Luke 21

And he looked up, and saw the rich men casting their gifts into the treasury.
Ary Jesosy nanopy ny masony nahita ny mpanankarena mandatsa-drakitra tao amin'ny fandatsahan-drakitra;
And he saw also a certain poor widow casting in thither two mites.
ary nahita mpitondratena malahelo anankiray koa mandatsaka farantsakely roa teo Izy.
And he said, Of a truth I say unto you, that this poor widow hath cast in more than they all:
Dia hoy Izy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa io mpitondratena malahelo io no efa nandatsaka be noho izy rehetra.
For all these have of their abundance cast in unto the offerings of God: but she of her penury hath cast in all the living that she had.
Fa ireo rehetra ireo, dia tamin'ny haben'ny fananany no nandatsahany tao amin'ny rakitra; fa izy kosa tamin'ny fahantrany no nandatsahany ny fivelomany rehetra izay nananany.
And as some spake of the temple, how it was adorned with goodly stones and gifts, he said,
Ary nisy nilaza ny tempoly, fa voaravaka vato tsara sy fanatitra izy; fa hoy Jesosy:
As for these things which ye behold, the days will come, in the which there shall not be left one stone upon another, that shall not be thrown down.
Ny amin'ireo zavatra hitanareo ireo, dia ho avy ny andro, ka tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana.
And they asked him, saying, Master, but when shall these things be? and what sign will there be when these things shall come to pass?
Ary izy ireo nanontany Azy hoe: Mpampianatra ô, rahoviana no ho avy izany? ary inona no ho famantarana, rehefa ho tonga izany?
And he said, Take heed that ye be not deceived: for many shall come in my name, saying, I am Christ; and the time draweth near: go ye not therefore after them.
Ary hoy Izy: Mitandrema, fandrao ho voafitaka ianareo; fa maro no ho avy amin'ny anarako sady hanao hoe: Izaho no Izy; ary koa: Efa akaiky ny andro; koa aza manaraka azy.
But when ye shall hear of wars and commotions, be not terrified: for these things must first come to pass; but the end is not by and by.
Ary raha handre ady sy tabataba ianareo, aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga aloha izany, nefa tsy dia miaraka amin'izay ny farany.
Then said he unto them, Nation shall rise against nation, and kingdom against kingdom:
Ary hoy Izy taminy: Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana.
And great earthquakes shall be in divers places, and famines, and pestilences; and fearful sights and great signs shall there be from heaven.
Ary hisy horohorontany lehibe ary mosary sy areti-mandringana any amin'ny tany samy hafa, ary hisy zava-mahatahotra sy famantarana lehibe avy any an-danitra.
But before all these, they shall lay their hands on you, and persecute you, delivering you up to the synagogues, and into prisons, being brought before kings and rulers for my name's sake.
Ary raha tsy mbola tonga izany rehetra izany, dia hisambotra anareo izy ka hanenjika ary hanolotra anareo ao amin'ny synagoga sy ao an-tranomaizina, ka ho entina eo anatrehan'ny mpanjaka sy ny mpanapaka ianareo noho ny anarako.
And it shall turn to you for a testimony.
Dia ho tonga ho vavolombelona aminareo izany.
Settle it therefore in your hearts, not to meditate before what ye shall answer:
Koa aoreno ao am-ponareo ny tsy hihevitra rahateo izay havalinareo;
For I will give you a mouth and wisdom, which all your adversaries shall not be able to gainsay nor resist.
fa Izaho no hanome anareo vava sy saina, izay tsy ho azon'ny fahavalonareo rehetra valiana na resena.
And ye shall be betrayed both by parents, and brethren, and kinsfolks, and friends; and some of you shall they cause to be put to death.
Ary hatolotry ny ray sy ny reny sy ny rahalahy ary ny havana aman-tsakaiza ianareo, koa ny sasany aminareo dia hovonoiny.
And ye shall be hated of all men for my name's sake.
Ary ho halan'ny olona rehetra ianareo noho ny anarako.
But there shall not an hair of your head perish.
Nefa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray eo amin'ny lohanareo aza.
In your patience possess ye your souls.
Amin'ny faharetanareo no hahatananareo ny ainareo.
And when ye shall see Jerusalem compassed with armies, then know that the desolation thereof is nigh.
Ary raha mahita an'i Jerosalema voahodidin'ny miaramila ianareo, dia aoka ho fantatrareo fa efa mby akaiky ny fandravana azy.
Then let them which are in Judæa flee to the mountains; and let them which are in the midst of it depart out; and let not them that are in the countries enter thereinto.
Ary izay any Jodia amin'izany andro izany aoka handositra ho any an-tendrombohitra; ary izay ao Jerosalema aoka handositra ho any ivelany; ary izay any an-tsaha aoka tsy hiditra ao an-tanàna intsony.
For these be the days of vengeance, that all things which are written may be fulfilled.
Fa ireo dia andro famaliana mba hahatanteraka izay rehetra voasoratra.
But woe unto them that are with child, and to them that give suck, in those days! for there shall be great distress in the land, and wrath upon this people.
Fa lozan'ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin'izany andro izany! satria hisy fahoriana lehibe eo amin'ny tany ary fahatezerana amin'ity firenena ity.
And they shall fall by the edge of the sword, and shall be led away captive into all nations: and Jerusalem shall be trodden down of the Gentiles, until the times of the Gentiles be fulfilled.
Dia ho ringana amin'ny lelan-tsabatra izy ka ho entina ho babon'ny firenena rehetra, ary Jerosalema hohitsahin'ny jentilisa mandra-pahatanteraky ny andron'ny jentilisa.
And there shall be signs in the sun, and in the moon, and in the stars; and upon the earth distress of nations, with perplexity; the sea and the waves roaring;
Ary hisy famantarana eo amin'ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary etỳ ambonin'ny tany dia hisy fahorian'ny firenena amin'ny fahaverezan-kevitra noho ny firohondrohon'ny ranomasina sy ny fanonjany,
Men's hearts failing them for fear, and for looking after those things which are coming on the earth: for the powers of heaven shall be shaken.
ka ho reraka ny fon'ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin'ny tany; fa ny herin'ny lanitra dia hohozongozonina.
And then shall they see the Son of man coming in a cloud with power and great glory.
Ary amin'izany andro izany dia hahita ny Zanak'olona avy eo amin'ny rahona amin-kery sy voninahitra lehibe izy.
And when these things begin to come to pass, then look up, and lift up your heads; for your redemption draweth nigh.
Ary raha vao miandoha izany zavatra izany dia miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa manakaiky ny fanavotana anareo.
And he spake to them a parable; Behold the fig tree, and all the trees;
Ary Izy nanao fanoharana taminy hoe: Jereo ny aviavy sy ny hazo rehetra.
When they now shoot forth, ye see and know of your own selves that summer is now nigh at hand.
Raha hitanareo fa vao manaroka ireo, dia fantatrareo ihany fa efa akaiky sahady ny lohataona.
So likewise ye, when ye see these things come to pass, know ye that the kingdom of God is nigh at hand.
Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra.
Verily I say unto you, This generation shall not pass away, till all be fulfilled.
Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho lany ity taranaka ity mandra-pahatongan'izany rehetra izany.
Heaven and earth shall pass away: but my words shall not pass away.
Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.
And take heed to yourselves, lest at any time your hearts be overcharged with surfeiting, and drunkenness, and cares of this life, and so that day come upon you unawares.
Ary mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran'ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian'izao fiainana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany.
For as a snare shall it come on all them that dwell on the face of the whole earth.
Fa hihatra amin'izay rehetra mitoetra etỳ ambonin'ny tany rehetra izany.
Watch ye therefore, and pray always, that ye may be accounted worthy to escape all these things that shall come to pass, and to stand before the Son of man.
Fa miambena ka mivavaha mandrakariva, mba hahery ianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan'ny Zanak'olona.
And in the day time he was teaching in the temple; and at night he went out, and abode in the mount that is called the mount of Olives.
Ary nony antoandro dia nampianatra teo an-kianjan'ny tempoly Izy; ary nony alina dia nivoaka Izy ka nitoetra teo an-tendrombohitra atao hoe Oliva.
And all the people came early in the morning to him in the temple, for to hear him.
Ary ny vahoaka rehetra nankeo aminy maraina koa teo an-kianjan'ny tempoly hihaino Azy.