Exodus 32

And when the people saw that Moses delayed to come down out of the mount, the people gathered themselves together unto Aaron, and said unto him, Up, make us gods, which shall go before us; for as for this Moses, the man that brought us up out of the land of Egypt, we wot not what is become of him.
Ary rehefa hitan'ny olona fa efa ela ka tsy mbola nidina avy tao an-tendrombohitra ihany Mosesy, dia niangona ho eo amin'i Arona izy ka nanao taminy hoe: Mitsangana, ka anaovy andriamanitra izahay, hitarika antsika eo aloha; fa ilay Mosesy iny, izay lehilahy nitondra antsika niakatra avy tany amin'ny tany Egypta, dia tsy fantatray izay nanjo azy,
And Aaron said unto them, Break off the golden earrings, which are in the ears of your wives, of your sons, and of your daughters, and bring them unto me.
Ary hoy Arona taminy: Romboty ary ny kavim-bolamena, izay eny amin'ny sofin'ny vadinareo sy ny zanakareo-lahy ary ny zanakareo-vavy, ka ento etỳ amiko.
And all the people brake off the golden earrings which were in their ears, and brought them unto Aaron.
Ary ny olona rehetra dia nandrombotra ny kavim-bolamena izay teny amin'ny sofiny ka nitondra azy ho eo amin'i Arona.
And he received them at their hand, and fashioned it with a graving tool, after he had made it a molten calf: and they said, These be thy gods, O Israel, which brought thee up out of the land of Egypt.
Ary izy nandray azy tamin'ny tanan'ny olona, dia namboatra azy tamin'ny fandraka ka nanao azy ho ombilahy kely anidina; dia niteny ny olona ka nanao hoe: Io no andriamanitrao, ry Isiraely, izay nitondra anao niakatra avy tany amin'ny tany Egypta.
And when Aaron saw it, he built an altar before it; and Aaron made proclamation, and said, To morrow is a feast to the LORD.
Ary raha hitan'i Arona izany, dia nanao alitara teo anoloany izy; ary dia niantso Arona ka nanao hoe: Andro firavoravoana ho an'i Jehovah rahampitso.
And they rose up early on the morrow, and offered burnt offerings, and brought peace offerings; and the people sat down to eat and to drink, and rose up to play.
Dia nifoha maraina koa ny olona ka nanatitra fanatitra dorana sy nitondra fanati-pihavanana; ary nipetraka hihinana sy hisotro ny olona, dia nitsangana hilalao.
And the LORD said unto Moses, Go, get thee down; for thy people, which thou broughtest out of the land of Egypt, have corrupted themselves:
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ma­ndehana midina ianao; fa efa nanao ratsy ny olonao izay nentinao niakatra avy tany amin'ny tany Egypta.
They have turned aside quickly out of the way which I commanded them: they have made them a molten calf, and have worshipped it, and have sacrificed thereunto, and said, These be thy gods, O Israel, which have brought thee up out of the land of Egypt.
Nalaky nivily niala tamin'ny lalàna izay nasaiko nalehany izy ka efa nanao ombilahy kely anidina ho azy; ary efa niankohoka teo anatrehany sy namono zavatra hatao fanatitra taminy izy ka nanao hoe: Io no andriamanitrao, ry Isiraely, izay nitondra anao niakatra avy tany amin'ny tany Egypta.
And the LORD said unto Moses, I have seen this people, and, behold, it is a stiffnecked people:
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Efa hitako io firenena io, fa, indro, firenena mafy hatoka izy.
Now therefore let me alone, that my wrath may wax hot against them, and that I may consume them: and I will make of thee a great nation.
Koa ankehitriny avelao hirehitra aminy ny fahatezerako, ka haringako izy; fa hahatonga anao ho firenena lehibe Aho.
And Moses besought the LORD his God, and said, LORD, why doth thy wrath wax hot against thy people, which thou hast brought forth out of the land of Egypt with great power, and with a mighty hand?
Fa Mosesy nifona tamin'i Jehovah Andriamaniny ka nanao hoe: Jehovah ô, na­hoana ny fahatezeranao no mirehitra amin'ny olonao, izay nentinao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta tamin'ny hery lehibe sy ny tanana mahery?
