I Chronicles 11

Tout Israël s'assembla auprès de David à Hébron, en disant: Voici, nous sommes tes os et ta chair.
Ary dia nivory teo amin'i Davida tao Hebrona ny Isiraely rehetra ka nanao hoe: Indreto izahay, fa taolanao sy nonao.
Autrefois déjà, même lorsque Saül était roi, c'était toi qui conduisais et qui ramenais Israël. L'Eternel, ton Dieu, t'a dit: Tu paîtras mon peuple d'Israël, et tu seras le chef de mon peuple d'Israël.
Hatry ny fahiny ihany koa, fony Saoly mbola nanjaka aza, dia ianao ihany no mpitarika ny Isiraely nivoaka sy niditra; ary hoy Jehovah Andriamanitrao taminao; Hianao no ho mpiandry ny Isiraely oloko, ary ianao no ho mpanapaka azy.
Ainsi tous les anciens d'Israël vinrent auprès du roi à Hébron, et David fit alliance avec eux à Hébron, devant l'Eternel. Ils oignirent David pour roi sur Israël, selon la parole de l'Eternel, prononcée par Samuel.
Eny, tonga tao amin'ny mpanjaka tao Hebrona ny loholon'ny Isiraely rehetra; ary Davida nanao fanekena taminy tao Hebrona teo anatrehan'i Jehovah; ary dia nanosotra an'i Davida ho mpanjakan'ny Isiraely izy araka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Samoela.
David marcha avec tout Israël sur Jérusalem, qui est Jebus. Là étaient les Jébusiens, habitants du pays.
Ary Davida sy ny Isiraely rehetra nankany Jerosalema (Jebosa izany); ary tao ny Jebosita tompon-tany.
Les habitants de Jebus dirent à David: Tu n'entreras point ici. Mais David s'empara de la forteresse de Sion: c'est la cité de David.
Ary hoy ny mponina tao Jebosa tamin'i Davida: Tsy ho tafiditra eto ianao. Kanjo afak'i Davida ihany ny batery fiarovana, dia Ziona (Tanànan'i Davida izany).
David avait dit: Quiconque battra le premier les Jébusiens sera chef et prince. Joab, fils de Tseruja, monta le premier, et il devint chef.
Ary hoy Davida: Na iza na iza no hamely voalohany ny Jebosita, dia izy no ho lohany sy ho komandy. Ary Joaba, zanak'i Zeroia, no niakatra voalohany, ka dia izy no lohany.
David s'établit dans la forteresse; c'est pourquoi on l'appela cité de David.
Dia nitoetra tao anatin'ny batery fiarotana Davida, ka izany no nanaovana ny anarany hoe Tanànan'i Davida
Il fit tout autour de la ville des constructions, depuis Millo et aux environs; et Joab répara le reste de la ville.
Ary nandrafitra ny manodidina ny tanàna hatrany Milo izy; ary Joaba nampamboatra ny sisa tamin'ny tanàna.
David devenait de plus en plus grand, et l'Eternel des armées était avec lui.
Koa dia nandroso nihalehibe Davida; fa Jehovah, Tompon'ny maro, no nomba azy.
Voici les chefs des vaillants hommes qui étaient au service de David, et qui l'aidèrent avec tout Israël à assurer sa domination, afin de l'établir roi, selon la parole de l'Eternel au sujet d'Israël.
Ary izao no lohan'ny lehilahy maherin'i Davida izay nifikitra mafy taminy tamin'ny fanjakany, mbamin'ny Isiraely rehetra hampanjaka azy araka ny tenin'i Jehovah ny amin'ny Isiraely.
Voici, d'après leur nombre, les vaillants hommes qui étaient au service de David. Jaschobeam, fils de Hacmoni, l'un des principaux officiers. Il brandit sa lance sur trois cents hommes, qu'il fit périr en une seule fois.
Dia izao no isan'ny lehilahy maherin'i Davida: Jasobeama, zanak'i Hakmony, lehiben'ny mpanafika malaza; izy no namely telon-jato lahy tamin'ny lefona ka naharingana azy tamin'ny ady indray mandeha monja.
Après lui, Eléazar, fils de Dodo, l'Achochite, l'un des trois guerriers.
Ary ny manarakaraka azy dia Eleazara, zanak'i Dodo Ahohita, anankiray amin'izy telo lahy mahery.
Il était avec David à Pas-Dammim, où les Philistins s'étaient rassemblés pour combattre. Il y avait là une pièce de terre remplie d'orge; et le peuple fuyait devant les Philistins.
