I Chronicles 7

Jisakarovi su sinovi bili Tola i Fua, Jašub i Šimron, njih četvorica.
Ary ny zanakalahin'Isakara dia Tola sy Poa sy Jasoba ary Simrona; efatra izy.
Tolini sinovi: Uzi, Refaja, Jeriel, Jahmaj, Jibsam i Samuel, glavari obitelji od Tole, hrabri junaci svrstani po srodstvu; bilo ih je na broju za Davidova vremena dvadeset i dvije tisuće i šest stotina.
Ary ny zanakalahin'i Tola dia Ozy sy Refaia sy Jeriela sy Jamay sy Jibsama ary Samoela, samy lohan'ny fianakaviany avy, dia zanak'i Tola sady samy lehilahy mahery tamin'ny fokony avy ireo; enin-jato amby roa arivo sy roa alina no isany tamin'ny andron'i Davida.
Uzijevi sinovi: Jizrahja; Jizrahjini sinovi: Mihael, Obadja, Joel i Jišija, u svemu pet glavara.
Ary ny zanakalahin'i Ozy dia Jizrahia. Ary ny zanakalahin'i Jizrahia dia Mikaela sy Obadia sy Joela ary Jisia; dimy izy; loholona avokoa izy rehetra ireo.
S njima je po obiteljima srodnih bilo u vojnim četama za rat trideset i šest tisuća ljudi, jer su imali mnogo žena i sinova.
Ary nanana miaramila antokotokony izy araka ny fireneny sy ny fianakaviany avy, dia enina arivo amby telo alina; fa maro ny vady aman-janak'ireo.
Njihove braće po svim Jisakarovim rodovima, hrabrih junaka, bilo je svega osamdeset i sedam tisuća i svi su bili popisani u plemenskim rodovnicima.
Ary ny rahalahiny ao amin'ny fokon'ny Isakara rehetra, izay samy lehilahy mahery, ny isan'izy rehetra araka ny firazanany avy dia fito arivo amby valo alina.
Benjaminovi sinovi: Bela, Beker i Jediael, njih trojica.
Ny zanakalahin'i Benjamina dia Bela sa Bakera ary Jediaela; telo izy.
Belini sinovi: Esbon, Uzi, Uziel, Jerimot i Iri, pet obiteljskih glavara, hrabrih junaka; u plemenskom popisu bilo je zapisanih dvadeset dvije tisuće i trideset četiri.
Ary ny zanakalahin'i Bela dia Ezbona sy Ozy sy Oziela sy Jerimota ary Iry; dimy izy, ary samy lohan'ny fianakaviany avy sady lehilahy mahery avokoa; ary ny Isany araka ny firazanany dia efatra amby telo-polo amby roa arivo sy roa alina.
Bekerovi sinovi: Zimra, Joaš, Eliezer, Elijoenaj, Omri, Jerimot, Abija, Anatot i Alamet, svi Bekerovi sinovi.
Ary ny zanakalahin'i Bakera dia Zemira sy Joasy sy Eliezera sy Elioenay sy Omry sy Jerimota sy Abia sy Anatota ary Alameta. Ireo rehetra ireo no zanakalahin'i Bakera.
U plemenskom popisu po koljenima, po obiteljskim glavarima, hrabrih junaka, bilo je zapisano dvadeset tisuća i dvije stotine.
Ary ny isany araka ny firazanany amin'ny fireneny, izay samy lohan'ny fianakaviany avy sady lehilahy mahery, dia roanjato sy roa alina.
Jediaelovi sinovi: Bilhan, Bilhanovi sinovi: Jeuš, Benjamin, Ahud, Kenaana, Zetan, Taršiš i Ahišahar.
Ny zanakalahin'i Jediaela dia Bilana; ary ny zanakalahin'i Bilana dia Jeosy sy Benjamina sy Ehoda sy Kenana sy Zetana sy Tarsisy ary Ahisahara
Svih Jediaelovih sinova po obiteljskim glavarima, hrabrih junaka, bilo je sedamnaest tisuća i dvije stotine, sve za rat sposobnih.
