Luke 1

Forasmuch as many have taken in hand to set forth in order a declaration of those things which are most surely believed among us,
Satria maro no efa nanoratra nandahatra tantara ny amin'ny zavatra izay efa tanteraka tamintsika tokoa
Even as they delivered them unto us, which from the beginning were eyewitnesses, and ministers of the word;
araka izay efa noraisintsika natolotry ny vavolombelona izay sady nahita maso no efa mpitory ny teny hatramin'ny voalohany:
It seemed good to me also, having had perfect understanding of all things from the very first, to write unto thee in order, most excellent Theophilus,
dia sitrako koa, rehefa nofotorako tsara ny zavatra rehetra hatramin'ny niandohany, ny hanoratra izany aminao araka ny filaharany, ry Teofilo tsara indrindra,
That thou mightest know the certainty of those things, wherein thou hast been instructed.
mba hahafantaranao tsara fa mafy orina ny teny izay nampianarina anao.
There was in the days of Herod, the king of Judæa, a certain priest named Zacharias, of the course of Abia: and his wife was of the daughters of Aaron, and her name was Elisabeth.
Tamin'ny andron'i Heroda, mpanjakan'i Jodia, nisy mpisorona anankiray atao hoe Zakaria, isan'ny antokon'i Abia; ary ny vadiny dia avy tamin'ny taranak'i Arona, Elizabeta no anarany.
And they were both righteous before God, walking in all the commandments and ordinances of the Lord blameless.
Ary samy marina teo anatrehan'Andriamanitra izy mivady sady nitondra tena tsy nanan-tsiny araka ny didy sy ny fitsipika rehetra nomen'ny Tompo.
And they had no child, because that Elisabeth was barren, and they both were now well stricken in years.
Ary tsy nanan-janaka izy, fa momba Elizabeta; ary samy efa antitra izy mivady.
And it came to pass, that while he executed the priest's office before God in the order of his course,
Ary nony nanao raharaham-pisoronana teo anatrehan'Andriamanitra Zakaria araka ny fifandimbiasan'ny antokony,
According to the custom of the priest's office, his lot was to burn incense when he went into the temple of the Lord.
araka ny fanao amin'ny fisoronana, dia anjarany araka ny filokana ny hiditra ao amin'ny tempolin'ny Tompo ka handoro ditin-kazo manitra.
And the whole multitude of the people were praying without at the time of incense.
Ary ny vahoaka rehetra nitoetra teo ivelany nivavaka tamin'ny ora fandoroana ny ditin-kazo manitra.
And there appeared unto him an angel of the Lord standing on the right side of the altar of incense.
Ary nisy anjelin'ny Tompo niseho taminy teo an-kavanan'ny alitara fandoroana ny ditin-kazo manitra.
And when Zacharias saw him, he was troubled, and fear fell upon him.
Ary nony nahita azy Zakaria, dia taitra loatra izy ka raiki-tahotra.
But the angel said unto him, Fear not, Zacharias: for thy prayer is heard; and thy wife Elisabeth shall bear thee a son, and thou shalt call his name John.
Fa hoy ilay anjely taminy: Aza matahotra, ry Zakaria; fa efa nohenoina ny fangatahanao, ka Elizabeta vadinao dia hiteraka zazalahy aminao, ary Jaona no hataonao anarany.
And thou shalt have joy and gladness; and many shall rejoice at his birth.
Ary ho faly sy ho ravoravo ianao; ary maro no hifaly amin'ny hahaterahany.
For he shall be great in the sight of the Lord, and shall drink neither wine nor strong drink; and he shall be filled with the Holy Ghost, even from his mother's womb.
Fa ho lehibe eo anatrehan'ny Tompo izy ary tsy hisotro divay na toaka sady hofenoina ny Fanahy Masina hatrany an-kibon-dreniny aza.
And many of the children of Israel shall he turn to the Lord their God.
Ary maro amin'ny Zanak'isiraely no hampodiny amin'i Jehovah Andriamaniny.
And he shall go before him in the spirit and power of Elias, to turn the hearts of the fathers to the children, and the disobedient to the wisdom of the just; to make ready a people prepared for the Lord.
Ary izy handeha eo alohany amin'ny fanahy sy ny herin'i Elia mba hampody ny fon'ny ray ho amin'ny zanaka, ary ny tsy manoa ho amin'ny fahendren'ny marina, hamboatra firenena voaomana ho an'ny Tempo (Mal. 3. 23, 24).
And Zacharias said unto the angel, Whereby shall I know this? for I am an old man, and my wife well stricken in years.
Ary hoy Zakaria tamin'ilay anjely: Inona no hahafantarako izany? fa izaho efa antitra, ary efa antitra koa ny vadiko.
And the angel answering said unto him, I am Gabriel, that stand in the presence of God; and am sent to speak unto thee, and to shew thee these glad tidings.
Ary ilay anjely namaly ka nanao taminy hoe: Izaho no Gabriela, izay mitsangana eo anatrehan'Andriamanitra; ary nirahina hiteny aminao aho ka hilaza aminao izany teny mahafaly izany.
And, behold, thou shalt be dumb, and not able to speak, until the day that these things shall be performed, because thou believest not my words, which shall be fulfilled in their season.
Koa, indro, ho moana ianao ka tsy hahay miteny ambara-pahatongan'ny andro hisehoan'izany zavatra izany, ho valin'ny tsy ninoanao ny teniko, izay ho tanteraka amin'ny fotoany.
And the people waited for Zacharias, and marvelled that he tarried so long in the temple.
Ary ny olona dia niandry an'i Zakaria ka gaga noho izy naharitra ela tao amin'ny tempoly.
And when he came out, he could not speak unto them: and they perceived that he had seen a vision in the temple: for he beckoned unto them, and remained speechless.
Kanjo rehefa nivoaka izy, dia tsy nahay niteny taminy; ary dia fantatry ny olona fa efa nahita fahitana tao amin'ny tempoly izy; ary izy nanao baikon'ny moana taminy, ary dia mbola moana ihany.
And it came to pass, that, as soon as the days of his ministration were accomplished, he departed to his own house.
Ary rehefa tapitra ny andro nanaovany fanompoam-pivavahana, dia lasa nody tany an-tranony izy.
And after those days his wife Elisabeth conceived, and hid herself five months, saying,
Ary taorian'izany andro izany dia nitoe-jaza Elizabeta vadiny, dia niery dimy volana izy ka nanao hoe:
Thus hath the Lord dealt with me in the days wherein he looked on me, to take away my reproach among men.
Izao no nataon'ny Tompo tamiko tamin'ny andro izay nitsinjovany hahafa-tondromaso ahy amin'ny olona.
And in the sixth month the angel Gabriel was sent from God unto a city of Galilee, named Nazareth,
Ary tamin'ny fahenim-bolana dia nirahin'Andriamanitra ny anjely Gabriela ho any an-tanàna anankiray any Galilia atao hoe Nazareta,
To a virgin espoused to a man whose name was Joseph, of the house of David; and the virgin's name was Mary.
ho any amin'ny virijina anankiray, izay voafofo ho vadin'ny lehilahy atao hoe Josefa, avy tamin'ny taranak'i Davida; ary ny anaran'ny virijina dia Maria.
And the angel came in unto her, and said, Hail, thou that art highly favoured, the Lord is with thee: blessed art thou among women.
Ary nony niditra tao aminy ilay anjely, dia nanao hoe: Arahaba, ry ilay nohasoavina, ny Tompo momba anao.
And when she saw him, she was troubled at his saying, and cast in her mind what manner of salutation this should be.
Ary taitra loatra izy noho ny teniny ka nieritreritra izay tokony ho hevitr'izany fiarahabana izany.
And the angel said unto her, Fear not, Mary: for thou hast found favour with God.
Ary hoy ilay anjely taminy: Aza matahotra, ry Maria, fa efa nahita fitia tamin'Andriamanitra ianao.
And, behold, thou shalt conceive in thy womb, and bring forth a son, and shalt call his name JESUS.
Ary, indro, hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany dia hataonao hoe Jesosy.
He shall be great, and shall be called the Son of the Highest: and the Lord God shall give unto him the throne of his father David:
Izy ho lehibe ka hatao hoe Zanaky ny Avo Indrindra; ary Jehovah Andriamanitra hanome Azy ny seza fiandrianan'i Davida rainy;
And he shall reign over the house of Jacob for ever; and of his kingdom there shall be no end.
ary hanjaka amin'ny taranak'i Jakoba mandrakizay Izy; ary ny fanjakany tsy hanam-pahataperana.
Then said Mary unto the angel, How shall this be, seeing I know not a man?
Ary hoy Maria tamin'ilay anjely: Hanao ahoana re no hahatanteraka izany, fa tsy mahalala lahy aho?
And the angel answered and said unto her, The Holy Ghost shall come upon thee, and the power of the Highest shall overshadow thee: therefore also that holy thing which shall be born of thee shall be called the Son of God.
Ary ilay anjely namaly ka nanao taminy hoe: Ny Fanahy Masina ho tonga ao aminao, ary hisy herin'ny Avo Indrindra hanaloka anao; koa ny Masina Izay hateraka dia hatao hoe Zanak'Andriamanitra.
