Genesis 49

And Jacob called unto his sons, and said, Gather yourselves together, that I may tell you that which shall befall you in the last days.
Ary Jakoba namory ny zananilahy ka nanao hoe: Mivoria ianareo, mba hanambarako aminareo izay ho tonga aminareo any am-parany.
Gather yourselves together, and hear, ye sons of Jacob; and hearken unto Israel your father.
Miangòna, ka mandrenesa, ry zanakalahin'i Jakoba, eny, mihainoa an'Isiraely rainareo:
Reuben, thou art my firstborn, my might, and the beginning of my strength, the excellency of dignity, and the excellency of power:
Ry ROBENA, lahimatoako ianao, heriko sy voalohan'ny tanjako, manan-tombom-pisandratana, manan-tombon-kery.
Unstable as water, thou shalt not excel; because thou wentest up to thy father's bed; then defiledst thou it: he went up to my couch.
Mandroadroatra toy ny rano ianao ka tsy hanan-tombo, fa niakatra tamin'ny fandrian'ny rainao ianao, tamin'izany no nandotoanao azy. Endrey, ny farafarako lahy, ka dia niakarany!
Simeon and Levi are brethren; instruments of cruelty are in their habitations.
SIMEONA sy LEVY dia mpirahalahy, fiadia-mandoza ny sabany;
O my soul, come not thou into their secret; unto their assembly, mine honour, be not thou united: for in their anger they slew a man, and in their selfwill they digged down a wall.
Aza mankeo amin'izay iokoany, ry foko, ary aza miray amin'ny fiangonany. ry fanahiko; fa tamin'ny fahatezerany no namonoany olona, ary tamin'ny fahasahisahiany no nanatraingoany omby.
Cursed be their anger, for it was fierce; and their wrath, for it was cruel: I will divide them in Jacob, and scatter them in Israel.
Ho voaozona anie ny fahatezerany, fa nasiaka izany, ary ny fahavinirany, fa loza izany; hampihahakahaka azy eny amin'i Jako­ba aho, ary hanely azy eny amin'Isiraely.
Judah, thou art he whom thy brethren shall praise: thy hand shall be in the neck of thine enemies; thy father's children shall bow down before thee.
Ry JODA, hoderain'ny rahalahinao ianao, ny tananao ho ao amin'ny vozon'ny fahavalonao; hiankohoka eo anatrehanao ny zanaky ny rainao.
Judah is a lion's whelp: from the prey, my son, thou art gone up: he stooped down, he couched as a lion, and as an old lion; who shall rouse him up?
Zana-diona, Joda, avy niremby ianao, anaka; mamitsaka, mandry toy ny liona izy, ary toy ny liom-bavy, ka iza no hanaitra azy!
The sceptre shall not depart from Judah, nor a lawgiver from between his feet, until Shiloh come; and unto him shall the gathering of the people be.
Ny tehim-panjakana tsy hiala amin'i Joda, na ny tehina fanapahana eo anelanelan'ny tongony, mandra-pahatongan'i Silo, ka hanoa Azy ny firenena.
Binding his foal unto the vine, and his ass's colt unto the choice vine; he washed his garments in wine, and his clothes in the blood of grapes:
Mamatotra ny borikiny tanora eo amin'ny tahom-boaloboka izy. Ary ny zanaky ny borikivaviny eo amin'ny tahom-boaloboka tsara; nanasa ny fitafiany tamin'ny divay izy, ary ny akanjony tamin'ny ram-boaloboka.
His eyes shall be red with wine, and his teeth white with milk.
Mangamanga ny masony azon'ny divay ary fotsy ny nifiny azon'ny ronono.
Zebulun shall dwell at the haven of the sea; and he shall be for an haven of ships; and his border shall be unto Zidon.
ZEBOLONA, ao amoron-dranomasina no honenany, dia ao amoron-dranomasina fitodian-tsambo; ary ny sisin-taniny hifanolotra amin'i Sidona.
Issachar is a strong ass couching down between two burdens:
ISAKARA dia boriky henjana, mandry eo anelanelan'ny vala;
And he saw that rest was good, and the land that it was pleasant; and bowed his shoulder to bear, and became a servant unto tribute.
Ary hitany fa tsara ny fialan-tsasatra, sady mahafinaritra ny tany; dia nanongilana ny sorony hitondra entana izy ka tonga mpanompo mandoa hetra.
Dan shall judge his people, as one of the tribes of Israel.
DANA hitsara ny olony tahaka ny anankiray amin'ny firenen'ny Isiraely.
Dan shall be a serpent by the way, an adder in the path, that biteth the horse heels, so that his rider shall fall backward.
