Romans 11

我且说, 神弃绝了他的百姓吗?断乎没有!因为我也是以色列人,亚伯拉罕的后裔,属便雅悯支派的。
Dia hoy izaho: Sao narian'Andriamanitra anie ny olony? Sanatria izany! fa izaho koa mba Isiraelita'taranak'i Abrahama ihany, avy amin'ny firenen'i Benjamina.
 神并没有弃绝他预先所知道的百姓。你们岂不晓得经上论到以利亚是怎么说的呢?他在 神面前怎样控告以色列人说:
Andriamanitra tsy nanary ny olony izay efa fantany rahateo; sa tsy fantatrareo izay lazain'ny Soratra Masina eo amin'ny tantaran'i Elia, dia ilay fitarainany tamin'Andriamanitra nentiny namely ny Isiraely hoe:
主啊,他们杀了你的先知,拆了你的祭坛,只剩下我一个人,他们还要寻索我的命。
Jehovah ô, efa namono ny mpaminaninao sy nandrava ny alitaranao izy: ary izaho irery ihany no sisa, ka mitady ny aiko koa izy? (1 Mpan. 19. 14).
 神的回话是怎么说的呢?他说:我为自己留下七千人,是未曾向巴力屈膝的。
Fa ahoana no navalin'Andriamanitra azy? Izaho efa niaro fito arivo lahy ho Ahy, dia izay tsy mba nandohalika tamin'i Bala (1 Mpan. 19. 18).)
如今也是这样,照著拣选的恩典,还有所留的余数。
Dia toy izany koa amin'izao andro ankehitriny izao misy sisa ihany araka ny fifidianana amin'ny fahasoavana.
既是出于恩典,就不在乎行为;不然,恩典就不是恩典了。
Ary raha avy amin'ny fahasoavana izany, dia tsy mba avy amin'ny asa intsony; fa raha izany, dia tsy fahasoavana intsony ny fahasoavana.
这是怎么样呢?以色列人所求的,他们没有得著,惟有蒙拣选的人得著了;其余的就成了顽梗不化的。
Ahoana ary? Izay notadiavin'ny Isiraely dia tsy azony, fa ny voafidy ihany no nahazo izany, fa nohamafìna ny fon'ny sisa;
如经上所记: 神给他们昏迷的心,眼睛不能看见,耳朵不能听见,直到今日。
araka ny voasoratra hoe: Andriamanitra efa nanome azy fanahy sondrian-tory sy maso tsy hahita, ary sofina tsy hahare, mandraka androany(Isa 29. 10; Deo. 29. 3)
大卫也说:愿他们的筵席变为网罗,变为机槛,变为绊脚石,作他们的报应。
Ary hoy Davida: Aoka ny latabany ho fandrika sy ho tonta Ary ho fahatafintohinana sy ho famaliana azy;
愿他们的眼睛昏蒙,不得看见;愿你时常弯下他们的腰。
Aoka ny masony ho jamba tsy hahita, Ary aoka hamokoka mandrakariva izy (Sal. 69. 22, 23).
我且说,他们失脚是要他们跌倒吗?断乎不是!反倒因他们的过失,救恩便临到外邦人,要激动他们发愤。
Dia hoy izaho: Sao dia tafintohina ho lavo anie ny Isiraely? Sanatria izany! fa ny fahatafintohinany no nahatonga famonjena ho an'ny jentilisa mba hampialona azy.
若他们的过失,为天下的富足,他们的缺乏,为外邦人的富足;何况他们的丰满呢?
Ary raha ny fahatafintohinany no tonga haren'izao tontolo izao, ary ny nihenany no tonga haren'ny jentilisa, mainka fa ny hafenoany.
我对你们外邦人说这话;因我是外邦人的使徒,所以敬重(原文作:荣耀)我的职分,
Fa ianareo jentilisa no itenenako. Koa satria Apostolin'ny jentilisa aho, dia mankalaza ny fanompoako,
或者可以激动我骨肉之亲发愤,好救他们一些人。
raha mba misy hahazoako hampialona ireo mifanapa-tsinay amiko, mba hamonjeko ny sasany aminy.
若他们被丢弃,天下就得与 神和好;他们被收纳,岂不是死而复生吗?
Fa raha ny fanariana azy no fampihavanana izao tontolo izao, tsy ho fitsanganana amin'ny maty ny fandraisana azy?
所献的新面若是圣洁,全团也就圣洁了;树根若是圣洁,树枝也就圣洁了。
Ary koa, raha masina ny santatra, dia masina koa ny vongany; ary raha masina ny fakany, dia masina koa ny sampany.
若有几根枝子被折下来,你这野橄榄得接在其中,一同得著橄榄根的肥汁,
Fa raha notapahina ny sampany sasany, ary ianao izay tahaka ny hazo oliva maniry ho azy kosa no natsofoka teo aminy mba niombona ny fakan'ny menaky ny hazo oliva
你就不可向旧枝子夸口;若是夸口,当知道不是你托著根,乃是根托著你。
dia aza mirehareha amin'ny sampany; fa raha mirehareha ianao, tsy ianao no mitondra ny fakany, fa ny fakany no mitondra anao.
