Zechariah 6

我又举目观看,见有四辆车从两山中间出来;那山是铜山。
Ary natopiko indray ny masoko ka hitako fa, indreo, nisy kalesy efatra nivoaka avy teo anelanelan'ny tendrombohitra roa; ary tendrombohitra varahina ireo tendrombohitra ireo.
第一辆车套著红马,第二辆车套著黑马。
Tamin'ny kalesy voalohany dia nisy soavaly mena; tamin'ny kalesy faharoa dia soavaly mainty;
第三辆车套著白马,第四辆车套著有斑点的壮马。
tamin'ny kalesy fahatelo dia soavaly fotsy; ary tamin'ny kalesy fahefatra dia soavaly sadamena.
我就问与我说话的天使说:「主啊,这是什么意思?」
Dia nanontany tamin'ilay anjely niresaka tamiko aho ka nanao hoe: Inona moa ireo, tompoko?
天使回答我说:「这是天的四风,是从普天下的主面前出来的。」
Ary ilay anjely namaly ka nilaza tamiko hoe: Ireo no rivotra efatry ny lanitra, izay mivoaka avy nitsangana teo anatrehan'ny Tompon'ny tany. rehetra.
套著黑马的车往北方去,白马跟随在后;有斑点的马往南方去。
Io misy ny soavaly mainty dia mivoaka mankamin'ny tany avaratra; ary ny fotsy nivoaka nanaraka azy; ary ny sada nivoaka nankamin'ny tany atsimo.
壮马出来,要在遍地走来走去。天使说:「你们只管在遍地走来走去。」牠们就照样行了。
Ary ny mena dia nivoaka ka nitady handeha hivoivoy eny amin'ny tany; dia hoy izy: Mandehana ianareo, mivoivoiza eny amin'ny tany. Ka dia nandeha nivoivoy teny amin'ny tany izy.
他又呼叫我说:「看哪,往北方去的已在北方安慰我的心。」
Dia nitaraina mafy tamiko izy ka niteny tamiko hoe: Indro, ireo izay mivoaka mankamin'ny tany avaratra dia nampionona ny fanahiko tany amin'ny tany avaratra.
耶和华的话临到我说:
Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
「你要从被掳之人中取黑玳、多比雅、耶大雅的金银。这三人是从巴比伦来到西番雅的儿子约西亚的家里。当日你要进他的家,
Mandraisa avy amin'ny babo, dia amin'i Helday sy Tobia ary Jedaia, eny, mandehana amin'izany andro izany ihany ianao, ka midìra ao an-tranon'i Josia, zanak'i Zefania, izay novantaniny nony vao tonga avy tany Babylona izy,
取这金银做冠冕,戴在约撒答的儿子大祭司约书亚的头上,
eny, mandraisa volafotsy sy volamena, ka ataovy satro-boninahitra, dia apetraho eo an-dohan'i Josoa, zanak'i Jozadaka, mpisoronabe;
对他说,万军之耶和华如此说:看哪,那名称为大卫苗裔的,他要在本处长起来,并要建造耶和华的殿。
dia lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Indro Lehilahy atao hoe Rantsana; ary hitsimoka eo am-pitoerany ihany Izy sady hanao ny tempolin'i Jehovah.
他要建造耶和华的殿,并担负尊荣,坐在位上掌王权;又必在位上作祭司,使两职之间筹定和平。
Eny, Izy no hanao ny tempolin'i Jehovah, ary Izy no hitondra voninahitra ka hipetraka sy hanapaka eo amin'ny seza fiandrianany; ary ho mpisorona eo amin'ny seza fiandrianany Izy; ary hisy fisainam-pihavanana amin'izy roroa.
这冠冕要归希连(就是黑玳)、多比雅、耶大雅,和西番雅的儿子贤(就是约西亚),放在耶和华的殿里为记念。」
Ary ny satro-boninahitra dia ho an'i Helema sy Tobia sy Jedaia ary Hena, zanak'i Zefania, ho fampahatsiarovana ao amin'ny tempolin'i Jehovah.
远方的人也要来建造耶和华的殿,你们就知道万军之耶和华差遣我到你们这里来。你们若留意听从耶和华─你们 神的话,这事必然成就。
Ary izay lavitra dia ho avy ka hanao ao amin'ny tempolin'i Jehovah, ka dia ho fantatrareo fa Jehovah, Tompon'ny maro, no naniraka ahy ho aminareo. Dia ho tonga izany, raha hazoto hihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo.