Matthew 5

And seeing the multitudes, he went up into a mountain: and when he was set, his disciples came unto him:
Ary Jesosy, nony nahita ny vahoaka, dia niakatra teo an-tendrombohitra; ary rehefa tafapetraka Izy, dia nanatona Azy ny mpianany.
And he opened his mouth, and taught them, saying,
Dia niloa-bava Izy ka nampianatra azy hoe:
Blessed are the poor in spirit: for theirs is the kingdom of heaven.
Sambatra ny malahelo am-panahy; fa azy ny fanjakan'ny lanitra.
Blessed are they that mourn: for they shall be comforted.
Sambatra ny ory; fa izy no hampifalina.
Blessed are the meek: for they shall inherit the earth.
Sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova ny tany (Sal. 37. 11).
Blessed are they which do hunger and thirst after righteousness: for they shall be filled.
Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana.
Blessed are the merciful: for they shall obtain mercy.
Sambatra ny miantra; fa izy no hiantrana.
Blessed are the pure in heart: for they shall see God.
Sambatra ny madio am-po; fa izy no hahita an'Andriamanitra,
Blessed are the peacemakers: for they shall be called the children of God.
Sambatra ny mpampihavana; fa izy no hatao hoe zanak'Andriamanitra.
Blessed are they which are persecuted for righteousness' sake: for theirs is the kingdom of heaven.
Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana; fa azy ny fanjakan'ny lanitra.
Blessed are ye, when men shall revile you, and persecute you, and shall say all manner of evil against you falsely, for my sake.
Sambatra ianareo, raha haratsin'ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko.
Rejoice, and be exceeding glad: for great is your reward in heaven: for so persecuted they the prophets which were before you.
Mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa toy izany ihany no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo.
Ye are the salt of the earth: but if the salt have lost his savour, wherewith shall it be salted? it is thenceforth good for nothing, but to be cast out, and to be trodden under foot of men.
Hianareo no fanasin'ny tany; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy? Tsy misy heriny hanaovana na inona na inona intsony izy, fa hariana any ivelany ka hohitsahin'ny olona.
Ye are the light of the world. A city that is set on an hill cannot be hid.
Hianareo no fahazavan'izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra.
Neither do men light a candle, and put it under a bushel, but on a candlestick; and it giveth light unto all that are in the house.
Ary koa, tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao ambanin'ny vata famarana, fa apetrany eo amin'ny fanaovan-jiro, ka dia mazava amin'izay rehetra ao an-trano izany.
Let your light so shine before men, that they may see your good works, and glorify your Father which is in heaven.
Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra.
Think not that I am come to destroy the law, or the prophets: I am not come to destroy, but to fulfil.
Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka.
For verily I say unto you, Till heaven and earth pass, one jot or one tittle shall in no wise pass from the law, till all be fulfilled.
Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Mandra-pahafoan'ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin'ny lalàna, na dia litera iray na tendron-tsoratra iray aza, mandra-pahatanterak'izy rehetra.
Whosoever therefore shall break one of these least commandments, and shall teach men so, he shall be called the least in the kingdom of heaven: but whosoever shall do and teach them, the same shall be called great in the kingdom of heaven.
Ary amin'izany na zovy na zovy no mamaha ny anankiray amin'ireo didy madinika indrindra ireo ka mampianatra ny olona toy izany, dia hatao hoe kely indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra izy. Fa na zovy na zovy no mankatò sy mampianatra ireo dia izy no hatao hoe lehibe amin'ny fanjakan'ny lanitra.
For I say unto you, That except your righteousness shall exceed the righteousness of the scribes and Pharisees, ye shall in no case enter into the kingdom of heaven.
Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra mihitsy ianareo.
Ye have heard that it was said by them of old time, Thou shalt not kill; and whosoever shall kill shall be in danger of the judgment:
Efa renareo fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: Aza mamono olona (Eks. 20. 13); ary izay mamono olona dia miendrika hohelohina amin'ny fitsarana.
But I say unto you, That whosoever is angry with his brother without a cause shall be in danger of the judgment: and whosoever shall say to his brother, Raca, shall be in danger of the council: but whosoever shall say, Thou fool, shall be in danger of hell fire.
Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra tezitra amin'ny rahalahiny dia miendrika hohelohina amin'ny fitsarana; ary na zovy na zovy no hanao amin'ny rahalahiny hoe: Olom-poana ianao, dia miendrika hohelohina amin'ny Synedriona; ary na zovy na zovy no hanao hoe: Foka ialahy, dia miendrika ho ao amin'ny helo mirehitra afo.
Therefore if thou bring thy gift to the altar, and there rememberest that thy brother hath ought against thee;
Ary amin'izany, raha mitondra ny fanatitrao ho eo amin'ny alitara ianao, ary eo no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo aminao,
Leave there thy gift before the altar, and go thy way; first be reconciled to thy brother, and then come and offer thy gift.
dia avelao eo anoloan'ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha, ataovy izay hihavananao amin'ny rahalahinao, ary rehefa miverina, dia vao atero ny fanatitrao.
Agree with thine adversary quickly, whiles thou art in the way with him; lest at any time the adversary deliver thee to the judge, and the judge deliver thee to the officer, and thou be cast into prison.
Mihavàna faingana amin'ilay manana ady aminao, raha mbola miara-dia aminy ianao, fandrao ilay manana ady aminao hanolotra anao amin'ny mpitsara, ary ny mpitsara kosa hanolotra anao amin'ny mpamatotra, ka hatao ao an-tranomaizina ianao.