Ireo zanakalahin'i Jediaela rehetra ireo, araka ny lohan'ny fianakaviany, dia roan-jato amby fito arivo sy iray alina no isan'ny lehilahy mahery azo nalefa hanafika.
Šupim i Hupim. Sinovi Irovi: Hušim; njegov sin Aher.
Sopima koa sy Hopima, zanakalahin'Iry, ary Hosima, zanakalahin'i Ahera.
Naftalijevi sinovi: Jahasiel, Guni, Jeser i Šalum. Bilhini sinovi.
Ny zanakalahin'i Naftaly dia Jaziela sy Gony sy Jezera sy Saloma, samy zanakalahin'i Bila ireo.
Manašeovi sinovi: Asriel, koga je rodila Manašeova inoča Aramejka; ona je rodila i Makira, Gileadova oca.
Ny zanakalahin'i Manase dia Asriela, Izay naterany; fa ilay Syriana vaditsindranony kosa no niteraka an'i Matira, rain'i Gileada.
Makir je oženio Hupima i Šupima; sestra mu se zvala Maaka; ime drugome bilo je Selofhad, a Selofhad je imao kćeri.
Ary Makira naka vady ho an'i Hopima sy Sopima; ny anaran'ny rahavaviny dia Imaka; ary ny anaran'ny manarakaraka dia Zelofada; ary Zelofada nanan-janakavavy.
Makirova žena Maaka rodila je sina, komu je nadjela ime Pereš. Bratu mu je dala ime Šareš, a njegovi su sinovi bili Ulam i Rakem.
Ary Imaka, vadin'i Makira, niteraka zaza, ahy, ka Paresy no nataony anarany; ary Saresy no anaran'ny rahalahiny; ary ny anaran'ny zananilahy dia Olama sy Rakema.
Ulamovi sinovi: Bedan. To su sinovi Gileada, sina Makira, Manašeova sina.
Ary ny zanakalahin'i Olama dia Bedana. Ireo no zanakalahin'i Gileada, zanakalahin'i Makira, zanakalahin'i Manase.
Njegova sestra Hamoleketa rodila je Išhoda, Abiezera i Mahlu.
Ary Hamoleketa anabaviny niteraka an'Isehoda sy Abiezera ary Mahala.
Šemidini su sinovi bili: Ahjan, Šekem, Likhi i Aniam.
Ary ny zanakalahin'i Semida dia Ahiana sy Sekema sy Liky ary Aniama.
Efrajimovi sinovi: Šutelah, njegov sin Bered, njegov sin Tahat, njegov sin Elada, njegov sin Tahat,
Ary ny zanakalahin'i Efraima dia Sotela (Bareda no zanakalahin'i Sotela, Tahata no zanakalahin'i Bareda, Elada no zanakalahin'i Tahata, Tahata no zanakalahin'i Elada,
njegov sin Zabad, njegov sin Šutelah, Ezer i Elad. Njih su ubili gatski građani, rođeni u zemlji, jer su sišli da im otmu stoku.
Zabada no zanakalahin'i Tahata, Sotela no zanakalahin'i Zabada) ary Ezera sy Elada, izay novonoin'ny tompon-tany tao Gata, satria nidina hangalatra ny ombiny aman'ondriny izy.
Zato je njihov otac Efrajim tugovao dugo vremena, a braća su mu odlazila da ga tješe.
Ary Efraima, rainy nisaona azy ela, dia avy ny rahalahiny hampionona azy.
Onda je ušao k svojoj ženi i ona je zatrudnjela i rodila sina, a on mu nadjenu ime Berija, jer se nesreća dogodila u njegovoj kući.
Ary nony niray tamin'ny vadiny izy, dia nanan'anaka ravehivavy ka niteraka zazalahy, ary ny anarany nataony hoe Beria, satria nisy fahoriana tao an-tranony tamin'izany.
Kći mu je bila Šeera, koja je sagradila Donji i Gornji Bet Horon i Uzen Šeeru.
(Ary ny zananivavy dia Sera, izay nanorina an'i Beti-horona ambany sy ambony sy Ozena-sera).
