Zechariah 13

那日,必给大卫家和耶路撒冷的居民开一个泉源,洗除罪恶与污秽。
Amin'izany andro izany dia hisy loharano voasokatra ho an'ny taranak'i Davida sy ho an'ny mponina any Jerosalema hanafaka fahotana sy fahalotoana.
万军之耶和华说:「那日,我必从地上除灭偶像的名,不再被人记念;也必使这地不再有假先知与污秽的灵。
Ary amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia hofoanako ny anaran-tsampy amin'ny tany, ka tsy hotsarovana intsony ireny; ary hesoriko amin'ny tany ny mpaminany sy ny fanahim-pahalotoana.
若再有人说预言,生他的父母必对他说:『你不得存活,因为你托耶和华的名说假预言。』生他的父母在他说预言的时候,要将他刺透。
Ary raha mbola hisy haminany, ny ray aman-dreniny izay niteraka azy dia hanao aminy hoe: Tsy ho velona ianao, satria miteny lainga amin'ny anaran'i Jehovah; ary ny ray aman-dreniny izay niteraka azy dia handefona azy, raha maminany izy.
那日,凡作先知说预言的必因他所论的异象羞愧,不再穿毛衣哄骗人。
Ary amin'izany andro izany ny mpaminany dia samy hahazo henatra noho ny fahitany avy, raha maminany; ary tsy hikapôty volom-biby hamitahana izy,
他必说:『我不是先知,我是耕地的;我从幼年作人的奴仆。』
fa hanao hoe: Tsy mpaminany aho, fa mpiasa tany, satria nisy nanandevo ahy, fony aho mbola kely.
必有人问他说:『你两臂中间是什么伤呢?』他必回答说:『这是我在亲友家中所受的伤。』」
Dia hisy hanao aminy hoe: Ka inona itony ratra amin'ny tananao itony? Dia hovaliany hoe: Naratra tao an-tranon'ny sakaizako ireny.
万军之耶和华说:刀剑哪,应当兴起,攻击我的牧人和我的同伴。击打牧人,羊就分散;我必反手加在微小者的身上。
Mifohaza, ry sabatra, hamely ny mpiandriko sy ny lehilahy namako, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. Asio ny mpiandry, dia hihahaka ny ondry, ary hamerina ny tanako ho amin'ny madinika Aho.
耶和华说:这全地的人,三分之二必剪除而死,三分之一仍必存留。
Ary amin'ny tany rehetra, hoy Jehovah, ny androatokony dia haringana ho faty ao; fa ny ampahatelony sisa no havela ao kosa.
我要使这三分之一经火,熬炼他们,如熬炼银子;试炼他们,如试炼金子。他们必求告我的名,我必应允他们。我要说:这是我的子民。他们也要说:耶和华是我们的 神。
Ary ho entiko miditra amin'ny afo ny ampahatelony, ary harendrika toy ny fandrendrika volafotsy izy, ary hizahako toetra toy ny fizaha toetra ny volamena izy; hiantso ny anarako izy, ary Izaho hamaly azy; Izaho hanao hoe: Oloko izy ary izy hanao hoe: Jehovah no Andriamanitro.