Revelation of John 11

有一根苇子赐给我,当作量度的杖,且有话说:起来!将 神的殿和祭坛,并在殿中礼拜的人都量一量。
Ary nomena volotara tahaka ny tehina aho, ka nisy nilaza tamiko hoe: Mitsangàna, ka refeso ny tempolin'Andriamanitra sy ny alitara, ary isao izay mivavaka ao.
只是殿外的院子要留下不用量,因为这是给了外邦人的;他们要践踏圣城四十二个月。
Fa ny kianja eo ivelan'ny tempoly dia avelao ihany, fa aza mba refesina; fa nomena ny jentilisa izany, ka hanitsaka ny tanàna masina roa amby efa-polo volana izy.
我要使我那两个见证人,穿著毛衣,传道一千二百六十天。
Ary homeko hery ny vavolombeloko roa, ka haminany enim-polo amby roan-jato amby arivo andro izy, sady hitafy lamba fisaonana.
他们就是那两棵橄榄树,两个灯台,立在世界之主面前的。
Ireo ilay hazo oliva roa sy ilay fanaovan-jiro roa, izay mitsangana eo anatrehan'ny Tompon'ny tany.
若有人想要害他们,就有火从他们口中出来,烧灭仇敌。凡想要害他们的都必这样被杀。
Ary raha misy ta-handratra ireo, dia misy afo mivoaka amin'ny vavany ka mandany ny fahavalony; ary rana misy ta-handratra ireo, dia tsy maintsy hovonoina toy izany koa izy.
这二人有权柄,在他们传道的日子叫天闭塞不下雨;又有权柄叫水变为血,并且能随时随意用各样的灾殃攻击世界。
Ireo dia manam-pahefana handrindrina ny lanitra, mba tsy hilatsahan'ny ranonorana amin'ny andro aminaniany; ary manam-pahefana amin'ny rano koa izy hampody azy ho rà sy hamely ny tany amin'ny loza araka izay andro tiany na oviana na oviana.
他们作完见证的时候,那从无底坑里上来的兽必与他们交战,并且得胜,把他们杀了。
Ary rehefa tanteraka ny filazany, dia hiady aminy kosa ilay bibi-dia miakatra avy amin'ny lavaka tsy hita noanoa ka haharesy sy hahafaty azy.
他们的尸首就倒在大城里的街上;这城按著灵意叫所多玛,又叫埃及,就是他们的主钉十字架之处。
Ary ny fatiny hiampatra eny an-dalambe amin'ny tanàna lehibe, izay atao, araka ny hevi-panahy, hoe Sodoma sy Egypta, sady tao koa no nanomboana ny Tompony tamin'ny hazo fijaliana.
从各民、各族、各方、各国中,有人观看他们的尸首三天半,又不许把尸首放在坟墓里。
Ary ny olona sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny firenena maro dia misy mijery ny fatiny hateloan'andro sy tapany; ary tsy avelany halevina ao am-pasana ny fatiny.
住在地上的人就为他们欢喜快乐,互相餽送礼物,因这两位先知曾叫住在地上的人受痛苦。
Ary ny mponina ambonin'ny tany mifaly azy ka ravoravo, ary hifanati-javatra izy, satria nampangirifiry ny mponina ambonin'ny tany ireo mpaminany roa ireo.
过了这三天半,有生气从 神那里进入他们里面,他们就站起来;看见他们的人甚是害怕。
Ary rehefa afaka ny hateloan'andro sy tapany, dia nisy fanahin'aina avy tamin'Andriamanitra niditra tao anatin'ireo, ary nijoro tamin'ny tongony izy, ka raiki-tahotra indrindra izay nahita azy.
两位先知听见有大声音从天上来,对他们说:上到这里来。他们就驾著云上了天,他们的仇敌也看见了。
Ary nahare feo mahery avy tany an-danitra izy roa nanao taminy hoe: Miakara atỳ. Dia niakatra ho any an-danitra tao anatin'ny rahona ireo; ary nahatsinjo azy ny fahavalony.
正在那时候,地大震动,城就倒塌了十分之一,因地震而死的有七千人;其余的都恐惧,归荣耀给天上的 神。
Ary tamin'izany ora izany dia nisy horohorontany mafy, ka rava ny ampahafolon'ny tanàna, ary maty tamin'izany horohorontany izany ny olona fito arivo; ary raiki-tahotra ny olona sisa ka nanome voninahitra an'Andriamanitry ny lanitra.
第二样灾祸过去,第三样灾祸快到了。
Lasa ny loza faharoa; indro, avy faingana ny loza fahatelo.
第七位天使吹号,天上就有大声音说:世上的国成了我主和主基督的国;他要作王,直到永永远远。
Ary ny anjely fahafito nitsoka, dia nisy feo mafy tany an-danitra nanao hoe: Ny fanjakana amin'izao tontolo izao dia efa lasan'ny ny Tompontsika sy ny Kristiny; ary Izy no hanjaka mandrakizay mandrakizay.
在 神面前,坐在自己位上的二十四位长老,就面伏于地,敬拜 神,
Ary ny loholona fatra amby roa-polo, izay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianany eo anatrehan'Andriamanitra, dia niankohoka ka nivavaka tamin'Andriamanitra
说:昔在、今在的主 神─全能者啊,我们感谢你!因你执掌大权作王了。
nanao hoe: Misaotra Anao izahay, Tompo Ô, Andriamanitra Tsitoha, Ilay ankehitriny sy taloha, Satria nasehonao ny herinao lehibe, ka efa manjaka Hianao.
外邦发怒,你的忿怒也临到了;审判死人的时候也到了。你的仆人众先知和众圣徒,凡敬畏你名的人,连大带小得赏赐的时候也到了。你败坏那些败坏世界之人的时候也就到了。
Ary tezitra ny firenena maro, ary tonga ny fahatezeranao Sy ny fotoana hitsarana ny maty, sy hanomezana valim-pitia ny mpaminany mpanomponao sy ny olona masina ary izay matahotra ny anaranao, na kely na lehibe, ary mba hanimbanao izay manimba ny tany.
当时, 神天上的殿开了,在他殿中现出他的约柜。随后有闪电、声音、雷轰、地震、大雹。
Ary novohana ny tempolin'Andriamanitra any an-danitra, ka hita ny fiaran'ny fanekeny teo anatin'ny tempoliny; ary nisy helatra sy feo sy kotrokorana sy horohorontany ary havandra vaventy.