Hebrews 7

En effet, ce Melchisédek, roi de Salem, sacrificateur du Dieu Très-Haut, -qui alla au-devant d'Abraham lorsqu'il revenait de la défaite des rois, qui le bénit,
Fa io Melkizedeka io, izay mpanjakan'i Salema sy mpisoron'Andriamanitra Avo Indrindra, ilay nitsena an'i Abrahama, rehefa niverina avy nandresy ny mpanjaka maro izy ka nitso-drano azy,
et à qui Abraham donna la dîme de tout, -qui est d'abord roi de justice, d'après la signification de son nom, ensuite roi de Salem, c'est-à-dire roi de paix, -
sady nomen'i Abrahama ny ampahafolon'ny zavatra rehetra aza (voalohany, raha adika ny anarany, dia Mpanjakan'ny fahamarinana, dia vao Mpanjakan'i Salema koa, izany hoe: Mpanjakan'ny fiadanana;
qui est sans père, sans mère, sans généalogie, qui n'a ni commencement de jours ni fin de vie, -mais qui est rendu semblable au Fils de Dieu, -ce Melchisédek demeure sacrificateur à perpétuité.
tsy manan-dray, tsy manan-dreny, tsy manana tantaram-pirazanana, tsy manana voalohan'andro na faran'ny fiainana, fa natao tahaka ny Zanak'Andriamanitra),- izy dia mitoetra ho mpisorona mandrakariva.
Considérez combien est grand celui auquel le patriarche Abraham donna la dîme du butin.
Ary hevero ny halehiben'io lehilahy io -, izay nomen'i Abrahama patriarka ny ampahafolon'izay tsara tamin'ny zavatra nobaboina.
Ceux des fils de Lévi qui exercent le sacerdoce ont, d'après la loi, l'ordre de lever la dîme sur le peuple, c'est-à-dire, sur leurs frères, qui cependant sont issus des reins d'Abraham;
Ary izay avy tamin'ny taranak'i Levy ka mandray ny fisoronana no mahazo teny haka ny fahafolon-karena amin'ny olona araka ny lalàna, dia amin'ny rahalahiny izany, na dia teraky ny kibon'i Abrahama aza ireny;
et lui, qui ne tirait pas d'eux son origine, il leva la dîme sur Abraham, et il bénit celui qui avait les promesses.
nefa izay tsy isan'ny firazanan'ireo akory no nandray ny fahafolon-karena tamin'i Abrahama sy nitso-drano ilay nanana ny teny fikasana.
Or c'est sans contredit l'inférieur qui est béni par le supérieur.
Ary tsy azo lavina akory anefa fa ny kely no mahazo tso-drano amin'ny lehibe noho ny tenany.
Et ici, ceux qui perçoivent la dîme sont des hommes mortels; mais là, c'est celui dont il est attesté qu'il est vivant.
Ary etỳ dia izay olona mety maty no mandray ny fahafolon-karena, fa any kosa dia izay nambara fa velona.
De plus, Lévi, qui perçoit la dîme, l'a payée, pour ainsi dire, par Abraham;
Ary toa azo lazaina fa Levy aza, izay mandray ny fahafolon-karena, dia mba nandoa ny fahafolon-karena koa tao anatin'i Abrahama,
car il était encore dans les reins de son père, lorsque Melchisédek alla au-devant d'Abraham.
satria mbola tao an-kibon-drainy ihany izy tamin'ny nitsenan'i Melkizedeka an'i Abrahama.
Si donc la perfection avait été possible par le sacerdoce Lévitique, -car c'est sur ce sacerdoce que repose la loi donnée au peuple, -qu'était-il encore besoin qu'il parût un autre sacrificateur selon l'ordre de Melchisédek, et non selon l'ordre d'Aaron?
Koa raha nisy fanatanterahana tamin'ny fisoronan'i Levy (fa tamin'izany no nahazoan'ny olona ny lalàna), ahoana no mbola ilana mpisorona hafa hiseho araka ny fanaon'i Melkizedeka ihany, izay tsy hotononina ho araka ny fanaon'i Arona?
Car, le sacerdoce étant changé, nécessairement aussi il y a un changement de loi.
Fa raha ovana ny fisoronana, dia tsy maintsy ovana koa ny lalàna.
En effet, celui de qui ces choses sont dites appartient à une autre tribu, dont aucun membre n'a fait le service de l'autel;
Fa Izay nolazaina amin'izany teny izany dia avy tamin'ny firenena hafa, izay tsy nisy olona manompo eo amin'ny alitara.
car il est notoire que notre Seigneur est sorti de Juda, tribu dont Moïse n'a rien dit pour ce qui concerne le sacerdoce.
