Romans 15

我们坚固的人应该担代不坚固人的软弱,不求自己的喜悦。
Fa isika izay matanjaka dia tokony hitondra ny fahalemen'ny malemy ka tsy hitady izay hahafaly ny tenantsika ihany.
我们各人务要叫邻舍喜悦,使他得益处,建立德行。
Aoka isika rehetra samy hitady izay hahafaly ny namantsika amin'izay hahasoa sy hampandroso azy.
因为基督也不求自己的喜悦,如经上所记:辱骂你人的辱骂都落在我身上。
Fa Kristy aza tsy nitady izay hahafaly ny tenany; fa araka ny voasoratra hoe: Ny latsa nataon'izay nandatsa Anao dia nihatra tamiko (Sal. 69. 9).
从前所写的圣经都是为教训我们写的,叫我们因圣经所生的忍耐和安慰可以得著盼望。
Fa izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana amin'ny faharetana sy ny fiononana avy amin'ny Soratra Masina.
但愿赐忍耐安慰的 神叫你们彼此同心,效法基督耶稣,
Fa Andriamanitry ny faharetana sy ny fiononana anie hampiray hevitra anareo araka an 'i Kristy Jesosy,
一心一口荣耀 神─我们主耶稣基督的父!
mba ho saina iray sy vava iray no hiarahanareo mankalaza an'Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika.
所以,你们要彼此接纳,如同基督接纳你们一样,使荣耀归与 神。
Koa mifandraisa ianareo tahaka ny nandraisan'i Kristy anareo koa ho voninahitr'Andriamanitra.
我说,基督是为 神真理作了受割礼人的执事,要证实所应许列祖的话,
Fa lazaiko fa Kristy efa tonga mpanompon'ny voafora noho ny fahamarinan'Andriamanitra hahatò ny teny fikasana tamin'ny razana,
并叫外邦人因他的怜悯荣耀 神。如经上所记:因此,我要在外邦中称讚你,歌颂你的名;
mba hankalazan'ny jentilisa an'Andriamanitra koa noho ny famindram-po, araka ny voasoratra hoe: Izany no hiderako Anao any amin'ny jentilisa Sy hankalazako ny anaranao (Sal. 18. 49).
又说:你们外邦人当与主的百姓一同欢乐;
Ary hoy koa Izy: Miravoravoa. ry jentilisa, mbamin'ny olony (Deo. 32. 43).
又说:外邦啊,你们当讚美主!万民哪,你们都当颂讚他!
Ary koa: Midera'an'i Jehovah, ry jentilisa rehetra. Ary aoka hankalaza Azy ny firenena rehetra (Sal. 117. 1).
又有以赛亚说:将来有耶西的根,就是那兴起来要治理外邦的;外邦人要仰望他。
Ary hoy koa Isaia: Hisy Solofon'i Jese. Dia Ilay hitsangana hanapaka ny jentilisa; Izy no hitokian'ny jentilisa (Iza. 11. 10).
但愿使人有盼望的 神,因信将诸般的喜乐、平安充满你们的心,使你们借著圣灵的能力大有盼望。
Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin'ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin'ny finoanareo, mba hitomboanareo amin'ny fanantenana noho ny herin'ny Fanahy Masina.
弟兄们,我自己也深信你们是满有良善,充足了诸般的知识,也能彼此劝戒。
Fa izaho koa, ry rahalahiko, dia matoky ny aminareo fa feno fahatsarana ianareo sady mahay mifananatra koa.
但我稍微放胆写信给你们,是要提醒你们的记性,特因 神所给我的恩典,
Kanefa amin'ny fahasahiana no anoratako ny teny sasany aminareo, toy ny mampahatsiaro anareo indray noho ny fahasoavana nomen'Andriamanitra ahy,
使我为外邦人作基督耶稣的仆役,作 神福音的祭司,叫所献上的外邦人,因著圣灵成为圣洁,可蒙悦纳。
mba ho mpanompon'i Kristy Jesosy ho an'ny jentilisa aho ka manao fanompoam-pivavahana amin'ny itoriako ny filazantsaran'Andriamanitra, mba horaisina amin'ny fankasitrahana ny fanatitra, dia ny jentilisa, rehefa nohamasinin'ny Fanahy Masina.
所以论到 神的事,我在基督耶稣里有可夸的。
Ka dia manana izay hataoko rehareha ao amin'i Kristy Jesosy aho noho ny amin'Andriamanitra.
除了基督借我做的那些事,我什么都不敢提,只提他借我言语作为,用神迹奇事的能力,并圣灵的能力,使外邦人顺服;
Fa tsy sahiko lazaina izay zavatra tsy nampanaovin'i Kristy ahy, na tamin'ny teny, na tamin'ny asa, mba hampanaiky ny jentilisa,
甚至我从耶路撒冷,直转到以利里古,到处传了基督的福音。
dia tamin'ny herin'ny famantarana sy ny fahagagana, ary tamin'ny herin'ny Fanahy Masina, dia hatrany Jerosalema ka manodidina hatrany Ilyrikiona, no nahatanterahako ny fitoriako ny filazantsaran'i Kristy.
我立了志向,不在基督的名被称过的地方传福音,免得建造在别人的根基上。
Koa dia nataoko ho voninahitro ny hitory ny filazantsara toy izao: tsy eo amin'izay efa niantsoana an'i Kristy anefa, fandrao hanovona eo ambonin'izay efa naorin'ny sasany aho;
就如经上所记:未曾闻知他信息的,将要看见;未曾听过的,将要明白。
fa araka ny voasoratra hoe: Izay tsy nilazana Azy no hahita, Ary izay tsy nandre no hahafantatra (Isa. 52. 15).
我因多次被拦阻,总不得到你们那里去。
Ary izany no nahasampona ahy matetika tsy hankany aminareo.
但如今,在这里再没有可传的地方,而且这好几年,我切心想望到西班牙去的时候,可以到你们那里,
Fa ankehitriny, satria tsy misy antony intsony ny itoerako amin'ireto tany ireto sady efa naniry hatramin'ny taona maro hankany aminareo aho,
盼望从你们那里经过,得见你们,先与你们彼此交往,心里稍微满足,然后蒙你们送行。
raha mankany Spania; fa manantena hahita anareo amin'ny alehako aho ka haterinareo ho any, rehefa afakafaka ny alaheloko anareo.
但现在,我往耶路撒冷去供给圣徒。
Fa ankehitriny dia efa hankany Jerosalema aho hanompo ny olona masina.
因为马其顿和亚该亚人乐意凑出捐项给耶路撒冷圣徒中的穷人。
Fa efa sitrapon'Makedonia sy Akaia ny hamory vola hiantrana ny malahelo amin'ny olona masina any Jerosalema.
这固然是他们乐意的,其实也算是所欠的债;因外邦人既然在他们属灵的好处上有分,就当把养身之物供给他们。
Eny, sitrapony izany, sady mpitrosa aminy izy. Fa raha ny jentilisa no niombona ny zava-panahy taminy, dia tokony hanompo azy kosa amin'ny zavatra momba ny nofo izy.
等我办完了这事,把这善果向他们交付明白,我就要路过你们那里,往西班牙去。
Ary rehefa vitako izany, ka voatolotro azy soa aman-tsara izany vokatra izany, dia hihazo any aminareo aho, raha mankany Spania.
我也晓得去的时候,必带著基督丰盛的恩典而去。
Ary fantatro fa raha mankany aminareo aho, dia homba ahy ny fahafenoan'ny fitahian'i Kristy.
弟兄们,我借著我们主耶稣基督,又借著圣灵的爱,劝你们与我一同竭力,为我祈求 神,
Ary mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny amin'i Jesosy Kristy Tompontsika sy ny fitiavana avy amin'ny Fanahy, mba hiarahanareo miezaka amiko amin'ny fivavahanareo amin'Andriamanitra ho ahy,
叫我脱离在犹太不顺从的人,也叫我为耶路撒冷所办的捐项可蒙圣徒悦纳,
mba ho voavonjy amin'ny tsy mino any Jodia aho, ary mba hankasitrahan'ny ny olona masina izay fanompoana hataoko any Jerosalema,
并叫我顺著 神的旨意,欢欢喜喜的到你们那里,与你们同得安息。
mba hankanesako any aminareo amin'ny fifaliana, raha sitrapon'Andriamanitra, ka samy ho velombelona ny fontsika.
愿赐平安的 神常和你们众人同在。阿们!
Ary Andriamanitry ny fiadanana anie ho aminareo rehetra. Amena.