Matthew 15

Then came to Jesus scribes and Pharisees, which were of Jerusalem, saying,
Dia nankeo amin'i Jesosy ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna sasany avy tany Jerosalema ka nanao hoe:
Why do thy disciples transgress the tradition of the elders? for they wash not their hands when they eat bread.
Nahoana ny mpianatrao no mandika ny fampianarana voatolotry ny razana? Fa tsy mba manasa tanana izy, raha hihinan-kanina.
But he answered and said unto them, Why do ye also transgress the commandment of God by your tradition?
Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Nahoana kosa ianareo no mandika ny didin'Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo?
For God commanded, saying, Honour thy father and mother: and, He that curseth father or mother, let him die the death.
Fa Andriamanitra efa nanao hoe: Manajà ny rainao sy ny reninao (Eks. 20. 12), ary koa: Izay miteny ratsy ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa (Eks. 21. 17).
But ye say, Whosoever shall say to his father or his mother, It is a gift, by whatsoever thou mightest be profited by me;
Fa hoy kosa ianareo: Na zovy na zovy no hilaza amin'ny rainy na ny reniny hoe: Efa fanatitra ho an'Andriamanitra izay rehetra tokony hahazoanao soa avy amiko, dia tsy mba hanaja ny rainy akory izy.
And honour not his father or his mother, he shall be free. Thus have ye made the commandment of God of none effect by your tradition.
Koa dia foananareo ny tenin'Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo.
Ye hypocrites, well did Esaias prophesy of you, saying,
Ry mpihatsaravelatsihy, marina ny naminanian'Isaia anareo hoe:
This people draweth nigh unto me with their mouth, and honoureth me with their lips; but their heart is far from me.
Ity firenena ity manaja Ahy amin'ny molony; Fa ny fony kosa lavitra Ahy.
But in vain they do worship me, teaching for doctrines the commandments of men.
Koa foana ny ivavahan'ireo amiko, raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy (Isa. 29. 13).
And he called the multitude, and said unto them, Hear, and understand:
Ary niantso ny vahoaka hankeo aminy Izy ka nanao taminy hoe: Mihainoa ka mahafantara:
Not that which goeth into the mouth defileth a man; but that which cometh out of the mouth, this defileth a man.
tsy izay miditra amin'ny vava no mahaloto ny olona; fa izay mivoaka avy amin'ny vava, izany no mahaloto ny olona.
Then came his disciples, and said unto him, Knowest thou that the Pharisees were offended, after they heard this saying?
Dia nankeo aminy ny mpianatra ka nanao taminy hoe: Fantatrao va fa tafintohina ny Fariseo, raha nandre izany teny izany?
But he answered and said, Every plant, which my heavenly Father hath not planted, shall be rooted up.
Ary Izy namaly ka nanao hoe: Ny zavatra rehetra izay tsy nambolen'ny Raiko Izay any an-danitra dia hongotana.
Let them alone: they be blind leaders of the blind. And if the blind lead the blind, both shall fall into the ditch.
Avelao izy; mpitarika jamba izy; ary raha ny jamba no mitarika ny jamba, dia samy ho latsaka any an-kady izy roa.
Then answered Peter and said unto him, Declare unto us this parable.
Ary Petera namaly ka nanao taminy hoe: Lazao aminay ny hevitr'izany fanoharana izany.
And Jesus said, Are ye also yet without understanding?
Ary hoy Jesosy: Hianareo koa va mbola tsy mahafantatra ihany?
Do not ye yet understand, that whatsoever entereth in at the mouth goeth into the belly, and is cast out into the draught?
Tsy fantatrareo va fa izay rehetra miditra amin'ny vava dia mankao an-kibo ka avoaka ao amin'ny fivoahana?
But those things which proceed out of the mouth come forth from the heart; and they defile the man.
Fa izay mivoaka avy amin'ny vava kosa dia avy amin'ny fo, ka izany no mahaloto ny olona.
For out of the heart proceed evil thoughts, murders, adulteries, fornications, thefts, false witness, blasphemies:
Fa avy amin'ny fo no ivoahan'ny sain-dratsy, dia ny vonoan'olona, ny fakam-badin'olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny ampanga lainga, ny fitenenan-dratsy;
These are the things which defile a man: but to eat with unwashen hands defileth not a man.
izany no mahaloto ny olona; fa ny mihinana amin'ny tanana tsy misasa tsy mba mahaloto ny olona.
Then Jesus went thence, and departed into the coasts of Tyre and Sidon.
Dia niala teo Jesosy ka nankany amin'ny fari-tanin'i Tyro sy Sidona.
And, behold, a woman of Canaan came out of the same coasts, and cried unto him, saying, Have mercy on me, O Lord, thou Son of David; my daughter is grievously vexed with a devil.
