Fa ny sampy niteny zava-poana, Ary ny mpanao fankatovana nahita lainga Ka nilaza nofy lainga, Foana ny nampiononany; Koa izany no naniavany toy ny ondry Ory izy, satria tsy misy mpiandry.
Amin'ny mpiandry ondry no irehetan'ny fahatezerako, Ary ireo osilahy no hovaliako; Fa Jehovah, Tompon'ny maro, efa namangy ny taranak'i Joda ondriny Ka manao azy toy ny soavaliny miravaka eo amin'ny ady.
Avy ao aminy no hihavian'ny fehizoro, Avy ao aminy no hihavian'ny fihantonan-javatra, Avy ao aminy no hihavian'ny tsipìka fiadiana, Avy ao aminy no hihavian'ny mpampahory rehetra.
Ary ho toy ny lehilahy mahery ireo, Izay manitsaka ny fotaka eny an-dalana amin'ny ady, Hiady izy, satria Jehovah no momba azy; Ary homenarina ny mpitaingin-tsoavaly.
Hampahery ny taranak'i Joda Aho, Ary ny taranak'i Josefa hovonjeko ka hampodiko, Satria mamindra fo aminy Aho, Ka ho toy izay tsy nariako izy; Fa Izaho no Jehovah Andriamaniny ka hihaino azy.
Dia hampody azy avy any amin'ny tany Egypta Aho sy hanangona azy avy any Asyria; Ary ho any amin'ny tany- Gileada sy Libanona no hitondrako azy, Ka tsy ho omby azy izany
Dia hamaky ny ranomasim-pahoriana izy ka hamely ny onjan-dranomasina, Ho ritra ny rano lalin'i Neily rehetra, Haetry ny avonavon'i Asyria, Ary hiala ny tehina fanapahan'i Egypta.