Fa hita marimarina fa avy tamin'ny Joda no nisehoan'ny Tompontsika, ary izany firenena izany dia tsy nisy nolazain'i Mosesy akory ny amin'izay ho mpisorona.
Cela devient plus évident encore, quand il paraît un autre sacrificateur à la ressemblance de Melchisédek,
Ary hita marimarina kokoa indray izany, raha misy Mpisorona hafa miseho ka tahaka an'i Melkizedeka,
institué, non d'après la loi d'une ordonnance charnelle, mais selon la puissance d'une vie impérissable;
izay natao tsy araka ny lalàn'izay didy momba ny nofo, fa araka ny herin'ny fiainana tsy manam-pahataperana.
car ce témoignage lui est rendu: Tu es sacrificateur pour toujours Selon l'ordre de Melchisédek.
Fa Izy dia nambara hoe: "Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon'i Melkizedeka" (Sal.110.4).
Il y a ainsi abolition d'une ordonnance antérieure, à cause de son impuissance et de son inutilité, -
Fa misy fahafoanana ny didy nialoha noho ny halemeny sy ny tsi-fanasoavany
car la loi n'a rien amené à la perfection, -et introduction d'une meilleure espérance, par laquelle nous nous approchons de Dieu.
(fa ny lalàna dia tsy nahatanteraka na inona na inona), ary misy kosa fampidirana ny fanantenana tsaratsara kokoa, izay anatonantsika an'Andriamanitra.
Et, comme cela n'a pas eu lieu sans serment,
Ary tahaka an'i Melkizedeka tsy natao mpisorona raha tsy tamin'ny fianianana
car, tandis que les Lévites sont devenus sacrificateurs sans serment, Jésus l'est devenu avec serment par celui qui lui a dit: Le Seigneur a juré, et il ne se repentira pas: Tu es sacrificateur pour toujours, Selon l'ordre de Melchisédek. -
- fa ireny kosa dia natao mpisorona tsy tamin'ny fianianana, fa Ity tamin'ny fianianana nataon'ilay nilaza taminy hoe: "Efa nianiana Jehovah ka tsy hanenina: Hianao no Mpisorona mandrakizay" (Sal. 110. 4)
Jésus est par cela même le garant d'une alliance plus excellente.
- dia tahaka izany koa no nanaovana an'i Jesosy ho Mpiantoka ny fanekena tsara lavitra.
De plus, il y a eu des sacrificateurs en grand nombre, parce que la mort les empêchait d'être permanents.
Fa natao maro ireny mpisorona ireny. satria tsy navelan'ny fahafatesana haharitra izy;
Mais lui, parce qu'il demeure éternellement, possède un sacerdoce qui n'est pas transmissible.
fa Izy kosa dia manana fisoronana tsy dimbiasana, satria maharitra mandrakizay Izy;
C'est aussi pour cela qu'il peut sauver parfaitement ceux qui s'approchent de Dieu par lui, étant toujours vivant pour intercéder en leur faveur.
koa amin'izany dia mahavonjy tokoa izay manatona an'Andriamanitra amin'ny alalany Izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy.
Il nous convenait, en effet, d'avoir un souverain sacrificateur comme lui, saint, innocent, sans tache, séparé des pécheurs, et plus élevé que les cieux,
Fa Mpisoronabe tahaka izao no miendrika ho antsika: dia Izay masina, tsy misy tsiny, tsy misy loto, voasaraka amin'ny mpanota ka natao avo noho ny lanitra,
qui n'a pas besoin, comme les souverains sacrificateurs, d'offrir chaque jour des sacrifices, d'abord pour ses propres péchés, ensuite pour ceux du peuple, -car ceci, il l'a fait une fois pour toutes en s'offrant lui-même.
Izay tsy mila hanatitra fanatitra isan'andro tahaka ny ataon'ireny mpisoronabe ireny, voalohany noho ny otan'ny tenany, dia vao noho ny an'ny olona kosa; fa izany dia nataony indray mandeha ihany, raha nanatitra ny tenany Izy.
En effet, la loi établit souverains sacrificateurs des hommes sujets à la faiblesse; mais la parole du serment qui a été fait après la loi établit le Fils, qui est parfait pour l'éternité.
Fa ny lalàna dia manendry olona izay manana fahalemena ho mpisoronabe; fa ny tenin'ny fianianana kosa, izay tato aorian'ny lalàna, dia manendry ny Zanaka, Izay notanterahina ho mandrakizay.