And, behold, thy cousin Elisabeth, she hath also conceived a son in her old age: and this is the sixth month with her, who was called barren.
Ary, indro, Elizabeta havanao dia efa mitoe-jaza koa, na dia efa antitra aza; ary efa mandray enina izy izao, izay natao hoe momba.
For with God nothing shall be impossible.
Fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon'Andriamanitra.
And Mary said, Behold the handmaid of the Lord; be it unto me according to thy word. And the angel departed from her.
Dia hoy Maria: Inty ny ankizivavin'ny Tompo; aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao. Dia nandao azy ilay anjely.
And Mary arose in those days, and went into the hill country with haste, into a city of Juda;
Ary Maria niainga tamin'izany andro izany ka nandeha faingana ho any amin'ny tany havoana, ho ao an-tanàna anankiray any Joda;
And entered into the house of Zacharias, and saluted Elisabeth.
ary niditra tao an-tranon'i Zakaria izy ka niarahaba an'i Elizabeta.
And it came to pass, that, when Elisabeth heard the salutation of Mary, the babe leaped in her womb; and Elisabeth was filled with the Holy Ghost:
Ary rehefa ren'i Elizabeta ny fiarahaban'i Maria, dia nibitaka ny zaza tao an-kibony; ary nofenoina ny Fanahy Masina Elizabeta,
And she spake out with a loud voice, and said, Blessed art thou among women, and blessed is the fruit of thy womb.
dia niantso tamin'ny feo mahery hoe izy: Voatahy samy vehivavy ianao, ary voatahy ny hateraky ny kibonao.
And whence is this to me, that the mother of my Lord should come to me?
Avy aiza no ahatongavan'izao amiko, no mba vangian'ny renin'ny Tompoko aho?
For, lo, as soon as the voice of thy salutation sounded in mine ears, the babe leaped in my womb for joy.
Fa, indro, raha vao ren'ny sofiko ny feon'ny fiarahabanao, dia nibitaka noho ny hafaliana ny zaza ao an-kiboko.
And blessed is she that believed: for there shall be a performance of those things which were told her from the Lord.
Ary sambatra ianao izay nino; fa hefaina izay zavatra nampilazain'ny Tompo taminao.
And Mary said, My soul doth magnify the Lord,
Ary hoy Maria: Ny foko mankalaza ny Tompo,
And my spirit hath rejoiced in God my Saviour.
Ary ny fanahiko efa ravoravo tamin'Andriamanitra, Mpamonjy ahy;
For he hath regarded the low estate of his handmaiden: for, behold, from henceforth all generations shall call me blessed.
Fa efa nijery ny fahambani-toetry ny ankizivaviny Izy. Fa, indro, hatramin'ny ankehitriny dia hataon'ny taranaka rehetra ho sambatra aho.
For he that is mighty hath done to me great things; and holy is his name.
Fa ny Mahery efa nanao zavatra lehibe tamiko; Ary masina ny anarany.
And his mercy is on them that fear him from generation to generation.
Ary ny famindram-pony dia amin'izay matahotra Azy hatramin'ny taranaka fara mandimby.
He hath shewed strength with his arm; he hath scattered the proud in the imagination of their hearts.
Nanao asa lehibe tamin'ny sandriny Izy; Nampihahaka ny mpiavonavona tamin'ny fiheveran'ny fony Izy.
He hath put down the mighty from their seats, and exalted them of low degree.
Nampiala ny lehibe tamin'ny seza fiandrianany Izy, Ary nanandratra ny ambany kosa.
He hath filled the hungry with good things; and the rich he hath sent empty away.
Ny noana novokisany soa; Fa ny manan-karena kosa nampialainy maina.
He hath holpen his servant Israel, in remembrance of his mercy;
Niahy an'isiraely mpanompony Izy, fa nahatsiaro ny famindram-pony
As he spake to our fathers, to Abraham, and to his seed for ever.
(Araka ny voalazany tamin'ny razantsika), tamin'i Abrahama sy ny taranany mandrakizay.
And Mary abode with her about three months, and returned to her own house.
Ary Maria nitoetra teo amin'i Elizabeta tokony ho telo volana vao nody tany an-tranony.
Now Elisabeth's full time came that she should be delivered; and she brought forth a son.
Ary tonga ny andro hahaveloman'i Elizabeta, dia niteraka zazalahy izy.
And her neighbours and her cousins heard how the Lord had shewed great mercy upon her; and they rejoiced with her.
Ary ny niara-monina taminy sy ny havany nandre fa efa nohalehibiazin'ny Tompo ny famindram-pony taminy; dia niara-nifaly taminy ireo.