Verily I say unto thee, Thou shalt by no means come out thence, till thou hast paid the uttermost farthing.
Lazaiko aminao marina tokoa: Tsy ho afaka ao mihitsy ianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany indrindra.
Ye have heard that it was said by them of old time, Thou shalt not commit adultery:
Efa, renareo fa voalaza hoe: Aza mijangajanga (Eks. 20. 14).
But I say unto you, That whosoever looketh on a woman to lust after her hath committed adultery with her already in his heart.
Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady.
And if thy right eye offend thee, pluck it out, and cast it from thee: for it is profitable for thee that one of thy members should perish, and not that thy whole body should be cast into hell.
Fa raha ny masonao ankavanana no manafintohina anao, dia esory hiala iny, ka ario ho afaka aminao; fa mahasoa anao na dia very aza ny iray momba ny tenanao, ka tsy ny tenanao rehetra no hariana any amin'ny helo.
And if thy right hand offend thee, cut it off, and cast it from thee: for it is profitable for thee that one of thy members should perish, and not that thy whole body should be cast into hell.
Ary raha ny tananao ankavanana no manafintohina anao, dia tapaho Izy, ka ario ho afaka aminao; fa mahasoa anao na dia very aza ny iray momba ny tenanao, ka tsy ny tenanao rehetra no ho lasa ho any amin'ny helo.
It hath been said, Whosoever shall put away his wife, let him give her a writing of divorcement:
Ary voalaza hoe: Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny, dia aoka izy hanome an-dravehivavy taratasy fisaoram-bady (Deo. 24. 1).
But I say unto you, That whosoever shall put away his wife, saving for the cause of fornication, causeth her to commit adultery: and whosoever shall marry her that is divorced committeth adultery.
Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra misaotra ny vadiny afa-tsy noho ny fijangajangana ihany dia mampijangajanga azy; ary na zovy na zovy no manambady izay voasaotra, dia mijangajanga.
Again, ye have heard that it hath been said by them of old time, Thou shalt not forswear thyself, but shalt perform unto the Lord thine oaths:
Ary koa, efa renareo fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: Aza mianian-tsy tò, fa efao amin'i Jehovah ny fianiananao (Lev. 19. 12).
But I say unto you, Swear not at all; neither by heaven; for it is God's throne:
Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza mianiana akory na amin'ny lanitra, fa seza fiandrianan'Andriamanitra izany;
Nor by the earth; for it is his footstool: neither by Jerusalem; for it is the city of the great King.
na amin'ny tany, fa fitoeran-tongony izany; na amin'i Jerosalema, fa tanànan'ny Mpanjaka lehibe izany.
Neither shalt thou swear by thy head, because thou canst not make one hair white or black.
Aza mianiana amin'ny lohanao; fa tsy mahay mahafotsy na mahamainty na dia singam-bolo iray akory aza ianao.
But let your communication be, Yea, yea; Nay, nay: for whatsoever is more than these cometh of evil.
Fa aoka ny teninareo ho Eny, eny; Tsia, tsia; fa izay mihoatra noho izany dia avy amin'ny ratsy.
Ye have heard that it hath been said, An eye for an eye, and a tooth for a tooth:
Efa renareo fa voalaza hoe: Maso solon'ny maso, ary nify solon'ny nify (Eks. 21. 24).
But I say unto you, That ye resist not evil: but whosoever shall smite thee on thy right cheek, turn to him the other also.
Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza manohitra izay manisy ratsy anareo; fa na zovy na zovy no mamely tahamaina ny takolakao ankavanana, atolory azy koa ny anankiray.
And if any man will sue thee at the law, and take away thy coat, let him have thy cloke also.
Ary izay te hiady aminao ka tahaka ny akanjonao, dia avelao ho azy koa ny lambanao.
And whosoever shall compel thee to go a mile, go with him twain.
Ary na zovy na zovy no hanery anao handeha maily iray, mandehana miaraka aminy maily roa.
Give to him that asketh thee, and from him that would borrow of thee turn not thou away.
Omeo izay mangataka aminao; ary aza ilaoza-mihodina izay te hisambotra aminao.
Ye have heard that it hath been said, Thou shalt love thy neighbour, and hate thine enemy.
Efa renareo fa voalaza hoe: Tiava ny namanao (Lev. 19. 18), ary mankahalà ny fahavalonao.
But I say unto you, Love your enemies, bless them that curse you, do good to them that hate you, and pray for them which despitefully use you, and persecute you;
Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an'izay manenjika anareo,
That ye may be the children of your Father which is in heaven: for he maketh his sun to rise on the evil and on the good, and sendeth rain on the just and on the unjust.
mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo; fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin'ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin'ny marina sy ny tsy marina.
For if ye love them which love you, what reward have ye? do not even the publicans the same?
Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona no valim-pitia azonareo? Moa na dia ny mpamory hetra aza tsy mba manao izany koa va?
And if ye salute your brethren only, what do ye more than others? do not even the publicans so?
Ary raha ny rahalahinareo ihany no arahabainareo, inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany? Moa na dia ny jentilisa aza tsy mba manao toy izany ihany va?
Be ye therefore perfect, even as your Father which is in heaven is perfect.
Koa amin izany aoka ho tanteraka ianareo toy ny fahatanterahan'ny Rainareo Izay any an-danitra.