Dana ho menarana ao amoron-dalana, ho bibilava misy tandroka ao an-dalana izy, izay manaikitra ny kitrokelin'ny soavaly, ka potraka miantsilany ny mpitaingina azy.
I have waited for thy salvation, O LORD.
Ny famonjenao no andrasako, Jehovah ô!
Gad, a troop shall overcome him: but he shall overcome at the last.
GADA, ny manao andiany hamoritra azy; fa izy kosa hamely ny otrika.
Out of Asher his bread shall be fat, and he shall yield royal dainties.
ASERA dia avy ao aminy ny matavy fihinany, ary izy no ihavian'ny hanim-pin'andriana.
Naphtali is a hind let loose: he giveth goodly words.
NAFTALY dia dieravavy alefa; manao teny mahafinaritra izy.
Joseph is a fruitful bough, even a fruitful bough by a well; whose branches run over the wall:
JOSEFA dia sampana mahavokatra, eny, sampana mahavokatra eo anilan-doharano; ny rantsany mananika mihoatra ny fefy.
The archers have sorely grieved him, and shot at him, and hated him:
Nampahory azy ny mpitifitra, dia nitifitra azy sy nanenjika azy;
But his bow abode in strength, and the arms of his hands were made strong by the hands of the mighty God of Jacob; (from thence is the shepherd, the stone of Israel:)
Kanefa mateza hery ny tsipìkany, ary mailamailaka ny sandrin-tànany, avy amin'ny tànan'Ilay Maherin'i Jakoba, dia avy ao amin'ny Mpiandry, Izay Vatolampin'ny Isiraely,
Even by the God of thy father, who shall help thee; and by the Almighty, who shall bless thee with blessings of heaven above, blessings of the deep that lieth under, blessings of the breasts, and of the womb:
Avy amin'ny Andriamanitry ny rainao, ka Izy hamonjy anao avy amin'ny Tsitoha, ka Izy hitahy anao: Dia fitahiana avy amin'ny lanitra any ambony, sy fitahiana avy amin'ny lalina, izay mamitsaka any ambany, ary fitahiana avy amin'ny nono sy ny kibo.
The blessings of thy father have prevailed above the blessings of my progenitors unto the utmost bound of the everlasting hills: they shall be on the head of Joseph, and on the crown of the head of him that was separate from his brethren.
Ny tso-dranon'ny rainao dia mihoatra noho ny havoana mandrakizay sy ny zavatra mahafinaritra amin'ny tendrombohitra fahagola; ho eo an-dohan'i Josefa izany, dia ho eo an-tampon-dohan'ilay nalaza tamin'ny rahalahiny.
Benjamin shall ravin as a wolf: in the morning he shall devour the prey, and at night he shall divide the spoil.
BENJAMINA dia amboadia mamiravira: Nony maraina homan-dremby izy, nony hariva mizara babo.
All these are the twelve tribes of Israel: and this is it that their father spake unto them, and blessed them; every one according to his blessing he blessed them.
Ireo rehetra ireo no firenen'ny Isiraely roa ambin'ny folo; ary izany no nolazain'ny rainy taminy sy nitsofany rano azy; samy araka ny tso-drano izay tokony ho azy avy no nitsofany rano azy.
And he charged them, and said unto them, I am to be gathered unto my people: bury me with my fathers in the cave that is in the field of Ephron the Hittite,
Dia nanafatra azy izy ka nanao taminy hoe: Izaho efa madiva hangonina ho any amin'ny razako; aleveno ao amin'ny razako aho, dia ao anatin'ny zohy izay any amin'ny sahan'i Efrona Hetita,
In the cave that is in the field of Machpelah, which is before Mamre, in the land of Canaan, which Abraham bought with the field of Ephron the Hittite for a possession of a buryingplace.
ao anatin'ny zohy izay any amin'ny saha Makpela, izay tandrifin'i Mamre, any amin'ny tany Kanana, dia ilay novidin'i Abrahama mbamin'ny saha tamin'i Efrona Hetita ho tany fandevenana.
There they buried Abraham and Sarah his wife; there they buried Isaac and Rebekah his wife; and there I buried Leah.
Tao no nandevenany an'i Abrahama sy Saraha vadiny; ary tao koa no nandevenany an'Isaka sy Rebeka vadiny; ary tao koa no nandevenako an'i Lea,
The purchase of the field and of the cave that is therein was from the children of Heth.
ny saha sy ny zohy ao anatiny izay novidiny tamin'ny taranak'i Heta.
And when Jacob had made an end of commanding his sons, he gathered up his feet into the bed, and yielded up the ghost, and was gathered unto his people.
Ary rehefa vitan'i Jakoba ny hafatra nataony tamin'ny zananilahy rehetra, dia navonkiny teo am-parafara ny tongony, dia niala aina izy ka voangona any amin'ny razany.