Revelation of John 16

我听见有大声音从殿中出来,向那七位天使说:你们去,把盛 神大怒的七碗倒在地上。
Ary nahare feo mahery avy tao amin'ny tempoly aho nanao tamin'ny anjely fito hoe: Mandehana, aidino amin'ny tany ny ao amin'ny lovia fito feno ny fahatezeran'Andriamanitra.
第一位天使便去,把碗倒在地上,就有恶而且毒的疮生在那些有兽印记、拜兽像的人身上。
Ary ny voalohany nandeha, dia nampidina ny tao an-doviany tamin'ny tany; dia nisy vay ratsy sady mampahory tamin'ny olona izay nanana ny mariky ny bibi-dia sy niankohoka teo anatrehan'ny sariny.
第二位天使把碗倒在海里,海就变成血,好像死人的血,海中的活物都死了。
Ary ny faharoa nampidina ny tao an-doviany tamin'ny ranomasina; dia nody rà tahaka ny ran'ny olona maty ny ranomasina: ary maty ny zava-manan'aina rehetra tao aminy.
第三位天使把碗倒在江河与众水的泉源里,水就变成血了。
Ary ny fahatelo nampidina ny tao an-doviany tamin'ny ony sy ny loharano; dia nody rà ireny.
我听见掌管众水的天使说:昔在、今在的圣者啊,你这样判断是公义的;
Ary nahare ny anjelin'ny rano aho nanao hoe: Marina Hianao, ilay ankehitriny sy taloha, dia ny Iray Masina, satria efa nitsara toy izany Hianao;
他们曾流圣徒与先知的血,现在你给他们血喝;这是他们所该受的。
fa ny ran'ny olona masina sy ny mpaminany no nalatsany, ka dia rà kosa no nomenao hosotromy; ary tandrifiny ho azy irany.
我又听见祭坛中有声音说:是的,主 神─全能者啊,你的判断义哉!诚哉!
Ary reko ny alitara nanao hoe: Eny, Tompo ô, Andriamanitra Tsitoha, marina sy mahitsy ny fitsaranao.
第四位天使把碗倒在日头上,叫日头能用火烤人。
Ary ny fahelatra nampidina ny tao an-doviany tamin'ny masoandro; dia nasaina nandoro ny olona tamin'ny afo izy.
人被大热所烤,就亵渎那有权掌管这些灾的 神之名,并不悔改将荣耀归给 神。
Ary main'ny hafanana be ny olona, dia niteny ratsy ny anaran'Andriamanitra, Izay manam-pahelana amin'ireny loza ireny, izy sady tsy nibebaka mba hanome voninahitra Azy.
第五位天使把碗倒在兽的座位上,兽的国就黑暗了。人因疼痛就咬自己的舌头;
Ary ny fahadimy nampidina ny tao an-doviany tamin'ny seza fiandrianan'ilay bibi-dia; dia tonga maizina ny fanjakany, ary ny olona nitsakotsako ny lelany noho ny fanaintainana,
又因所受的疼痛,和生的疮,就亵渎天上的 神,并不悔改所行的。
dia niteny ratsy an'Andriamanitry ny lanitra izy noho ny fanaintainany sy ny vainy sady tsy nibebaka tamin'ny asany.
第六位天使把碗倒在幼发拉底大河上,河水就干了,要给那从日出之地所来的众王预备道路。
Ary ny fahenina nampidina ny tao an-doviany tamin'i Eofrata, ony lehibe; dia ritra ny ranony hanamboarana ny lalan'ireny mpanjaka avy any amin'ny fiposahan'ny masoandro.
我又看见三个污秽的灵,好像青蛙,从龙口、兽口并假先知的口中出来。
Ary nahita aho fa indreo fanahy maloto telo tahaka ny sahona avy tamin'ny vavan'ilay dragona sy tamin'ny vavan'ilay bibi-dia ary tamin'ny vavan'ilay mpaminany sandoka.
他们本是鬼魔的灵,施行奇事,出去到普天下众王那里,叫他们在 神全能者的大日聚集争战。
Fa fanahin'ny demonia ireo ka manao famantarana sady mankany amin'ny mpanjaka amin'izao tontolo izao, mba hanangona ary ho amin'ny adin'ilay andro lehiben'Andriamanitra Tsitoha.
(看哪,我来像贼一样。那儆醒、看守衣服、免得赤身而行、叫人见他羞耻的有福了!)
(Indro, avy toy ny mpangalatra Aho. Sambatra izay miambina ka miaro ny fitafiany, fandrao mandeha mitanjaka izy, ka hita ny fahamenarany.)
那三个鬼魔便叫众王聚集在一处,希伯来话叫作哈米吉多顿。
Ary nangoniny ho any amin'ny tany atao amin'ny teny Hebreo hoe Hara-magedona ireny.
第七位天使把碗倒在空中,就有大声音从殿中的宝座上出来,说:成了!
Ary ny fahafito dia nampidina ny tao an-doviany tamin'ny rivotra; dia nisy feo mahery nivoaka avy tao amin'ny tempoly, teo amin'ny seza fiandrianana, nanao hoe: Vita.
又有闪电、声音、雷轰、大地震,自从地上有人以来,没有这样大、这样利害的地震。
Dia nisy helatra sy feo sy kotrokorana, ary nisy horohorontany mafy, izay tsy mbola nisy toy izany hatrizay nisian'olona tetỳ ambonin'ny tany, eny, tsy mbola nisy horohorontany mafy sy lehibe toy izany.
那大城裂为三段,列国的城也都倒塌了; 神也想起巴比伦大城来,要把那盛自己烈怒的酒杯递给他。
Ary ny tanàna lehibe dia vaky ho telo toko, ary rava ny tanànan'ny firenena maro; ary Babylona lehibe dia notsarovana teo anatrehan'Andriamanitra, mba homena azy ny kapoaky ny divain'ny firehetan'ny fahatezerany.
各海岛都逃避了,众山也不见了。
Ary ny nosy rehetra nandositra, ary ny tendrombohitra tsy hita intsony.
又有大雹子从天落在人身上,每一个约重一他连得(一他连得约有九十斤)。为这雹子的灾极大,人就亵渎 神。
Ary nisy havandra vaventy nilatsaka avy tany an-danitra ho amin'ny olona, tokony ho lanjan-talenta iray avy; ary niteny ratsy an'Andriamanitra ny olona noho ny loza avy tamin'ny havandra; fa lehibe loatra izany loza izany.