I Chronicles 13

ויועץ דויד עם שרי האלפים והמאות לכל נגיד׃
Ary Davida naka saina tamin'ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato, dia ny mpifehy rehetra,
ויאמר דויד לכל קהל ישראל אם עליכם טוב ומן יהוה אלהינו נפרצה נשלחה על אחינו הנשארים בכל ארצות ישראל ועמהם הכהנים והלוים בערי מגרשיהם ויקבצו אלינו׃
Ka hoy Davida tamin'ny Isiraely rehetra izay tafangona: Raha ataonareo ho mety, sady avy amin'i Jehovah Andriamanitsika izany, dia andeha isika haniraka faingana any amin'ny rahalahintsika rehetra izay sisa amin'ny tanin'ny Isiraely rehetra ary amin'ny mpisorona sy ny Levita koa, izay any amin'ny tanànany sy ny tany manodidina azy, mba hivory atỳ amintsika;
ונסבה את ארון אלהינו אלינו כי לא דרשנהו בימי שאול׃
Ary aoka ho entintsika atỳ amintsika indray ny fiaran'Andriamanitsika; fa tsy nahoantsika tamin'ny andron'i Saoly izany.
ויאמרו כל הקהל לעשות כן כי ישר הדבר בעיני כל העם׃
Ary ny olona rehetra izay tafangona dia nanaiky hanao izany, satria marina teo imason'ny olona rehetra izany.
ויקהל דויד את כל ישראל מן שיחור מצרים ועד לבוא חמת להביא את ארון האלהים מקרית יערים׃
Dia novorin'i Davida ny Isiraely rehetra hatrany Sihora any Egypta ka hatrany akaikin'i Hamata haka ny fiaran'Andriamanitra avy any Kiriata-jearima.
ויעל דויד וכל ישראל בעלתה אל קרית יערים אשר ליהודה להעלות משם את ארון האלהים יהוה יושב הכרובים אשר נקרא שם׃
Dia niakatra Davida sy ny Isiraely rehetra hankany Bala any Joda (Kiriata-jearima izany) hampakatra ny fiaran'i Jehovah Andriamanitra, Izay mipetraka amin'ny kerobima, dia ilay niantsoany ny anarany.
וירכיבו את ארון האלהים על עגלה חדשה מבית אבינדב ועזא ואחיו נהגים בעגלה׃
Ary nentiny tamin'ny sariety vaovao niala tao an-tranon'i Abinadaba ny fiaran'Andriamanitra, ary Oza sy Ahio no nampandeha ny sariety.
ודויד וכל ישראל משחקים לפני האלהים בכל עז ובשירים ובכנרות ובנבלים ובתפים ובמצלתים ובחצצרות׃
Ary Davida sy ny Isiraely rehetra dia nitsinjaka fatratra teo anatrehan'Andriamanitra tamin'ny hira sy ny lokanga sy ny valiha sy ny ampongatapaka sy ny kipantsona ary ny trompetra.
ויבאו עד גרן כידן וישלח עזא את ידו לאחז את הארון כי שמטו הבקר׃
Ary nony tonga teo amin'ny famoloan'i Kidona izy, dia naninjitra ny tànany hihazona ny fiara Oza, satria nazeran'ny omby izany.
ויחר אף יהוה בעזא ויכהו על אשר שלח ידו על הארון וימת שם לפני אלהים׃
Dia nirehitra tamin'i Oza ny fahatezeran'i Jehovah, ka namely azy Izy noho ny naninjirany ny tànany tamin'ny fiara, dia maty teo anatrehan'Andriamanitra izy.
ויחר לדויד כי פרץ יהוה פרץ בעזא ויקרא למקום ההוא פרץ עזא עד היום הזה׃
Ary dia tezitra Davida noho ny namelezan'i Jehovah an'i Oza, ka dia nataony hoe Perez-oza no anaran'izany tany izany mandraka androany.
ויירא דויד את האלהים ביום ההוא לאמר היך אביא אלי את ארון האלהים׃
Ary Davida natahotra an'Andriamanitra tamin'izany andro izany ka nanao hoe: Nahoana aho no hitondra ny fiaran'Andriamanitra ho atỳ amiko?
ולא הסיר דויד את הארון אליו אל עיר דויד ויטהו אל בית עבד אדם הגתי׃
Dia tsy nafindran'i Davida ho ao aminy ao an-tanànan'i Davida ny fiara, fa naviliny ho ao an-tranon'i Obededoma Gatita.
וישב ארון האלהים עם בית עבד אדם בביתו שלשה חדשים ויברך יהוה את בית עבד אדם ואת כל אשר לו׃
Ary nipetraka telo volana tao amin'ny ankohonan'i Obed-edoma tao an-tranony ny fiaran'Andriamanitra; ka dia notahin'i Jehovah ny ankohonan'i Obed-edoma sy izay rehetra nananany.