Izy dia teo amin'i Davida tao Efesa-damima, raha vory teo ny Filistina hiady, ary ny tany nisy vary hordea maniry, ary ny olona nandositra ny Filistina.
Ils se placèrent au milieu du champ, le protégèrent, et battirent les Philistins. Et l'Eternel opéra une grande délivrance.
Fa nijanona teo afovoan'io tany io kosa Eleazara ka nahazo io ary namono ny Filistina, ka dia nanao famonjena lehibe Jehovah.
Trois des trente chefs descendirent auprès de David sur le rocher dans la caverne d'Adullam, lorsque le camp des Philistins était dressé dans la vallée des Rephaïm.
Ary nisy telo lahy malaza tamin'ny telo-polo nidina nankeo amin'ny vatolampy ho any amin'i Davida tamin'ny zohin'i Adolama; ary ny miaramilan'ny Filistina nitoby tao amin'ny Lohasahan'ny Refaita.
David était alors dans la forteresse, et il y avait un poste de Philistins à Bethléhem.
Ary Davida dia tao amin'ny batery fiarovana tamin'izay, ary ny miaramilan'ny Filistina kosa dia tao Betlehema.
David eut un désir, et il dit: Qui me fera boire de l'eau de la citerne qui est à la porte de Bethléhem?
Ary Davida naniry ka nanao hoe: Enga anie ka hisy hampisotro rano ahy avy amin'ny fantsakana ao Betlehema, ilay ao akaikin'ny vavahady.
Alors les trois hommes passèrent au travers du camp des Philistins, et puisèrent de l'eau de la citerne qui est à la porte de Bethléhem. Ils l'apportèrent et la présentèrent à David; mais David ne voulut pas la boire, et il la répandit devant l'Eternel.
Ary izy telo lahy ireo namaky teo amin'ny miaramilan'ny Filistina ka nanovo rano tao amin'ny fantsakana tao Betlehema, ilay tao akaikin'ny vavahady, dia nentiny ho any amin'i Davida. Kanjo tsy nety nisotro izy, fa naidiny ho an'i Jehovah.
Il dit: Que mon Dieu me garde de faire cela! Boirais-je le sang de ces hommes qui sont allés au péril de leur vie? Car c'est au péril de leur vie qu'ils l'ont apportée. Et il ne voulut pas la boire. Voilà ce que firent ces trois vaillants hommes.
Fa hoy izy: Sanatria amiko eo anatrehan'Andriamanitra raha hanao izany; hisotro ny ran'ireto olona nanao vi-very ny ainy ireto va aho? fa nanao vi-very ny ainy izy ireo tamin'ny nakany ity. Ka dia tsy nety nisotro izy. Izany zavatra izany no nataon'ireo telo lahy mahery ireo.
Abischaï, frère de Joab, était le chef des trois. Il brandit sa lance sur trois cents hommes, et les tua; et il eut du renom parmi les trois.
Ary Abisay, rahalahin'i Joaba, no lehibe tamin'izy telo lahy; fa izy koa namely telonjato lahy tamin'ny lefona ka nahafaty azy, ka dia izy no nalaza tamin'izy telo lahy.
Il était le plus considéré des trois de la seconde série, et il fut leur chef; mais il n'égala pas les trois premiers.
Eny, tamin'izy telo lahy dia izy no nanana voninahitra mihoatra noho ny azy roa lahy, fa izy no lehibeny; nefa tsy nahomby azy telo lahy teo izy.
Benaja, fils de Jehojada, fils d'un homme de Kabtseel, rempli de valeur et célèbre par ses exploits. Il frappa les deux lions de Moab. Il descendit au milieu d'une citerne, où il frappa un lion, un jour de neige.
Ary Benaia, zanak'i Joiada, zanaky ny lehilahy mahay tany Kabzela, izay nahavita asa be, izy no nahafaty ny roa lahy mahery tany Moaba; ary izy koa no nidina namono ny liona tao anatin'ny lavaka fantsakana tamin'ilay andro nisy oram-panala iny.
Il frappa un Egyptien d'une stature de cinq coudées et ayant à la main une lance comme une ensouple de tisserand; il descendit contre lui avec un bâton, arracha la lance de la main de l'Egyptien, et s'en servit pour le tuer.
Ary izy koa no namono ilay Egyptiana makadiry, izay dimy hakiho ny halavany, nefa teny an-tànan'ilay Egyptiana nisy lefona tahaka ny vodi-tenon'ny mpanenona; nefa namorotsahan'i Benaia tamin'ny tehiny ihany izy, dia nosarihany ny lefona teny an-tànan'ilay Egyptiana, ka iny lefony iny ihany no namonoany azy.