Wherefore should the Egyptians speak, and say, For mischief did he bring them out, to slay them in the mountains, and to consume them from the face of the earth? Turn from thy fierce wrath, and repent of this evil against thy people.
Nahoana ny Egyptiana no avela hilaza hoe: Mba hahita loza no nitondrany ireny nivoaka, hamonoany azy eny an-tendrombohitra sy handringanany azy tsy ho ambonin'ny tany? Mialà amin'ny fahatezeranao mirehitra, ka manenena ny amin'ny loza izay hanjo ny olonao.
Remember Abraham, Isaac, and Israel, thy servants, to whom thou swarest by thine own self, and saidst unto them, I will multiply your seed as the stars of heaven, and all this land that I have spoken of will I give unto your seed, and they shall inherit it for ever.
Tsaro­vy Abrahama sy Isaka ary Isiraely mpanomponao, izay nianiananao tamin'ny tenanao sy nilazanao hoe: Hahamaro ny taranakareo Aho ho tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra; ary izany tany rehetra nolazaiko izany dia homeko ny taranakareo, ary izy handova izany mandrakizay.
And the LORD repented of the evil which he thought to do unto his people.
Ary Jehovah dia nanenina ny amin'ny loza izay nokasainy hamelezana ny olony.
And Moses turned, and went down from the mount, and the two tables of the testimony were in his hand: the tables were written on both their sides; on the one side and on the other were they written.
Ary Mosesy nihodina ka nidina avy tao an-tendrombohitra, nitondra ny vato fisaka roa nisy ny Vavolombelona teny an-tànany; ny vato fisaka nosoratana teo amin'ny lafiny roa: dia teo anatrehany sy teo ambadika no nisy ny soratra.
And the tables were the work of God, and the writing was the writing of God, graven upon the tables.
Ary ny vato fisaka dia asan'Andriamanitra, ary ny soratra dia soratr'Andriamanitra, voasoratra teo amin'ny vato fisaka.
And when Joshua heard the noise of the people as they shouted, he said unto Moses, There is a noise of war in the camp.
Ary rehefa ren'i Josoa ny fitabataban'ny olona izay nihorakoraka, dia hoy izy tamin'i Mosesy: Misy tabataban'ady atsy an-toby.
And he said, It is not the voice of them that shout for mastery, neither is it the voice of them that cry for being overcome: but the noise of them that sing do I hear.
Fa hoy kosa izy: Tsy feo fihobian'ny mahery na feo fitomanian'ny resy no reko, fa feon'ny mihira.
And it came to pass, as soon as he came nigh unto the camp, that he saw the calf, and the dancing: and Moses' anger waxed hot, and he cast the tables out of his hands, and brake them beneath the mount.
Ary raha nanakaiky ny toby izy, dia nahita ny ombilahy kely sy ny dihy; ary nirehitra ny fahatezeran'i Mosesy, dia natontany ny vato fisaka teny an-tànany ka novakivakiny teo am-bodin'ny tendrombohitra.
And he took the calf which they had made, and burnt it in the fire, and ground it to powder, and strawed it upon the water, and made the children of Israel drink of it.
Dia nalainy ilay ombilahy kely izay efa nataon'ny olona ka nodorany tamin'ny afo, ary notorotoroiny ho vovoka, dia nafafiny tambonin'ny rano ka nampisotroiny ny Zanak'Isiraely.
And Moses said unto Aaron, What did this people unto thee, that thou hast brought so great a sin upon them?
Ary hoy Mosesy tamin'i Arona: Inona no nataon'ity firenena ity taminao, no nitondranao heloka lehibe taminy?
And Aaron said, Let not the anger of my lord wax hot: thou knowest the people, that they are set on mischief.
Fa hoy kosa Arona: Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao, tompoko, fa ianao mahalala ny toetry ny olona, fa mpanao ratsy izy;
For they said unto me, Make us gods, which shall go before us: for as for this Moses, the man that brought us up out of the land of Egypt, we wot not what is become of him.
ary hoy izy tamiko: Manaova andriamanitra ho antsika, hitarika antsika eo aloha; fa ilay Mosesy iny, izay lehilahy nitondra antsika niakatra avy tany amin'ny tany Egypta, dia tsy fantatray izay nanjo azy.
