Romans 1

耶稣基督的仆人保罗,奉召为使徒,特派传 神的福音。
Paoly, mpanompon'i Jesosy Kristy, voantso ho Apostoly, voatokana ho amin'ny filazantsaran'Andriamanitra,
这福音是 神从前借众先知在圣经上所应许的,
izay nampilazainy ny mpaminany rahateo teo amin'ny Soratra Masina,
论到他儿子─我主耶稣基督。按肉体说,是从大卫后裔生的;
ny amin'ny Zanany, Izay nateraka avy tamin'ny taranak'i Davida araka ny nofo,
按圣善的灵说,因从死里复活,以大能显明是 神的儿子。
ary naseho tamin-kery ho Zanak'Andriamanitra araka ny fahamasinana tamin'ny fitsanganany tamin'ny maty, - dia Jesosy Kristy Tompontsika,
我们从他受了恩惠并使徒的职分,在万国之中叫人为他的名信服真道;
Izay nandraisanay fahasoavana sy ny mah'Apostoly anay hahatonga fanekena ny finoana ho voninahitry ny anarany any amin'ny jentilisa rehetra;
其中也有你们这蒙召属耶稣基督的人。
ary ianareo koa, izay isan'ireny, dia voantso ho an'i Jesosy Kristy, -
我写信给你们在罗马、为 神所爱、奉召作圣徒的众人。愿恩惠、平安从我们的父 神并主耶稣基督归与你们!
ho an'izay rehetra any Roma, malalan'Andriamanitra sady voantso ho masina; ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
第一,我靠著耶稣基督,为你们众人感谢我的 神,因你们的信德传遍了天下。
Voalohany, misaotra an'Andriamanitro amin'ny alalan'i Jesosy Kristy aho noho ny aminareo rehetra, satria efa re eran'izao tontolo izao ny lazan'ny finoanareo.
我在他儿子福音上,用心灵所事奉的 神,可以见证我怎样不住的提到你们;
Fa Andriamanitra, Izay tompoin'ny fanahiko amin'ny filazantsaran'ny Zanany, no vavolombeloko fa tsy mitsahatra mahatsiaro anareo aho, ka mandrakariva, raha mivavaka aho,
在祷告之间常常恳求,或者照 神的旨意,终能得平坦的道路往你们那里去。
dia mangataka fandrao mba hisy hahafahako amin'izao ho tonga aminareo, raha sitrapon'Andriamanitra.
因为我切切的想见你们,要把些属灵的恩赐分给你们,使你们可以坚固。
Fa maniry hahita anareo aho hanomezako anareo fahasoavam-panahy ho anareo, mba hampaharezina ianareo,
这样,我在你们中间,因你与我彼此的信心,就可以同得安慰。
izany dia ny mba hiarahako hamporisihina aminareo amin'ny finoantsika, dia ny anareo sy ny ahy.
弟兄们,我不愿意你们不知道,我屡次定意往你们那里去,要在你们中间得些果子,如同在其余的外邦人中一样;只是到如今仍有阻隔。
Ary tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, fa matetika aho no efa nikasa hankatỳ aminareo (saingy azon-tsampona mandraka ankehitriny aho), hananako izay vokatra atỳ aminareo koa, toy ny any amin'ny jentilisa sasany.
无论是希腊人、化外人、聪明人、愚拙人,我都欠他们的债,
Ananan'ny Grika sy ny firenena hafa rehetra, ny hendry sy ny tsy hendry, trosa aho;
所以情愿尽我的力量,将福音也传给你们在罗马的人。
koa raha izaho, dia mazoto hitory ny filazantsara aminareo izay any Roma koa aho.
我不以福音为耻;这福音本是 神的大能,要救一切相信的,先是犹太人,后是希腊人。
Fa tsy menatra ny filazantsara aho; fa herin'Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany, amin'ny Jiosy aloha, dia vao amin'ny jentilisa koa.
因为 神的义正在这福音上显明出来;这义是本于信,以致于信。如经上所记:义人必因信得生。
Fa amin'izany no anehoana fahamarinana avy amin'Andriamanitra avy amin'ny finoana sy ho amin'ny finoana, araka ny voasoratra hoe: Ny marina amin'ny finoana no ho velona (Hab. 2. 4).