Sin mu je bio Refah i Rešef, njegov sin Telah, njegov sin Tahan,
Ary Refa sy Rasefa no zanakalahin'i Beria, Tela no zanakalahin'i Rasefa, Tahana no zanakalahin'i Tela,
njegov sin Ladan, njegov sin Amihud, njegov sin Elišama,
Ladana no zanakalahin'i Tahana, Amihoda no zanakalahin'i Ladana, Elisama no zanakalahin'i Amihoda.
njegov sin Nun, njegov sin Jošua.
Nona no zanakalahin'i Elisama, Josoa no zanakalahin'i Nona.
Njihov posjed i njihova naselja bili su Betel i njegova sela, s istoka Naaran, sa zapada Gazer i njegova sela, Šekem i njegova sela do Gaze s njezinim selima.
Ary ny taniny sy ny fonenany dia Betela sy ny zana-bohiny, ary any atsinanana dia Narana, ary any andrefana dia Gazera sy ny zana-bohiny ary Sekema sy ny zana-bohiny hatrany Gaza sy ny zana-bohiny;
U rukama Manašeovih sinova bio je Bet Šean sa svojim selima, Tanak sa svojim selima, Megido sa svojim selima, Dor sa svojim selima. U njima su živjeli sinovi Izraelova sina Josipa.
ary teo amin'ny sisin-tanin'ny taranak'i Manase dia Beti-sana sy ny zana-bohiny, Tanaka sy ny zana-bohiny, Megido sy ny zana-bohiny, Dora sy ny zana-bohiny Tamin'ireo no nonenan'ny taranak'i Josefa, zanak'Isiraely.
Ašerovi su sinovi bili: Jimna, Jišva, Jišvi i Berija, i njihova sestra Seraha.
Ny zanakalahin'i Asera dia Jimna sy Jisva sy Jisvy sy Beria; ary Sera no anabavin'ireo.
Berijini sinovi: Heber i Malkiel; on je bio Birzajitov otac.
Ary ny zanakalahin'i Beria dia Hebera sy Malkiela, rain'i Birzavita.
Heber postade otac Jafletu, Šomeru, Hotamu i njihovoj sestri Šui.
Ary Hebera niteraka an'i Jafleta sy Somera sy Hotama; ary Soha no anabavin'ireo.
Jafletovi su sinovi bili: Pasak, Bimhal i Ašvat; to su bili Jafletovi sinovi.
Ary ny zanakalahin'i Jafleta dia Pasaka sy Bimala ary Asvata. Ireo no zanakalahin'i Jafleta.
A sinovi njegova brata Šomera: Rohga, Huba i Aram.
Ary ny zanakalahin'i Samera dia Ahaia sy Rohaga sy Hoba ary Arama.
Sinovi njegova brata Helema: Sofah, Jimna, Šeleš i Amal.
Ary ny zanakalahin'i Helema rahalahiny dia Zofa sy Jimna sy Selesy ary Amala.
Sofahovi sinovi: Suah, Harnefer, Šual, Beri, Jimra,
Ny zanakalahin'i Zofa dia Soha sy Harnefera sy Soala sy Bery sy Jimra
Beser, Hod, Šama, Šilša, Jitran i Bera.
sy Bazera sy Hoda sy Sama sy Silsa sy Jitrana ary Bera.
Jeterovi sinovi: Jefune, Fispa i Ara.
Ary ny zanakalahin'i Jatera dia Jefone sy Pispa ary Ara.
Ulini sinovi: Arah, Haniel i Risja.
Ary ny zanakalahin'i Ola dia Ara sy Haniela ary Rizia.
Svi su oni bili Ašerovi sinovi, obiteljski glavari, probrani hrabri junaci, glavari među knezovima; kad su bili popisani, bilo ih je dvadeset i šest tisuća ljudi u bojnim četama.
Ireo zanakalahin'i Asera rehetra ireo dia samy lohan'ny fianakaviany, olom-boafidy sady mahery ary lehiben'ny loham-pireneny avy. Ary ny nanisana azy, araka ny firazanany, dia enina arivo amby roa alina no isan'ny azo nalefa hanafika.