Voilà ce que fit Benaja, fils de Jehojada; et il eut du renom parmi les trois vaillants hommes.
Izany zavatra izany no nataon'i Benaia, zanak'i Joiada, ary tamin'izy telo lahy mahery dia izy no nalaza.
Il était le plus considéré des trente; mais il n'égala pas les trois premiers. David l'admit dans son conseil secret.
Indro fa be voninahitra tamin'ny telo-polo lahy izy, nefa tsy nahomby azy telo lahy teo; ary Davida nanao azy ho isan'ny mpanolo-tsaina azy.
Hommes vaillants de l'armée: Asaël, frère de Joab. Elchanan, fils de Dodo, de Bethléhem.
Ary ny lehilahy mahery dia Asahela, rahalahin'i Joaba, sy Elanana, zanak'i Dodo, avy any Betlehema,
Schammoth, d'Haror. Hélets, de Palon.
sy Samota Harorita sy Haleza Pelonita
Ira, fils d'Ikkesch, de Tekoa. Abiézer, d'Anathoth.
sy Ira, zanak'Ikesy Tekoita, sy Abiezera Anatotita
Sibbecaï, le Huschatite. Ilaï, d'Achoach.
sy Sibekay Hosatita sy Ely Ahohita
Maharaï, de Nethopha. Héled, fils de Baana, de Nethopha.
sy Maharay Netofatita sy Heleda, zanak'i Bana Netofatita,
Ithaï, fils de Ribaï, de Guibea des fils de Benjamin. Benaja, de Pirathon.
sy Itahy, zanak'i Ribay avy any Gibean'ny taranak'i Benjamina, sy Benaia Piratonita
Huraï, de Nachalé-Gaasch. Abiel, d'Araba.
sy Horay, any amin'ny lohasahan-driak'i Gasy, sy Abiela Arbatita
Azmaveth, de Bacharum. Eliachba, de Schaalbon.
sy Azmaveta Baharomita sy Eliaba Salbonita
Bené-Haschem, de Guizon. Jonathan, fils de Schagué, d'Harar.
sy ny zanak'i Hasema Gizonita sy Jonatana, zanak'i Sage Hararita,
Achiam, fils de Sacar, d'Harar. Eliphal, fils d'Ur.
sy Ahiama, zanak'i Sakara Hararita, sy Elifala, zanak'i Ora,
Hépher, de Mekéra. Achija, de Palon.
sy Hefera Mekeratita sy Ahia Pelonita
Hetsro, de Carmel. Naaraï, fils d'Ezbaï.
sy Hezro Karmelita sy Naray, zanak'i Ezbay,
Joël, frère de Nathan. Mibchar, fils d'Hagri.
sy Joela, rahalahin'i Natana, sy Mibara, zanak'i Hagry.
Tsélek, l'Ammonite. Nachraï, de Béroth, qui portait les armes de Joab, fils de Tseruja.
sy Zaleta Amonita sy Naharay Berotita, mpitondra ny fiadian'i Joaba, zanak'i Zeroia,
Ira, de Jéther. Gareb, de Jéther.
sy Ira Jitrita sy Gareba Jitrita
Urie, le Héthien. Zabad, fils d'Achlaï.
sy Oria Hetita sy Zabada, zanak'i Ahelay,
Adina, fils de Schiza, le Rubénite, chef des Rubénites, et trente avec lui.
sy Adina, zanak'i Siza Robenita, mpifehy ny Robenita, ary ny namany telo-polo lahy koa,
Hanan, fils de Maaca. Josaphat, de Mithni.
sy Hanana, zanak'i Maka, sy Josafata Mitnita
Ozias, d'Aschtharoth. Schama et Jehiel, fils de Hotham, d'Aroër.
sy Ozia Astartita ary Sama sy Jeiela, zanak'i Hotama Aroerita,
Jediaël, fils de Schimri. Jocha, son frère, le Thitsite.
sy Jediaela, zanak'i Simry, sy Joha Tizita rahalahiny
Eliel, de Machavim, Jeribaï et Joschavia, fils d'Elnaam. Jithma, le Moabite.
sy Eliala Mahavita sy Jeribay sy Josavia, zanak'i Elnama, sy Jitma Moabita
Eliel, Obed et Jaasiel-Metsobaja.
sy Eliala sy Obeda ary Jasiela Mezobaita.