Revelation of John 14

我又观看,见羔羊站在锡安山,同他又有十四万四千人,都有他的名和他父的名写在额上。
Ary hitako fa, indro, ny Zanak'ondry nitsangana teo an-tendrombohitra Ziona, ary nisy efatra arivo amby efatra alina sy iray hetsy nomba Ary, samy manana ny anarany sy ny anaran'ny Rainy voasoratra eo amin'ny handriny.
我听见从天上有声音,像众水的声音和大雷的声音,并且我所听见的好像弹琴的所弹的琴声。
Ary nahare feo avy tany an-danitra aho, tahaka ny firohondrohon'ny rano be sy tahaka ny fikotroky ny kotrokorana mafy; ary ny feo izay reko dia tahaka ny an'ny mpitendry lokanga mitendry ny lokangany.
他们在宝座前,并在四活物和众长老前唱歌,彷彿是新歌;除了从地上买来的那十四万四千人以外,没有人能学这歌。
Ary mihira toa tonon-kira vaovao eo anoloan'ny seza fiandrianana sy eo anatrehan'ny zava-manan'aina efatra sy ny loholona izy; ary tsy nisy nahay nianatra izany fihirana izany, afa-tsy ny efatra arivo amby efatra alina sy iray hetsy izay navotana niala tamin'ny tany.
这些人未曾沾染妇女,他们原是童身。羔羊无论往那里去,他们都跟随他。他们是从人间买来的,作初熟的果子归与 神和羔羊。
Ireo no tsy voaloto tamin'ny vehivavy, fa virijina izy. Ireo no manaraka ny Zanak'ondry na aiza na aiza no alehany. lreo no navotana avy tamin'ny olona ho voaloham-bokatra ho an'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry.
在他们口中察不出谎言来;他们是没有瑕疵的。
Ary tsy nisy lainga hita teo am-bavany, sady tsy manan-tsiny izy.
我又看见另有一位天使飞在空中,有永远的福音要传给住在地上的人,就是各国、各族、各方、各民。
Ary hitako fa, indro, nisy anjely iray koa nanidina teo afovoan'ny lanitra, nanana filazantsara mandrakizay hotorina amin'izay monina ambonin'ny tany sy amin'ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra,
他大声说:应当敬畏 神,将荣耀归给他!因他施行审判的时候已经到了。应当敬拜那创造天地海和众水泉源的。
nanao tamin'ny feo mahery hoe: Matahora an'Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro fitsarany; ary miankohofa eo anoloan'izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano.
又有第二位天使接著说:叫万民喝邪淫、大怒之酒的巴比伦大城倾倒了!倾倒了!
Ary nisy iray koa, dia anjely faharoa, nanaraka ka nanao hoe: Rava! rava Babylona lehibe! izay nampisotro ny firenena rehetra ny divain'ny fahatezerana noho ny fijangajangany.
又有第三位天使接著他们,大声说:若有人拜兽和兽像,在额上或在手上受了印记,
Ary nisy iray koa, dia anjely fahatelo, nanaraka ireny ka nanao tamin'ny feo mahery hoe: Raha misy miankohoka eo anoloan'ny bibi-dia sy ny sariny ka mandray ny marika eo amin'ny handriny na amin'ny tànany,
这人也必喝 神大怒的酒;此酒斟在 神忿怒的杯中纯一不杂。他要在圣天使和羔羊面前,在火与硫磺之中受痛苦。
dia izy koa no hisotro ny divain'ny fahatezeran'Andriamanitra, izay naidina tao anatin'ny kapoaky ny fahatezerany tsy miharoharo zavatra, sady hampijalina amin'ny afo sy solifara eo anatrehan'ny anjely masina sy eo anatrehan'ny Zanak'ondry iry;
他受痛苦的烟往上冒,直到永永远远。那些拜兽和兽像,受他名之印记的,昼夜不得安宁。
ary ny setroky ny fijaliany dia miakatra mandrakizay mandrakizay; ary tsy manam-pitsaharana na andro na alina izay miankohoka eo anoloan'ny bibi-dia sy ny sariny, na izay mandray ny mariky ny anarany.
圣徒的忍耐就在此;他们是守 神诫命和耶稣真道的。
Indro ny faharetan'ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy.
我听见从天上有声音说:你要写下:从今以后,在主里面而死的人有福了!圣灵说:是的,他们息了自己的劳苦,作工的果效也随著他们。
Ary nahare feo avy tany an-danitra aho nanao hoe: Soraty: Sambatra ny maty, dia izay maty ao amin'ny Tompo hatramin'izao. Eny, hoy ny Fanahy, fa hitsahatra amin'izay nisasarany izy; fa ny asany manaraka azy.
我又观看,见有一片白云,云上坐著一位好像人子,头上戴著金冠冕,手里拿著快镰刀。
Ary, indro, nahita rahona fotsy aho, ary nisy tahaka ny Zanak'Olona nipetraka teo ambonin'ny rahona, Izay nisatroka satro-boninahitra volamena sady nitana fijinjana maranitra teny an-tànany.
又有一位天使从殿中出来,向那坐在云上的大声喊著说:伸出你的镰刀来收割;因为收割的时候已经到了,地上的庄稼已经熟透了。
Ary nisy anjely iray koa nivoaka avy tao amin'ny tempoly, niantso tamin'ny feo mahery ka nanao tamin'ilay nipetraka teo ambonin'ny rahona hoe: Arosoy ny fijinjanao, ka mijinjà, satria tonga ny andro fijinjana; fa masaka dia masaka ny vokatry ny tany.
那坐在云上的,就把镰刀扔在地上,地上的庄稼就被收割了。
Dia naroson'ilay nipetraka teo ambonin'ny rahona tamin'ny tany ny fijinjany, ka voajinja ny tany.
又有一位天使从天上的殿中出来,他也拿著快镰刀。
Ary nisy anjely iray koa nivoaka avy tao amin'ny tempoly tany an-danitra, ary izy koa nanana fijinjana maranitra.
又有一位天使从祭坛中出来,是有权柄管火的,向拿著快镰刀的大声喊著说:伸出快镰刀来,收取地上葡萄树的果子,因为葡萄熟透了!
Ary nisy anjely iray koa nivoaka avy teo amin'ny alitara, ary nanana fahefana tamin'ny afo izy; ary izy niantso ilay nanana ny fijinjana maranitra tamin'ny feo mahery hoe: Arosoy ny fijinjanao maranitra, ka angòny ny sampahom-boaloboka eo amin'ny tany; fa masaka tsara ny voalobony.
那天使就把镰刀扔在地上,收取了地上的葡萄,丢在 神忿怒的大酒醡中。
Ary naroson'ilay anjely tamin'ny tany ny fijinjany, dia nangoniny ny voaloboky ny tany ka nazerany tao amin'ny famiazana lehibe, dia ny fahatezeran'Andriamanitra.
那酒醡踹在城外,就有血从酒醡里流出来,高到马的嚼环,远有六百里。
Ary voahitsaka teny ivelan'ny tanàna ny famiazana, ary avy tao amin'ny famiazana dia nisy rà nahadifotra hatramin'ny lamboridin-tsoavaly ka lasa hatramin'ny enin-jato amby arivo stadio.