Revelation of John 5

我看见坐宝座的右手中有书卷,里外都写著字,用七印封严了。
Ary hitako fa, indro, nisy boky voasoratra tao anatiny sy teo ivohony, voapetaka mafy tamin'ny tombo-kase fito, teo an-tanana ankavanan'ilay nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianana.
我又看见一位大力的天使大声宣传说:有谁配展开那书卷,揭开那七印呢?
Ary hitako fa, indro, nisy anjely mahery niantso tamin'ny feo mafy hoe: Iza no miendrika hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny?
在天上、地上、地底下,没有能展开、能观看那书卷的。
Ary tsy nisy tany an-danitra, na tetỳ an-tany, na tany ambanin'ny tany, nahasokatra ny boky na nahajery azy.
因为没有配展开、配观看那书卷的,我就大哭。
Ary nitomany mafy aho, satria tsy nisy hita miendrika hanokatra ny boky na hijery azy.
长老中有一位对我说:不要哭。看哪,犹大支派中的狮子,大卫的根,他已得胜,能以展开那书卷,揭开那七印。
Ary ny anankiray tamin'ny loholona nanao tamiko hoe: Aza mitomany; indro, ny Liona avy amin'ny firenen'i Joda, dia ny Solofon'i Davida, no efa naharesy ka hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny fito.
我又看见宝座与四活物,并长老之中有羔羊站立,像是被杀过的,有七角七眼,就是 神的七灵,奉差遣往普天下去的。
Ary hitako fa, indro, teo afovoan'ny seza fiandrianana sy ny zava-manan'aina efatra ary teo afovoan'ny loholona dia nisy Zanak'ondry nitsangana tahaka ny efa voavono, nanan-tandroka fito sy maso fito, dia ny Fanahy fiton'Andriamanitra nirahina hankany amin'ny tany rehetra.
这羔羊前来,从坐宝座的右手里拿了书卷。
Ary tonga Izy ka nandray ny boky teo an-tanana ankavanan'ilay nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianana.
他既拿了书卷,四活物和二十四位长老就俯伏在羔羊面前,各拿著琴和盛满了香的金炉;这香就是众圣徒的祈祷。
Ary rehefa nandray ny boky Izy, ny zava-manana-aina efatra sy ny loholona efatra amby roa-polo dia niankohoka teo anatrehan'ny Zanak'ondry, sady samy nanana lokanga sy lovia volamena feno ditin-kazo manitra izy, dia vavaka ataon'ny olona masina izany.
他们唱新歌,说:你配拿书卷,配揭开七印;因为你曾被杀,用自己的血从各族、各方、各民、各国中买了人来,叫他们归于 神,
Ary nihira fihiram-baovao izy ka nanao hoe: Hianao no miendrika haka ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny; Fa voavono Hianao, Ary ny rànao no nanavotanao ho an'Andriamanitra olona avy tamin'ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny sy ny olona ary ny firenena rehetra;
又叫他们成为国民,作祭司归于 神,在地上执掌王权。
Ary efa nataonao fanjakana sy mpisorona ho an'Andriamanitsika ireo; Ary manjaka ambonin'ny tany izy.
我又看见且听见,宝座与活物并长老的周围有许多天使的声音;他们的数目有千千万万,
Ary nahita aho sady nandre feon'anjely maro manodidina ny seza fiandrianana sy ny zava-manan'aina ary ny loholona, ary ny Isany dia alinalina sy arivoarivo,
大声说:曾被杀的羔羊是配得权柄、丰富、智慧、能力、尊贵、荣耀、颂讚的。
nanao tamin'ny feo mahery hoe: Ny Zanak'ondry, Izay novonoina, dia miendrika handray hery sy harena sy fahendrena sy faherezana sy haja sy voninahitra ary saotra.
我又听见在天上、地上、地底下、沧海里,和天地间一切所有被造之物,都说:但愿颂讚、尊贵、荣耀、权势都归给坐宝座的和羔羊,直到永永远远!
Ary izao zavatra ary rehetra izao, na izay any an-danitra, na izay etỳ ambonin'ny tany sy any ambanin'ny tany, na izay any an-dranomasina mbamin'izay rehetra ao anatiny, dia reko samy nanao hoe: Ho an'ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana sy ho an'ny Zanak'ondry anie ny saotra sy ny haja sy ny voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay.
四活物就说:阿们!众长老也俯伏敬拜。
Ary ny zava-manan'aina efatra nanao hoe: Amena. Ary ny loholona dia niankohoka ka nivavaka.