原来, 神的忿怒从天上显明在一切不虔不义的人身上,就是那些行不义阻挡真理的人。
Fa aseho avy any an-danitra ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ny faharatsiana rehetra sy ny tsi-fahamarinan'ny olona izay misakana ny fahamarinana amin'ny fanaovan-dratsy,
 神的事情,人所能知道的,原显明在人心里,因为 神已经给他们显明。
satria izay fantatra ny amin'Andriamanitra dia miseho ao am-pon'ireny, fa nasehon'Andriamanitra taminy.
自从造天地以来, 神的永能和 神性是明明可知的,虽是眼不能见,但借著所造之物就可以晓得,叫人无可推诿。
Fa ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny mah'Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin'ny zavatra nataony; ka dia tsy manan-kalahatra ireo;
因为,他们虽然知道 神,却不当作 神荣耀他,也不感谢他。他们的思念变为虚妄,无知的心就昏暗了。
fa na dia nahalala an'Andriamanitra aza izy, dia tsy mba nankalaza Azy toy izay miendrika ho an'Andriamanitra, na nisaotra Azy, fa tonga zava-poana izy tamin'ny fisainany, ary tonga maizina ny fony donto.
自称为聪明,反成了愚拙,
Nandoka tena ho hendry izy ka tonga adala,
将不能朽坏之 神的荣耀变为偶像,彷彿必朽坏的人和飞禽、走兽、昆虫的样式。
koa ny voninahitr'Andriamanitra tsy mety lò dia nosoloany zavatra tahaka ny endriky ny olona mety lò sy ny vorona sy ny biby manan-tongotra efatra ary ny zavatra mandady sy mikisaka.
所以, 神任凭他们逞著心里的情欲行污秽的事,以致彼此玷辱自己的身体。
Ary izany no nanoloran'Andriamanitra azy tamin'ny filan'ny fony ho amin'ny fahalotoana, dia ny nifanalany voninahitra tamin'ny tenany avy;
他们将 神的真实变为虚谎,去敬拜事奉受造之物,不敬奉那造物的主;主乃是可称颂的,直到永远。阿们!
ary ny fahamarinan'Andriamanitra dia nosoloany lainga, ka nanaja sy nanompo ny zavatra natao izy, fa tsy ny Mpanao, Izay isaorana mandrakizay. Amena.
因此, 神任凭他们放纵可羞耻的情欲。他们的女人把顺性的用处变为逆性的用处;
Izany no nanoloran'Andriamanitra azy ho amin'ny filan-dratsy mahavoafady; fa ny vehivavy tao aminy nanova ny fanaony ho amin'izay tsy fanaony;
男人也是如此,弃了女人顺性的用处,欲火攻心,彼此贪恋,男和男行可羞耻的事,就在自己身上受这妄为当得的报应。
ary tahaka izany koa ny lehilahy, fa namela ny fanao amin'ny vehivavy izy ka maimay tamin'ny fifampilany samy lehilahy nifanao izay mahamenatra, dia nandray tao amin'ny tenany ny valiny izay tokony ho azy noho ny fiviliany.
他们既然故意不认识 神, 神就任凭他们存邪僻的心,行那些不合理的事;
Ary araka ny nanaovany ny fahalalana marina an'Andriamanitra ho tsy miendrika hotanany, dia araka izany kosa no nanoloran'Andriamanitra azy ho amin'ny fisainana tsy mahamendrika hanao izay zavatra tsy tokony hatao,
装满了各样不义、邪恶、贪婪、恶毒(或作:阴毒),满心是嫉妒、凶杀、争竞、诡诈、毒恨;
ka dia feno ny tsi-fahamarinana rehetra, ny faharatsiana, ny fieremana, ny lolompo,- feno fialonana, vonoan-olona, fifandirana, fitaka, otri-po,-
又是谗毁的、背后说人的、怨恨 神的(或作:被 神所憎恶的)、侮慢人的、狂傲的、自夸的、捏造恶事的、违背父母的。
mpibitsibitsika, mpanendrikendrika, halan'Andriamanitra, mpampahory, mpiavonavona, mpandoka tena, mpamoron-tsain-dratsy, tsy manoa ray sy reny,
无知的,背约的,无亲情的,不怜悯人的。
tsy manam-pahalalana, tsy mitana fanekena, tsy manam-pitiavana, tsy miantra;
他们虽知道 神判定行这样事的人是当死的,然而他们不但自己去行,还喜欢别人去行。
dia olona mahalala tsara ny fitsipika nomen'Andriamanitra fa izay manao izany zavatra izany no miendrika ho faty, nefa tsy manao izany ihany izy, fa mankasitraka ny manao koa.