Psalms 86

(大卫的祈祷。)耶和华啊,求你侧耳应允我,因我是困苦穷乏的。
Fivavak'i Davida. Atongilano ny sofinao, Jehovah ô, ka valio aho, Fa ory sy malahelo.
求你保存我的性命,因我是虔诚人。我的 神啊,求你拯救这倚靠你的仆人!
Arovy ny fanahiko, fa masina aho; Andriamanitro ô, vonjeo ny mpanomponao, Izay matoky Anao.
主啊,求你怜悯我,因我终日求告你。
Tompo ô, mamindrà fo amiko; Fa Hianao no itarainako mandrakariva.
主啊,求你使仆人心里欢喜,因为我的心仰望你。
Ampifalio ny fanahin'ny mpanomponao; Fa Hianao, Tompo ô, no ananganako ny fanahiko.
主啊,你本为良善,乐意饶恕人,有丰盛的慈爱赐给凡求告你的人。
Fa Hianao, Tompo ô, no tsara sady mamela heloka Ary be famindram-po amin'izay rehetra miantso Anao.
耶和华啊,求你留心听我的祷告,垂听我恳求的声音。
Mandrenesa ny fivavako, Jehovah ô, Ary henoy ny feon'ny fifonako.
我在患难之日要求告你,因为你必应允我。
Amin'ny andro fahoriako dia miantso Anao aho, Fa mamaly ahy Hianao.
主啊,诸神之中没有可比你的;你的作为也无可比。
Tsy misy tahaka Anao, Tompo ô, amin'ireo andriamanitra; Ary tsy misy tahaka ny asanao.
主啊,你所造的万民都要来敬拜你;他们也要荣耀你的名。
Ny firenena rehetra nataonao dia ho avy hiankohoka eo anatrehanao, Tompo ô, Ka hanome voninahitra ny anaranao.
因你为大,且行奇妙的事;惟独你是 神。
Fa lehibe Hianao ka manao zava-mahagaga; Hianao irery ihany no Andriamanitra.
耶和华啊,求你将你的道指教我;我要照你的真理行;求你使我专心敬畏你的名!
Ampianaro ny lalanao aho, Jehovah ô, Dia handeha amin'ny fahamarinanao aho; Ampiraiso ny foko hatahotra ny anaranao.
主─我的 神啊,我要一心称讚你;我要荣耀你的名,直到永远。
Hidera Anao amin'ny foko rehetra aho, Andriamanitro Tompo ô Hanome voninahitra ny anaranao mandrakizay aho.
因为,你向我发的慈爱是大的;你救了我的灵魂免入极深的阴间。
Fa lehibe ny famindram-ponao amiko; Ary efa novonjenao ny fanahiko tsy ho any amin'ny fiainan-tsi-hita ambany indrindra.
 神啊,骄傲的人起来攻击我,又有一党强横的人寻索我的命;他们没有将你放在眼中。
Andriamanitra ô, ny mpirehareha mitsangana hanohitra ahy, Ary ny antokon'ny lozabe mitady ny aiko; Ary tsy mba heveriny fa eo anatrehany Hianao.
主啊,你是有怜悯有恩典的 神,不轻易发怒,并有丰盛的慈爱和诚实。
Fa Hianao, Tompo ô, dia Andriamanitra mamindrà fo sy miantra, Mahari-po sady be famindram-po sy fahamarinana.
求你向我转脸,怜恤我,将你的力量赐给仆人,救你婢女的儿子。
Todiho aho ka amindrao fo; Omeo ny herinao ny mpanomponao, Ary vonjeo ny zanaky ny ankizivavinao.
求你向我显出恩待我的凭据,叫恨我的人看见便羞愧,因为你─耶和华帮助我,安慰我。
Anehoy famantarana ny ho soa aho, Mba ho hitan'izay mankahala ahy, ka ho menatra izy; Fa Hianao Jehovah ô, no namonjy sy nampionona ahy.