Ary, indro, nisy vehivavy Kananita anankiray nivoaka avy tamin'izany tany izany ka niantso nanao hoe: Mamindrà fo amiko, Tompoko, Zanak'i Davida ô! ny zanako-vavy ampahorin'ny demonia loatra.
But he answered her not a word. And his disciples came and besought him, saying, Send her away; for she crieth after us.
Fa Izy tsy namaly teny azy. dia nanatona ny mpianany ka nangataka taminy nanao hoe: Roahy izy, fa miantso mafy ato aoriantsika.
But he answered and said, I am not sent but unto the lost sheep of the house of Israel.
Ary Izy namaly ka nanao hoe: Tsy nirahina Aho afa-tsy ho amin'ny ondry very amin'ny taranak'isiraely.
Then came she and worshipped him, saying, Lord, help me.
Fa nanatona ihany ravehivavy, dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Tompoko ô, vonjeo aho.
But he answered and said, It is not meet to take the children's bread, and to cast it to dogs.
Fa Izy namaly ka nanao hoe: Tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an'ny amboakely.
And she said, Truth, Lord: yet the dogs eat of the crumbs which fall from their masters' table.
Fa hoy ravehivavy: Marina izany, Tompoko; fa na dia ny amboakely aza mba mihinana izay sombintsombiny latsaka avy amin'ny latabatry ny tompony ihany.
Then Jesus answered and said unto her, O woman, great is thy faith: be it unto thee even as thou wilt. And her daughter was made whole from that very hour.
Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Ravehivavy, lehibe ny finoanao; tongava aminao araka izay irinao. Dia sitrana ny zananivavy tamin'izay ora izay.
And Jesus departed from thence, and came nigh unto the sea of Galilee; and went up into a mountain, and sat down there.
Ary raha niala teo Jesosy, dia nankany amoron'ny Ranomasin'i Galilia Izy; ary niakatra nankeo an-tendrombohitra Izy ka nipetraka teo;
And great multitudes came unto him, having with them those that were lame, blind, dumb, maimed, and many others, and cast them down at Jesus' feet; and he healed them:
ary nisy vahoaka betsaka nankeo aminy nitondra ny mandringa, ny jamba, ny moana, ny kilemaina, ary ny maro hafa koa, ka nametraka azy teo akaikin'ny tongotr'i Jesosy; dia nahasitrana azy Izy;
Insomuch that the multitude wondered, when they saw the dumb to speak, the maimed to be whole, the lame to walk, and the blind to see: and they glorified the God of Israel.
ka dia talanjona ny vahoaka, raha nahita ny moana miteny, ny kilemaina sitrana, ny mandringa afaka, ary ny jamba mahiratra; dia nankalaza an'Andriamanitry ny Isiraely izy.
Then Jesus called his disciples unto him, and said, I have compassion on the multitude, because they continue with me now three days, and have nothing to eat: and I will not send them away fasting, lest they faint in the way.
Ary Jesosy niantso ny mpianany hankeo aminy ka nanao hoe: Mahonena Ahy ny vahoaka, fa efa nitoetra hateloana tatỳ amiko izy izao ka tsy manan-kohanina; ary tsy tiako ny hampody azy tsy mihinana, fandrao reraka eny an-dalana izy.
And his disciples say unto him, Whence should we have so much bread in the wilderness, as to fill so great a multitude?
Fa hoy ny mpianatra taminy: Aiza no hahitanay mofo atỳ an-efitra ampy hahavoky izao vahoaka betsaka izao!
And Jesus saith unto them, How many loaves have ye? And they said, Seven, and a few little fishes.
Ary hoy Jesosy taminy: Misy mofo firy any aminareo? Ary hoy izy: Fito sy hazandrano madinika vitsy foana.
And he commanded the multitude to sit down on the ground.
Ary Izy nandidy ny vahoaka betsaka hipetraka amin'ny tany.
And he took the seven loaves and the fishes, and gave thanks, and brake them, and gave to his disciples, and the disciples to the multitude.
Dia nandray ny mofo fito mbamin'ny hazandrano Izy, ary rehefa nisaotra, dia namaky ka nanolotra azy ho an'ny mpianatra, ary ny mpianatra kosa nanolotra ho an'ny vahoaka.
And they did all eat, and were filled: and they took up of the broken meat that was left seven baskets full.
Ary nihinana avokoa izy rehetra, ka dia voky; ary nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany, ka dia nahafeno sobiky fito.
And they that did eat were four thousand men, beside women and children.
Ary izay nihinana dia efatra arivo lahy, afa-tsy ny zaza amim-behivavy.
And he sent away the multitude, and took ship, and came into the coasts of Magdala.
Ary nony efa nampody ny vahoaka Izy, dia niondrana an-tsambokely ka nankany amin'ny sisin-tanin'i Magadana.