And I said unto them, Whosoever hath any gold, let them break it off. So they gave it me: then I cast it into the fire, and there came out this calf.
Ary hoy izaho taminy: Na zovy na zovy manam-bolamena, aoka handrombotra izany izy, ka dia nomeny ahy; ary natsipiko tao anaty afo izany, ka io ombilahy kely io no nivoaka.
And when Moses saw that the people were naked; (for Aaron had made them naked unto their shame among their enemies:)
Ary rehefa hitan'i Mosesy fa natondraka hanaram-po amin'izay tsy mety ny olona, satria efa natondrak'i Arona ho fanakorana eo amin'ny fahavalony izy,
Then Moses stood in the gate of the camp, and said, Who is on the LORD'S side? let him come unto me. And all the sons of Levi gathered themselves together unto him.
dia nijanona teo amin'ny vavahadin'ny toby Mosesy ka nanao hoe: Izay rehetra an'i Jehovah mankanesa etỳ amiko. Ary ny taranak'i Levy rehetra niangona teo aminy.
And he said unto them, Thus saith the LORD God of Israel, Put every man his sword by his side, and go in and out from gate to gate throughout the camp, and slay every man his brother, and every man his companion, and every man his neighbour.
Dia hoy izy taminy: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Samia manao ny sabany eo am-balahany avy ianareo, dia mandrosoa sy miverimberena amin'isam-bavahadin'ny toby, ary samia mamono ny rahalahiny avy sy ny sakaizany avy ary ny namany avy ianareo.
And the children of Levi did according to the word of Moses: and there fell of the people that day about three thousand men.
Dia nanao araka ny tenin'i Mosesy ny taranak'i Levy; ary nahafatesana tokony ho telo arivo lahy ny olona tamin'izany andro izany.
For Moses had said, Consecrate yourselves to day to the LORD, even every man upon his son, and upon his brother; that he may bestow upon you a blessing this day.
Fa Mosesy efa nilaza hoe: Manokàna ny tenanareo ho an'i Jehovah ianareo anio; eny, samia mamono ny zanany sy ny rahalahiny avy, mba hahazoanareo fitahiana anio.
And it came to pass on the morrow, that Moses said unto the people, Ye have sinned a great sin: and now I will go up unto the LORD; peradventure I shall make an atonement for your sin.
Ary nony maraina dia hoy Mosesy tamin'ny olona: Efa nanao fahotana lehibe ianareo; ary ankehitriny, dia hiakatra ho amin'i Jehovah aho, fa angamba hahazo manao fanavotana ny amin'ny fahotanareo.
And Moses returned unto the LORD, and said, Oh, this people have sinned a great sin, and have made them gods of gold.
Ary Mosesy dia niverina ho ao amin'i Jehovah ka nanao hoe: Indrisy! efa nanao fahotana lehibe ity firenena ity ka efa nanao andriamani-bolamena ho azy.
Yet now, if thou wilt forgive their sin―; and if not, blot me, I pray thee, out of thy book which thou hast written.
Ary ankehitriny, enga anie ka hamela ny fahotany Hianao! fa raha tsy izany, mifona aminao aho, vonoy eo amin'ny bokinao izay nosoratanao ny anarako.
And the LORD said unto Moses, Whosoever hath sinned against me, him will I blot out of my book.
Fa hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Na iza na iza nanota tamiko, dia hovonoiko ny anarany eo amin'ny bokiko.
Therefore now go, lead the people unto the place of which I have spoken unto thee: behold, mine Angel shall go before thee: nevertheless in the day when I visit I will visit their sin upon them.
Mandehana ankehitriny, ka ento ny olona ho any amin'izay efa nolazaiko taminao; indro, ny Anjeliko no hitarika anao eo aloha; ary amin'izay andro hamaliako dia hamaly azy noho ny fahotany Aho.
And the LORD plagued the people, because they made the calf, which Aaron made.
Ary Jehovah namely ny olona, satria nanao ny ombilahy kely izy, dia ilay nataon'i Arona.