Psalms 77

(亚萨的诗,照耶杜顿的作法,交与伶长。)我要向 神发声呼求;我向 神发声,他必留心听我。
Ho an'ny mpiventy hira. Al-jedotona. Salamo nataon'i Asafa. Ny feoko dia mankany amin'Andriamanitra, ka mitaraina aho; eny, ny feoko mankany amin'Andriamanitra, ka mihaino ahy Izy.
我在患难之日寻求主;我在夜间不住地举手祷告;我的心不肯受安慰。
Tamin'ny andro fahoriako no nitadiavako ny Tompo; ny tanako nasandratra nony alina ka tsy vizana; ny fanahiko tsy nety nampiononina.
我想念 神,就烦躁不安;我沉吟悲伤,心便发昏。(细拉)
Ta-hahatsiaro an'Andriamanitra aho, ka dia nisento; te-hieritreritra aho, ka dia reraka ny fanahiko.
你叫我不能闭眼;我烦乱不安,甚至不能说话。
Mampiari-tory ny masoko Hianao; mitebiteby aho ka tsy mahateny.
我追想古时之日,上古之年。
Nihevitra ny andro fahiny aho, dia ny taon-dasa ela.
我想起我夜间的歌曲,扪心自问;我心里也仔细省察。
Ta-hahatsiaro ny nitendreko valiha tamin'ny alina aho; te-hidinidinika amin'ny foko aho, ary ny fanahiko nanontany mafy hoe:
难道主要永远丢弃我,不再施恩吗?
Hanary mandrakizay va ny Tompo? Tsy hankasitraka intsony va Izy?
难道他的慈爱永远穷尽,他的应许世世废弃吗?
Efa nitsahatra mandrakizay va ny famindram-pony? Efa tapitra mandrakizay va ny teniny?
难道 神忘记开恩,因发怒就止住他的慈悲吗?(细拉)
Efa nanadino hamindra fo va Andriamanitra? Efa nohidiany an-katezerana va ny fiantràny?
我便说:这是我的懦弱,但我要追念至高者显出右手之年代。
Ary hoy izaho: Izao no mahararirary ny foko, dia ny niovan'ny tanana ankavanan'ny Avo Indrindra.
我要提说耶和华所行的;我要记念你古时的奇事。
Hampahatsiaro ny asan'i Jehovah aho, fa ta-hahatsiaro ny fahagagana nataonao fony taloha;
我也要思想你的经营,默念你的作为。
Eny hisaina ny asanao rehetra aho, ary hihevitra ny nataonao.
 神啊,你的作为是洁净的;有何 神大如 神呢?
Andriamanitra ô, amin'ny fitoerana masina ny lalanao; iza no andriamani-dehibe tahaka an'Andriamanitra?
你是行奇事的 神;你曾在列邦中彰显你的能力。
Hianao no Andriamanitra Izay manao fahagagana; efa nampahalala ny herinao teny amin'ny firenena Hianao.
你曾用你的膀臂赎了你的民,就是雅各和约瑟的子孙。(细拉)
Navotan'ny sandrinao ny olonao, dia ny taranak'i Jakoba sy Josefa.
 神啊,诸水见你,一见就都惊惶;深渊也都战抖。
Ny rano be nahita Anao, Andriamanitra ô, ny rano be nahita Anao ka toran-kovitra; eny, nanonjanonja ny lalina.
云中倒出水来;天空发出响声;你的箭也飞行四方。
Nandatsaka ranonorana ny rahona; nikotrokotroka ny lanitra; nifanaretsaka koa ny zana-tsipìkanao.
你的雷声在旋风中;电光照亮世界;大地战抖震动。
Ny fikotrokotroky ny kotrokorana dia teo amin'ny tadio; nahazava izao rehetra izao ny helatra; nihovotrovotra sy nihorohoro ny tany.
你的道在海中;你的路在大水中;你的脚踪无人知道。
Tany amin'ny ranomasina ny lalanao, ary ny nalehanao dia tany amin'ny rano mandriaka, ka tsy fantatra ny dian-tongotrao.
你曾借摩西和亚伦的手引导你的百姓,好像羊群一般。
Ny tanan'i Mosesy sy Arona no nitondranao ny olonao toy ny ondry.