feno ozona sy fangidiana ny vavany (Sal. 10. 7);
Their feet are swift to shed blood:
Ny tongony mimaona handatsa-drà;
Destruction and misery are in their ways:
Fandravana sy fandringanana no eo amin'ny alehany;
And the way of peace have they not known:
Ary ny lalan'ny fiadanana dia tsy fantany (Isa. 59. 7, 8);
There is no fear of God before their eyes.
Tsy misy fahatahorana an'Andriamanitra eo anoloan'ny masony (Sal. 36. 1).
Now we know that what things soever the law saith, it saith to them who are under the law: that every mouth may be stopped, and all the world may become guilty before God.
Ary fantatsika fa izay zavatra lazain'ny lalàna dia lazainy amin'izay manana ny lalàna, mba ho voatampina avokoa ny vava rehetra, ka hiharan'ny fitsaran'Andriamanitra izao tontolo izao,
Therefore by the deeds of the law there shall no flesh be justified in his sight: for by the law is the knowledge of sin.
satria tsy misy nofo hohamarinina amin'ny asan'ny lalàna eo anatrehany; fa ny lalàna no ahazoana ny fahalalana marina ny amin'ny ota.
But now the righteousness of God without the law is manifested, being witnessed by the law and the prophets;
Fa ankehitriny dia efa naharihary ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra, tsy amin'ny lalàna anefa, fa ambaran'ny lalàna sy ny mpaminany,
Even the righteousness of God which is by faith of Jesus Christ unto all and upon all them that believe: for there is no difference:
dia ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra amin'ny finoana an'i Jesosy Kristy ho an'izay rehetra mino; fa tsy misy hafa,
For all have sinned, and come short of the glory of God;
fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin'Andriamanitra,
Being justified freely by his grace through the redemption that is in Christ Jesus:
nefa hamarinina maimaimpoana amin'ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin'i Kristy Jesosy,
Whom God hath set forth to be a propitiation through faith in his blood, to declare his righteousness for the remission of sins that are past, through the forbearance of God;
Izay nasehon'Andriamanitra tamin'ny ràny ho fanavotana amin'ny finoana, hanehoana ny fahamarinany amin'ny tsy namalian'Andriamanitra ny fahotana lasa tamin'ny nandeferany,
To declare, I say, at this time his righteousness: that he might be just, and the justifier of him which believeth in Jesus.
mba hanehoana ny fahamarinany ankehitriny, mba ho marina Izy sady hanamarina izay manana finoana an'i Jesosy.
Where is boasting then? It is excluded. By what law? of works? Nay: but by the law of faith.
Aiza ary ny fireharehana? Efa foana izany. Amin'ny lalàna manao ahoana? amin'ny lalàn'ny asa va? Tsia; fa amin'ny lalàn'ny finoana.
Therefore we conclude that a man is justified by faith without the deeds of the law.
Koa amin'izany dia ataontsika fa finoana no anamarinana ny olona, fa tsy ny asan'ny lalàna.
Is he the God of the Jews only? is he not also of the Gentiles? Yes, of the Gentiles also:
Andriamanitry ny Jiosy ihany va Izy? fa tsy mba an'ny jentilisa koa? Eny, an'ny jentilisa koa;
Seeing it is one God, which shall justify the circumcision by faith, and uncircumcision through faith.
fa iray ihany Andriamanitra, Izay hanamarina ny voafora noho ny finoana, ary ny tsy voafora amin'ny finoana.
Do we then make void the law through faith? God forbid: yea, we establish the law.
Koa mahafoana ny lalàna amin'ny finoana va isika? Sanatria izany! fa mampiorina tsara ny lalàna isika.