Psalms 7

(大卫指著便雅悯人古实的话,向耶和华唱的流离歌。)耶和华─我的 神啊,我投靠你!求你救我脱离一切追赶我的人,将我救拔出来!
Sigaiona nataon'i Davida, izay nohirainy ho an'i Jehovah noho ny tenin'i Kosy Benjamita. Jehovah Andriamanitro ô, Hianao no ialofako; vonjeo aho amin'izay rehetra manenjika ahy, ka afaho;
恐怕他们像狮子撕裂我,甚至撕碎,无人搭救。
Fandrao ny fanahiko viravirainy tahaka ny fanaon'ny liona, ary kepokepohiny, ka tsy misy mamonjy.
耶和华─我的 神啊,我若行了这事,若有罪孽在我手里,
Jehovah Andriamanitro ô, raha nanao izany aho; raha misy heloka eto an-tanako;
我若以恶报那与我交好的人─连那无故与我为敌的,我也救了他,
Raha namaly ratsy izay tsara fihavanana tamiko aho, novonjeko aza izay nampahory ahy tsy ahoan-tsy ahoana
就任凭仇敌追赶我,直到追上,将我的性命踏在地下,使我的荣耀归于灰尘。(细拉)
Dia aoka ny fahavalo hanenjika ny fanahiko ka hahatratra azy; eny, aoka izy hanitsaka ny aiko amin'ny tany, ary hampandry ny voninahitro amin'ny vovoka.
耶和华啊,求你在怒中起来,挺身而立,抵挡我敌人的暴怒!求你为我兴起!你已经命定施行审判!
Jehovah ô, mitsangàna amin'ny fahatezeranao; misandrata hisakana ny fisafoaky ny mpampahory ahy; ary mifohaza hanampy ahy, fa didy marina no navoakanao;
愿众民的会环绕你!愿你从其上归于高位!
Aoka ny firenena maro hivory manodidina Anao; ary miverena ho any amin'ny avo eo amboniny Hianao,
耶和华向众民施行审判;耶和华啊,求你按我的公义和我心中的纯正判断我。
Jehovah hitsara ny firenena; Jehovah ô, tsarao aho araka ny fahamarinako sy ny tsi-fananako tsiny.
愿恶人的恶断绝!愿你坚立义人!因为公义的 神察验人的心肠肺腑。
Aoka ho tapaka ny ratsy ataon'ny ratsy fanahy, fa ampitoero kosa ny marina; fa Andriamanitra marina no mamantatra ny fo sy ny voa.
 神是我的盾牌;他拯救心里正直的人。
Ny ampingako dia ao amin'Andriamanitra, Mpamonjy ny mahitsy fo.
 神是公义的审判者,又是天天向恶人发怒的 神。
Mpitsara marina Andriamanitra, eny Andriamanitra Izay tezitra isan'andro.
若有人不回头,他的刀必磨快,弓必上弦,预备妥当了。
Raha tsy ibebahana Izy, dia hanasa ny sabany; efa manenjana ny tsipìkany Izy ka manamboatra azy,
他也预备了杀人的器械;他所射的是火箭。
Ary ireo dia kendreny amin'ny fiadiana mahafaty; ny zana-tsipìkany ataony mirehitra.
试看恶人因奸恶而劬劳,所怀的是毒害,所生的是虚假。
Indro, efa marary hiteraka zava-poana ireo; eny, torontoronina fampahoriana izy ary mitera-doza;
他掘了坑,又挖深了,竟掉在自己所挖的阱里。
Mihady lavaka izy ka manalalaka izany, dia latsaka ao anatin'ny longoa nataony ihany izy;
他的毒害必临到他自己的头上;他的强暴必落到他自己的脑袋上。
Mitsingerina ho eo an-dohany ihany ny fampahoriany; ary eo an-tampon-dohany ihany no ianjeran'ny loza nataony.
我要照著耶和华的公义称谢他,歌颂耶和华至高者的名。
Hidera an'i Jehovah araka ny fahamarinany aho, ary hankalaza ny anaran'i Jehovah Avo Indrindra.