你若说,那枝子被折下来是特为叫我接上。
Ary ianao dia hanao hoe: Notapahina ny sampany sasany hanatsofohana ahy.
不错!他们因为不信,所以被折下来;你因为信,所以立得住;你不可自高,反要惧怕。
Marina ihany izany; ny tsi-finoany no nanapahana azy, ary ny finoanao kosa no itoeranao. Aza miavonavona, fa matahora;
 神既不爱惜原来的枝子,也必不爱惜你。
fa raha ny tena sampana aza tsy navelan'Andriamanitra, dia tsy havelany koa ianao.
可见 神的恩慈和严厉,向那跌倒的人是严厉的,向你是有恩慈的;只要你长久在他的恩慈里,不然,你也要被砍下来。
Koa indro ny fahamoram-panahin'Andriamanitra sy ny fahasaro-pony: amin'izay lavo dia fahasaro-po; fa aminao kosa dia fahamoram-panahin'Andriamanitra, raha maharitra ao amin'ny fahamoram-panahiny ianao; fa raha tsy izany, dia hotapahina koa ianao.
而且他们若不是长久不信,仍要被接上,因为 神能够把他们从新接上。
Ary ireny kosa, raha tsy mikikitra eo amin'ny tsi-finoana, dia hatsofoka ihany; fa azon'Andriamanitra atsofoka indray izy.
你是从那天生的野橄榄上砍下来的,尚且逆著性得接在好橄榄上,何况这本树的枝子,要接在本树上呢!
Fa raha notapahina tamin'ny hazo oliva naniry ho azy ianao ka natsofoka tamin'ny hazo oliva tsara, nefa tsy tena sampany, mainka fa izay tena sampany no hatsofoka amin'ny hazo oliva nanapahana azy.
弟兄们,我不愿意你们不知道这奥祕(恐怕你们自以为聪明),就是以色列人有几分是硬心的,等到外邦人的数目添满了,
Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo izany zava-miafina izany, ry rahalahy (fandrao mihevitra ny tenanareo ho hendry ianareo), fa efa misy fahamafiam-po manjo ny Isiraely sasany mandra-piditry ny hafenoan'ny jentilisa;
于是以色列全家都要得救。如经上所记:必有一位救主从锡安出来,要消除雅各家的一切罪恶;
ary amin'izany dia hovonjena avokoa ny Isiraely rehetra, - araka ny voasoratra hoe: Hivoaka avy any Ziona ny Mpanafaka, Ary hampiala ny haratsiam-panahy amin'i Jakoba Izy;
又说:我除去他们罪的时候,这就是我与他们所立的约。
Ary izao no fanekeko aminy, raha manaisotra ny fahotany Aho (Isa. 59. 20, 21; 27. 9).
就著福音说,他们为你们的缘故是仇敌;就著拣选说,他们为列祖的缘故是蒙爱的。
Raha ny amin'ny filazantsara dia fahavalo izy noho ny aminareo; fa raha ny amin'ny fifidianana kosa dia malala izy noho ny amin'ny razana.
因为 神的恩赐和选召是没有后悔的。
Fa ny fanomezam-pahasoavana sy ny fiantsoan'Andriamanitra dia tsy misy hanenenany.
你们从前不顺服 神,如今因他们的不顺服,你们倒蒙了怜恤。
Fa tahaka anareo tsy nanaiky an'Andriamanitra fahiny, nefa ankehitriny ny tsi-faneken'ireny no nahazoanareo famindram-po,
这样,他们也是不顺服,叫他们因著施给你们的怜恤,现在也就蒙怜恤。
dia toy izany kosa ankehitriny, tsy nanaiky ireny, mba hahazoany famindram-po ankehitriny noho ny famindram-po azonareo.
因为 神将众人都圈在不顺服之中,特意要怜恤众人。
Fa Andriamanitra nanidy azy rehetra tamin'ny tsi-fanekena, mba hamindrany fo amin'izy rehetra.
深哉, 神丰富的智慧和知识!他的判断何其难测!他的踪迹何其难寻!
Endrey ny halalin'ny haren'Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! ny fitsarany tsy hita lany, ary ny lalany tsy azo fantarina!
谁知道主的心?谁作过他的谋士呢?
Fa iza no nahalala ny sain'i Jehovah? ary iza no mpanolo-tsaina Azy? (Isa 40. 13)
谁是先给了他,使他后来偿还呢?
Na iza no nanome Azy aloha hamaliana azy indray?
因为万有都是本于他,倚靠他,归于他。愿荣耀归给他,直到永远。阿们!
Fa Izy no nihavian'izao zavatra rehetra izao, ary Izy no mihazona azy, sady Izy koa no antony; Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay. Amena.