Zechariah 9

耶和华的默示应验在哈得拉地大马士革─世人和以色列各支派的眼目都仰望耶和华─
Teny faminaniana avy tamin'i Jehovah ny amin'ny loza hanjo ny tany Hadraka, Ary Damaskosy no hiharany - Fa ny mason'i Jehovah mandinika ny olombelona Mbamin'ny firenena rehetra amin'ny Isiraely -
和靠近的哈马,并推罗、西顿;因为这二城的人大有智慧。
Sy Hamata koa, izay mifanolotra aminy, Ary Tyro sy Sidona koa, satria hendry izy.
推罗为自己修筑保障,积蓄银子如尘沙,堆起精金如街上的泥土。
Ary Tyro nanao manda mafy ho azy Ka nanangona volafotsy hoatra ny vovoka Sy volamena tsara hoatra ny fotaka eny an-dalambe.
主必赶出她,打败她海上的权利;她必被火烧灭。
Indro, hofoanan'ny Tompo ny fananany, Sady hasiany koa ny heriny ao amin'ny ranomasina; Ary ny tenany ho levon'ny afo.
亚实基伦看见必惧怕;迦萨看见甚痛苦;以革伦因失了盼望蒙羞。迦萨必不再有君王;亚实基伦也不再有居民。
Askelona hahita izany ka ho raiki-tahotra, Gaza koa, ka ho toran-kovitra indrindra, Ary Ekrona, fa ho tonga henatra ny fanantenany; Tsy hisy mpanjaka intsony ao Gaza, Ary Askelona tsy honenana.
私生子(或译:外族人)必住在亚实突;我必除灭非利士人的骄傲。
Zazasary no ho mpanjaka ao Asdoda, Ary hofoanako ny reharehan'ny Filistina.
我必除去他口中带血之肉和牙齿内可憎之物。他必作为余剩的人归与我们的 神,必在犹大像族长;以革伦人必如耶布斯人。
Hesoriko eny am-bavany ny ràny, Sy ny fahavetavetany tsy ho eny anelanelan'ny nifiny; Ary izy koa ho sisa ho an'Andriamanitsika Sy ho toy ny lohany amin'ny firenen'i Joda, Ary Ekrona ho toy ny Jebosita.
我必在我家的四围安营,使敌军不得任意往来,暴虐的人也不再经过,因为我亲眼看顾我的家。
Ary hitoby Aho hiaro ny tranoko noho ny miaramila betsaka, Dia noho izay mandroso sy miverina; Ary tsy hisy mpampahory handeha hamaky eo aminy intsony, Fa ankehitriny dia efa hitan'ny masoko.
锡安的民哪,应当大大喜乐;耶路撒冷的民哪,应当欢呼。看哪,你的王来到你这里!他是公义的,并且施行拯救,谦谦和和地骑著驴,就是骑著驴的驹子。
Mifalia indrindra, ry Ziona zanakavavy; Manaova feo fifaliana, ry Jerosalema zanakavavy; Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao; Marina Izy sady manam-pamonjena, Malemy fanahy sady mitaingina boriky Dia zana-boriky tanora.
我必除灭以法莲的战车和耶路撒冷的战马;争战的弓也必除灭。他必向列国讲和平;他的权柄必从这海管到那海,从大河管到地极。
Ary hofoanako tsy hisy kalesy intsony Efraima, Na soavaly any Jerosalema, Hofoanana koa ny tsipìka fiadiana, Ary hiteny fiadanana amin'ny jentilisa Izy; Ny fanapahany dia hatramin'ny ranomasina ka hatramin'ny ranomasina Ary hatramin'ny Ony ka hatramin'ny faran'ny tany.
锡安哪,我因与你立约的血,将你中间被掳而囚的人从无水的坑中释放出来。
Ny aminao koa, noho ny ran'ny fanekena taminao No efa namoahako ny mpifatotrao avy tao an-davaka tsy misy rano.
你们被囚而有指望的人都要转回保障。我今日说明,我必加倍赐福给你们。
Miverena ho amin'ny fiarovana mafy, ianareo mpifatotra manana ny fanantenana! Anio no hanambarako hoe: Hanonitra roa heny ho anao Aho.
我拿犹大作上弦的弓;我拿以法莲为张弓的箭。锡安哪,我要激发你的众子,攻击希腊(原文是雅完)的众子,使你如勇士的刀。
Fa nohenjaniko ho Ahy Joda, Efraima nataoko zana-tsipìka; Ary hotairiko ny zanakao, ry Ziona, hiady amin'ny zanakao, ry Grisia, Ary hataoko toy ny sabatry ny lehilahy mahery ianao,
耶和华必显现在他们以上;他的箭必射出像闪电。主耶和华必吹角,乘南方的旋风而行。
Ary Jehovah hiseho ao aminy, Ka handeha toy ny helatra ny zana-tsipìkany, Jehovah Tompo hitsoka anjomara Ka handeha amin'ny tafio-drivotra any atsimo.
万军之耶和华必保护他们;他们必吞灭仇敌,践踏弹石。他们必喝血呐喊,犹如饮酒;他们必像盛满血的碗,又像坛的四角满了血。
Ary Jehovah, Tompon'ny maro, no hiaro ireny; Dia hihinana ireny ka hanitsakitsaka vaton'antsamotady; Ary hisotro ireny ka hihorakoraka tahaka ny azon'ny divay, Ary ho feno toy ny lovia famafazana ireny, dia toy ny zoron'ny alitara.
当那日,耶和华─他们的 神必看他的民如群羊,拯救他们;因为他们必像冠冕上的宝石,高举在他的地以上(或译:在他的地上发光辉)。
Ary hovonjen'i Jehovah Andriamaniny ireny amin'izany andro izany Toy ny olona izay ondriny; Fa ho toy ny vaton-tsatro-boninahitra Mamirapiratra eny amin'ny taniny ireny.
他的恩慈何等大!他的荣美何其盛!五谷健壮少男;新酒培养处女。
Fa akory ny hasoany! ary akory ny hatsaran-tarehiny! Vary no hampaharoroka ny zatovo, Ary ranom-boaloboka kosa ny zazavavy.