Zechariah 8

万军之耶和华的话临到我说:
Ary tonga ny tenin'i Jehovah, Tompon'ny maro, nanao hoe:
「万军之耶和华如此说:我为锡安心里极其火热,我为她火热,向她的仇敌发烈怒。
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Saro-piaro dia saro-piaro an'i Ziona Aho, eny, saro-piaro azy amin'ny fahatezerana mafy Aho.
耶和华如此说:我现在回到锡安,要住在耶路撒冷中。耶路撒冷必称为诚实的城,万军之耶和华的山必称为圣山。
Izao no lazain'i Jehovah: Efa tafaverina ho eto Ziona Aho ka honina eto afovoan'i Jerosalema; ary Jerosalema dia hatao hoe Tanànan'ny fahamarinana, ary ny tendrombohitr'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia hatao hoe Tendrombohitra masina.
万军之耶和华如此说:将来必有年老的男女坐在耶路撒冷街上,因为年纪老迈就手拿柺杖。
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Mbola hisy lahy antitra sy vavy antitra hipetraka eny an-dalamben'i Jerosalema, samy hitehina amin'ny tehina eny an-tànany isan-olona noho ny fahanterany;
城中街上必满有男孩女孩玩耍。
ary eny an-dalambe any an-tanàna dia ho feno ankizilahy madinika sy ankizivavy madinika milalao eny an-dalambe.
万军之耶和华如此说:到那日,这事在余剩的民眼中看为希奇,在我眼中也看为希奇吗?这是万军之耶和华说的。
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Raha mahagaga izany eo imason'ny sisa amin'ity firenena ity amin'izany andro izany, moa hahagaga eo imasoko koa va? hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
万军之耶和华如此说:我要从东方从西方救回我的民。
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Indro, hamonjy ny oloko avy any amin'ny tany atsinanana sy amin'ny tany andrefana Aho;
我要领他们来,使他们住在耶路撒冷中。他们要作我的子民,我要作他们的 神,都凭诚实和公义。」
ary hitondra azy Aho, ka honina any Jerosalema izy; dia ho oloko izy, ary Izaho kosa ho Andriamaniny amin'ny fahamarinana sy ny fahitsiana.
万军之耶和华如此说:「当建造万军之耶和华的殿,立根基之日的先知所说的话,现在你们听见,应当手里强壮。
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Aoka hatanjaka ny tananareo izay mandre izany teny izany amin'izao andro izao avy amin'ny vavan'ny mpaminany, izay teo tamin'ny andro nanaovana ny fanorenan'ny tranon'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia ny nanaovana ny tempoly.
那日以先,人得不著雇价,牲畜也是如此;且因敌人的缘故,出入之人不得平安,乃因我使众人互相攻击。
Fa talohan'izany andro izany dia tsy nisy valim-pahasasarana ho an'ny olona, na valim-pahasasarana ho an'ny biby fiompy; ary tsy nisy fiadanana ho an'izay nivoaka sy izay niditra noho ny fahavalo, fa nalefako samy hifamely amin'ny namany avy ny olona rehetra.
但如今,我待这余剩的民必不像从前。这是万军之耶和华说的。
Fa amin'izay kosa dia tsy ho toy ny tamin'ny fahiny intsony amin'ny sisa amin'ity firenena ity Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
因为他们必平安撒种,葡萄树必结果子,地土必有出产,天也必降甘露。我要使这余剩的民享受这一切的福。
Fa hisy vokatry ny fiadanana, ny voaloboka hamoa, ary ny tany hahavokatra, ary ny lanitra hampilatsaka ny andony, ary ny sisa amin'ity firenena ity no hampandovaiko izany rehetra izany.
犹大家和以色列家啊,你们从前在列国中怎样成为可咒诅的;照样,我要拯救你们,使人称你们为有福的(或译:使你们叫人得福)。你们不要惧怕,手要强壮。
Ary toy ny nahatongavanareo ho fanozonana tany amin'ny firenena, ry taranak'i Joda sy ry taranak'Isiraely, dia ho toy izany no hamonjeko anareo, ka dia ho tonga fitsofan-drano kosa ianareo; aza matahotra, fa aoka hatanjaka ny tananareo.
万军之耶和华如此说:「你们列祖惹我发怒的时候,我怎样定意降祸,并不后悔。
Fa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Toy ny nisainako hahatonga loza aminareo tamin'ny nampahatezeran'ny razanareo Ahy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ka tsy nanenina Aho,
现在我照样定意施恩与耶路撒冷和犹大家,你们不要惧怕。
dia ho toy izany kosa no hisainako hanisy soa an'i Jerosalema sy ny taranak'i Joda amin'izao andro izao: aza matahotra ianareo.
你们所当行的是这样:各人与邻舍说话诚实,在城门口按至理判断,使人和睦。
Izao no zavatra hataonareo: Samia miteny marina amin'ny namany avy ianareo; mitsarà marina, eny, mitsarà hahatonga fiadanana ao am-bavahadinareo;
谁都不可心里谋害邻舍,也不可喜爱起假誓,因为这些事都为我所恨恶。这是耶和华说的。」
ary aza misy mieritreritra ao am-ponareo hanisy ratsy ny namanareo ianareo, ary aza tia fianianan-tsy tò; fa izany rehetra izany dia halako, hoy Jehovah.
万军之耶和华的话临到我说:
Ary ny tenin'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia tonga tamiko nanao hoe:
「万军之耶和华如此说:四月、五月禁食的日子,七月、十月禁食的日子,必变为犹大家欢喜快乐的日子和欢乐的节期;所以你们要喜爱诚实与和平。」
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Ny fifadian-kanina amin'ny volana fahefatra sy ny fifadian-kanina amin'ny fahadimy sy ny fifadian-kanina amin'ny fahafito ary ny fifadian-kanina amin'ny fahafolo dia samy ho tonga fifaliana sy firavoravoana ary fotoana mahafinaritra avokoa ho an'ny taranak'i Joda; koa tiava ny fahamarinana sy ny fiadanana.
万军之耶和华如此说:「将来必有列国的人和多城的居民来到。
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Mbola hisy firenena sy mponina avy amin'ny tanàna maro ho avy;
这城的居民必到那城,说:『我们要快去恳求耶和华的恩,寻求万军之耶和华;我也要去。』
ary ny mponina ao amin'ny anankiray hankany amin'ny anankiray kosa ka hanao hoe: Aoka handeha tokoa isika hifona amin'i Jehovah sy hitady an'i Jehovah, Tompon'ny maro; izaho koa mba handeha.
必有列邦的人和强国的民来到耶路撒冷寻求万军之耶和华,恳求耶和华的恩。
Eny, ho avy ny olona maro sy ny firenena mahery mba hitady an'i Jehovah, Tompon'ny maro, any Jerosalema sy hifona amin'i Jehovah.
万军之耶和华如此说:在那些日子,必有十个人从列国诸族(原文是方言)中出来,拉住一个犹大人的衣襟,说:『我们要与你们同去,因为我们听见 神与你们同在了。』」
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Amin'izany andro izany dia hisy folo lahy avy amin'ny firenena samy hafa fiteny rehetra hihazona ny sisin-damban'ny Jiosy anankiray ka hanao hoe: Mba handeha hiaraka aminareo izahay; fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra.