Toggle navigation
Bibleglot
Home
Paired
Single
Quotes
Home
Pair
KJV
Mal1865
Prov.18
Previous
Next
Proverbs 18
18:1
Through desire a man, having separated himself, seeketh and intermeddleth with all wisdom.
Izay mitokana ho azy dia mitady ny mahafinaritra ny tenany ihany, Misafoaka manohitra izay hevitra mahasoa rehetra izy.
18:2
A fool hath no delight in understanding, but that his heart may discover itself.
Ny adala tsy mba finaritra amin'ny fahalalana, Fa ta-haneho izay ao am-pony.
18:3
When the wicked cometh, then cometh also contempt, and with ignominy reproach.
Raha avy ny ratsy fanahy, dia avy ny fanamavoana; Ary miaraka amin'ny fahafaham-baraka ny henatra.
18:4
The words of a man's mouth are as deep waters, and the wellspring of wisdom as a flowing brook.
Rano lalina ny teny aloaky ny vavan'ny olona, Ary rano miboiboika ny loharanon'ny fahendrena,
18:5
It is not good to accept the person of the wicked, to overthrow the righteous in judgment.
Tsy mety raha manohana ny ratsy fanahy Handresy ny marina amin'ny fitsarana.
18:6
A fool's lips enter into contention, and his mouth calleth for strokes.
Ny molotry ny adala manatona ny fifandirana, Ary ny vavany mihantsy kapoka.
18:7
A fool's mouth is his destruction, and his lips are the snare of his soul.
Ny vavan'ny adala no fandringanana azy, Ary ny molony ihany no fandriky ny fanahiny.
18:8
The words of a talebearer are as wounds, and they go down into the innermost parts of the belly.
Ny tenin'ny mpifosafosa dia toy ny hanim-py Ka mikorotsaka ao anaty kibo indrindra.
18:9
He also that is slothful in his work is brother to him that is a great waster.
Ary izay malaina amin'ny asany Dia rahalahin'ny mpanimba.
18:10
The name of the LORD is a strong tower: the righteous runneth into it, and is safe.
Ny anaran'i Jehovah dia tilikambo mafy; Ny marina miezaka ho ao aminy ka voavonjy.
18:11
The rich man's wealth is his strong city, and as an high wall in his own conceit.
Ny haren'ny manan-karena no vohiny mafy, Ary raha araka ny fiheviny, dia toa manda avo izany.
18:12
Before destruction the heart of man is haughty, and before honour is humility.
Ny fireharehan'ny fon'ny olona mialoha ny fahasimbana; Fa ny fanetren-tena kosa mialoha ny voninahitra.
18:13
He that answereth a matter before he heareth it, it is folly and shame unto him.
Izay mamaly teny mbola tsy re, Dia hadalana sy henatra ho azy izany.
18:14
The spirit of a man will sustain his infirmity; but a wounded spirit who can bear?
Ny faharariany dia zakan'ny fanahin'ny olona ihany; Fa ny fanahy kivy, iza no mahazaka izany?
18:15
The heart of the prudent getteth knowledge; and the ear of the wise seeketh knowledge.
Ny fon'ny manan-tsaina mahazo fahalalana; Ary ny sofin'ny hendry mitady izany.
18:16
A man's gift maketh room for him, and bringeth him before great men.
Ny fanomezan'ny olona dia mahalalaka ny alehany, Hahatonga azy eo anatrehan'ny lehibe.
18:17
He that is first in his own cause seemeth just; but his neighbour cometh and searcheth him.
Izay mandahatra aloha no toa marina; Fa nony avy kosa ny an-daniny, dia mamaly ny teniny.
18:18
The lot causeth contentions to cease, and parteth between the mighty.
Ny filokana mampitsahatra ady Ary mampisaraka ny samy mahery.
18:19
A brother offended is harder to be won than a strong city: and their contentions are like the bars of a castle.
Ny mampionona ny rahalahy voaisy ratsy dia sarotra noho ny manafaka vohitra mafy, Ary ny fifandirana aminy dia tahaka ny hidin'ny lapan'ny mpanjaka.
18:20
A man's belly shall be satisfied with the fruit of his mouth; and with the increase of his lips shall he be filled.
Ny vokatry ny vavan'ny olona no mahavoky soa azy; Eny, ny vokatry ny molony no mahavoky azy.
18:21
Death and life are in the power of the tongue: and they that love it shall eat the fruit thereof.
Ny mahafaty sy ny mahavelona samy hain'ny lela, Koa izay manarana azy dia hihinana ny vokany.
18:22
Whoso findeth a wife findeth a good thing, and obtaineth favour of the LORD.
Izay lehilahy mahazo vady dia mahazo zava-tsoa Sady mahita sitraka amin'i Jehovah.
18:23
The poor useth intreaties; but the rich answereth roughly.
Fitarainana no ataon'ny malahelo; Nefa ny manan-karena kosa dia mamaly mahery.
18:24
A man that hath friends must shew himself friendly: and there is a friend that sticketh closer than a brother.
Izay maro sakaiza tsy maintsy tra-pahoriana; Fa misy sakaiza tia, izay mifikitra noho ny rahalahy aza.
Previous
Next