Revelation of John 12

天上现出大异象来:有一个妇人身披日头,脚踏月亮,头戴十二星的冠冕。
Ary nisy famantarana lehibe hita tany an-danitra, dia vehivavy mitafy ny masoandro, ary ny volana no eo ambanin'ny tongony, ary misy satro-boninahitra kintana roa ambin'ny folo amin'ny lohany,
她怀了孕,在生产的艰难中疼痛呼叫。
sady bevohoka izy; ary mihetsi-jaza izy ka mitaraina, satria marary fatratra efa hiteraka.
天上又现出异象来:有一条大红龙,七头十角;七头上戴著七个冠冕。
Ary nisy famantarana hafa koa hita tany an-danitra, ka, indro, nisy dragona mena lehibe manan-doha fito sy tandroka folo, ary misy diadema fito amin'ny lohany.
她的尾巴拖拉著天上星辰的三分之一,摔在地上。龙就站在那将要生产的妇人面前,等她生产之后,要吞吃她的孩子。
Ary ny rambony dia manala ny ampahatelon'ny kintana amin'ny lanitra ka manjera ireny ho amin'ny tany; ary ny dragona nijanona teo anatrehan'ilay vehivavy efa hiteraka mba handrapaka ny zanany, raha vao teraka;
妇人生了一个男孩子,是将来要用铁杖辖管(辖管:原文是牧)万国的;她的孩子被提到 神宝座那里去了。
ary niteraka zazalahy izy, izay efa hanapaka ny firenena rehetra amin'ny tehim-by; ary ny zanany novonjena faingana nakarina ho any amin'Andriamanitra, dia ho any amin'ny seza fiandrianany.
妇人就逃到旷野,在那里有 神给她预备的地方,使她被养活一千二百六十天。
Ary ravehivavy kosa nandositra nankany an-efitra, izay nisy fitoerany namboarin'Andriamanitra, mba hovelomina any enim-polo amby roan-jato amby arivo andro izy.
在天上就有了争战。米迦勒同他的使者与龙争战,龙也同他的使者去争战,
Ary nisy ady tany an-danitra: Mikaela sy ny anjeliny niady tamin'ilay dragona; ary ilay dragona mbamin'ny anjeliny kosa dia niady,
并没有得胜,天上再没有牠们的地方。
nefa tsy naharesy, sady tsy nisy fitoerana ho azy intsony tany an-danitra.
大龙就是那古蛇,名叫魔鬼,又叫撒但,是迷惑普天下的。牠被摔在地上,牠的使者也一同被摔下去。
Ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia nazera tamin'ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy.
我听见在天上有大声音说:我 神的救恩、能力、国度、并他基督的权柄,现在都来到了!因为那在我们 神面前昼夜控告我们弟兄的,已经被摔下去了。
Dia nahare feo mahery tany an-danitra aho nanao hoe: Ankehitriny dia tonga ny famonjena sy ny hery sy ny fanjakan'Andriamanitsika, Ary ny fahefan'ny Kristiny, Satria nazera ilay mpiampanga ny rahalahintsika, dia ilay miampanga azy eo anatrehan'Andriamanitsika andro aman'alina.
弟兄胜过他,是因羔羊的血和自己所见证的道。他们虽至于死,也不爱惜性命。
Ary izy ireo naharesy azy noho ny amin'ny ran'ny Zanak'ondry Sy ny teny filazana Azy, Ary tsy nankamamy ny ainy intsony iry, na dia ho faty aza.
所以,诸天和住在其中的,你们都快乐吧!只是地与海有祸了!因为魔鬼知道自己的时候不多,就气忿忿的下到你们那里去了。
Ary noho izany mifalia, ry lanitra sy ianareo izay monina ao aminy. Loza ho an'ny tany sy ny ranomasina ! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, Satria fantany fa kely sisa ny androny.
龙见自己被摔在地上,就逼迫那生男孩子的妇人。
Ary rehefa hitan'ilay dragona fa nazera tamin'ny tany izy, dia nanenjika ilay vehivavy niteraka ny zazalahy izy.
于是有大鹰的两个翅膀赐给妇人,叫她能飞到旷野,到自己的地方,躲避那蛇;她在那里被养活一载二载半载。
Ary ilay vehivavy nomena ny elatra roa an'ny voromahery lehibe hanidinany ho any an-efitra, ho any amin'ny fitoerany, izay itaizana azy fetr'andro iray sy fetr'andro roa ary antsasaky ny fetr'andro, mba tsy ho hitan'ilay menarana izy.
蛇就在妇人身后,从口中吐出水来,像河一样,要将妇人冲去。
Ary ilay menarana namoaka rano tamin'ny vavany, toy ny riaka, hanaraka an-dravehivavy, mba hindaosin'ny riaka iry.
地却帮助妇人,开口吞了从龙口吐出来的水(原文作河)。
Nefa ny tany namonjy an-dravehivavy, fa nivava ny tany ka nitelina ny riaka izay navoaky ny dragona tamin'ny vavany.
龙向妇人发怒,去与她其余的儿女争战,这儿女就是那守 神诫命、为耶稣作见证的。那时龙就站在海边的沙上。
Dia tezitra tamin'ilay vehivavy ny dragona ka lasa nandeha hiady tamin'ny zanany sisa, izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy mitana ny filazana an'i Jesosy. Ary nitsangana teo ambonin'ny fasiky ny ranomasina izy.