Zechariah 12

耶和华论以色列的默示。铺张诸天、建立地基、造人里面之灵的耶和华说:
Teny faminaniana avy tamin'i Jehovah ny amin'ny Isiraely. Hoy Jehovah, Izay mamelatra ny lanitra sy manao ny fanorenan'ny tany ary mamorona ny fanahin'ny olona ao anatiny:
「我必使耶路撒冷被围困的时候,向四围列国的民成为令人昏醉的杯;这默示也论到犹大(或译:犹大也是如此)。
Indro, Izaho hanao an'i Jerosalema ho kapoaka mampiraikiraiky ho an'ny firenena rehetra manodidina; ary ny Joda koa hiharan'izany ny hanaovana fahirano an'i Jerosalema.
那日,我必使耶路撒冷向聚集攻击他的万民当作一块重石头;凡举起的必受重伤。
Ary amin'izany andro izany Jerosalema dia hataoko vato mavesatra ho an'ny ny firenena rehetra, ka haràtra dia haràtra izay rehetra mivesatra azy; ary ho tafangona hamely azy ny firenena rehetra amin'ny tany.
耶和华说:到那日,我必使一切马匹惊惶,使骑马的颠狂。我必看顾犹大家,使列国的一切马匹瞎眼。
Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, dia hamely ny soavaly amin'ny fahaverezan-kevitra Aho, ary ny mpitaingina azy amin'ny fahadalana, hampihiratra ny masoko amin'ny taranak'i Joda Aho ary hamely ny soavaly rehetra izay an'ny firenena amin'ny fahajambana.
犹大的族长必心里说:『耶路撒冷的居民倚靠万军之耶和华─他们的 神,就作我们的能力。』
Ary ireo lohany amin'ny firenen'i Joda dia hanao anakampo hoe: Ny mponina any Jerosalema dia heriko ao amin'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamaniny.
「那日,我必使犹大的族长如火盆在木柴中,又如火把在禾捆里;他们必左右烧灭四围列国的民。耶路撒冷人必仍住本处,就是耶路撒冷。
Amin'izany andro izany ireo lohany amin'ny firenen'i Joda dia hataoko tahaka ny fatana mirehitra eny amin'ny hazo sy tahaka ny fanilo mirehitra eny amin'ny amboara, ka handevona ny firenena rehetra manodidina amin'ny ankavanana sy ny ankavia izy; ary Jerosalema dia mbola hiorina amin'ny fitoerany ihany, dia any Jerosalema.
耶和华必先拯救犹大的帐棚,免得大卫家的荣耀和耶路撒冷居民的荣耀胜过犹大。
Ary hovonjen'i Jehovah aloha ny lain'ny Joda, mba tsy hisandratra ambonin'ny Joda intsony ny voninahitry ny taranak'i Davida sy ny voninahitry ny mponina any Jerosalema.
那日,耶和华必保护耶路撒冷的居民。他们中间软弱的必如大卫;大卫的家必如 神,如行在他们前面之耶和华的使者。
Amin'izany andro izany dia harovan'i Jehovah ny mponina any Jerosalema; ary izay mila ho reraka ao aminy aza amin'izany andro izany dia ho tahaka an'i Davida; ary ny taranak'i Davida ho tahaka an'Andriamanitra, dia tahaka Ilay Anjelin'i Jehovah eo anoloany.
那日,我必定意灭绝来攻击耶路撒冷各国的民。
Amin'izany andro izany dia hitady handringana ny jentilisa rehetra izay avy hamely an'i Jerosalema Aho.
我必将那施恩叫人恳求的灵,浇灌大卫家和耶路撒冷的居民。他们必仰望我(或译:他;本节同),就是他们所扎的;必为我悲哀,如丧独生子,又为我愁苦,如丧长子。
Ary haidiko amin'ny taranak'i Davida sy amin'ny mponina any Jerosalema ny fanahin'ny fahasoavana sy ny fifonana, ka hijery Ahy Izay nolefoniny izy, ary hisaona Azy toy ny fisaonana zanakalahy tokana izy sady halahelo Azy toy ny fahalahelovan'ny olona ny lahimatoany.
那日,耶路撒冷必有大大的悲哀,如米吉多平原之哈达临门的悲哀。
Amin'izany andro izany dia hisy fisaonana lehibe any Jerosalema toy ny fisaonana tao Hadadrimona eo amin'ny lohasaha Megido.
境内一家一家地都必悲哀。大卫家,男的独在一处,女的独在一处。拿单家,男的独在一处,女的独在一处。
Ary hisaona mitsitokantokana ny tany, samy isam-pianakaviana avy: ny fianakavian'i Davida mitokana, ary ny vadin'ireo mitokana; ny fianakavian'i Natana mitokana, ary ny vadin'ireo mitokana;
利未家,男的独在一处,女的独在一处。示每家,男的独在一处,女的独在一处。
ny fianakavian'ny taranak'i Levy mitokana, ary ny vadin'ireo mitokana; ny fianakavian'i Simey mitokana, ary ny vadin'ireo mitokana;
其余的各家,男的独在一处,女的独在一处。
ny fianakaviana sisa rehetra mitokana isam-pianakaviana, ary ny vadin'ireo mitokana.