And it came to pass, that on the eighth day they came to circumcise the child; and they called him Zacharias, after the name of his father.
Ary tamin'ny andro fahavalo dia tonga hamora ny zaza izy, ka efa saiky hataony hoe Zakaria araka ny anaran-drainy ny anarany.
And his mother answered and said, Not so; but he shall be called John.
Fa ny reniny namaly ka nanao hoe: Tsy izany, fa hatao hoe Jaona izy.
And they said unto her, There is none of thy kindred that is called by this name.
Fa hoy izy ireo taminy: Tsy misy na dia iray akory aza amin'ny havanao izay manana izany anarana izany.
And they made signs to his father, how he would have him called.
Ary nanao baikon'ny moana tamin'ny rainy iry ireo, izay tokony ho tiany hatao anarany.
And he asked for a writing table, and wrote, saying, His name is John. And they marvelled all.
Ary nangataka fàfana izy ka nanoratra hoe: Jaona no anarany. Dia gaga avokoa izy rehetra.
And his mouth was opened immediately, and his tongue loosed, and he spake, and praised God.
Ary dia nisokatra niaraka tamin'izay ny vavany, ka afaka niteny ny lelany; dia niteny izy ka nidera an'Andriamanitra.
And fear came on all that dwelt round about them: and all these sayings were noised abroad throughout all the hill country of Judæa.
Dia raiki-tahotra izay rehetra niara-monina taminy; ary niely teny amin'ny tany havoan'i Jodia rehetra ny lazan'izany rehetra izany.
And all they that heard them laid them up in their hearts, saying, What manner of child shall this be! And the hand of the Lord was with him.
Ary izay rehetra nandre dia nandatsaka izany tam-pony ka nanao hoe: Ho zaza hanao ahoana re io? Fa ny tanan'ny Tompo nomba azy.
And his father Zacharias was filled with the Holy Ghost, and prophesied, saying,
Ary dia feno ny Fanahy Masina Zakaria rainy ka naminany hoe:
Blessed be the Lord God of Israel; for he hath visited and redeemed his people,
Isaorana anie ny Tompo Andriamanitry ny Isiraely; Fa nitsinjo ny olony Izy ka nanao fanavotana ho azy,
And hath raised up an horn of salvation for us in the house of his servant David;
Ary nanangana tandro-pamonjena ho antsika Amin'ny taranak'i Davida mpanompony Izy
As he spake by the mouth of his holy prophets, which have been since the world began:
(Araka izay nampilazainy ny mpaminaniny masina hatramin'ny fahagola),
That we should be saved from our enemies, and from the hand of all that hate us;
Dia famonjena antsika amin'ny fahavalontsika, sy amin'ny tànan'izay rehetra mankahala antsika;
To perform the mercy promised to our fathers, and to remember his holy covenant;
Manefa famindram-po amin'ny razantsika Izy Sady mahatsiaro ny fanekeny masina,
The oath which he sware to our father Abraham,
Dia ny fianianana izay nianianany tamin'i Abrahama razantsika,
That he would grant unto us, that we being delivered out of the hand of our enemies might serve him without fear,
Hanao izay hahazoantsika hanompo Azy tsy amin-tahotra, Satria afaka amin'ny fahavalontsika isika,
In holiness and righteousness before him, all the days of our life.
Amin'ny fahamasinana sy ny fahamarinana eo anatrehany amin'ny andro rehetra hiainantsika.
And thou, child, shalt be called the prophet of the Highest: for thou shalt go before the face of the Lord to prepare his ways;
Ary ianao, ry zaza, dia hatao hoe mpaminanin'ny Avo Indrindra; Fa hialoha eo anatrehan'ny Tompo ianao hamboatra ny lalany.
To give knowledge of salvation unto his people by the remission of their sins,
Hanome ny olony ny fahalalam-pamonjena amin'ny famelana ny helony,
Through the tender mercy of our God; whereby the dayspring from on high hath visited us,
Noho ny halehiben'ny famindram-pon'Andriamanitsika, izay hiposahan'ny mazava avy any amin'ny avo ho antsika.
To give light to them that sit in darkness and in the shadow of death, to guide our feet into the way of peace.
Hamirapiratra amin'izay mipetraka ao amin'ny maizina sy ao amin'ny aloky ny fahafatesana, Hanitsy ny diantsika ho amin'ny lalam-piadanana.
And the child grew, and waxed strong in spirit, and was in the deserts till the day of his shewing unto Israel.
Ary ny zazakely nitombo ka nihahery tam-panahy; ary nitoetra tany an-efitra izy ambara-pahatongan'ny andro nisehoany tamin'ny Isiraely.