Psalms 69

(大卫的诗,交与伶长。调用百合花。) 神啊,求你救我!因为众水要淹没我。
Ho an'ny mpiventy hira. Al-shoshanim. Nataon'i Davida. Vonjeo aho, Andriamanitra ô; fa efa mihatra amin'ny aiko ny rano.
我陷在深淤泥中,没有立脚之地;我到了深水中,大水漫过我身。
Milentika amin'ny fotaka mandrevo aho, ka tsy misy hifaharana; efa miditra amin'ny rano lalina aho, ka mandifotra ahy ny riaka.
我因呼求困乏,喉咙发干;我因等候 神,眼睛失明。
Sasatry ny mitaraina aho, maimay ny tendako; pahina ny masoko, raha miandry an'Andriamanitro aho.
无故恨我的,比我头发还多;无理与我为仇、要把我剪除的,甚为强盛。我没有抢夺的,要叫我偿还。
Maro noho ny volon-dohako ny isan'izay mankahala ahy tsy ahoan-tsy ahoana; mahery izay ta-hahafaty ahy, dia ny fahavaloko tsy ahoan-tsy ahoana; mampanonitra ahy izay tsy nalaiko izy.
 神啊,我的愚昧,你原知道;我的罪愆不能隐瞒。
Andriamanitra ô, Hianao mahalala ny hadalako; ary ny heloko tsy mba miafina aminao.
万军的主─耶和华啊,求你叫那等候你的,不要因我蒙羞!以色列的 神啊,求你叫那寻求你的,不要因我受辱!
Aoka tsy ho menatra noho ny amiko izay miandry Anao, Jehovah, Tompon'ny maro ô; aoka tsy ho very hevitra noho ny amiko izay mitady Anao, ry Andriamanitry ny Isiraely ô.
因我为你的缘故受了辱骂,满面羞愧。
Fa noho ny aminao no itondrako latsa; safotry ny henatra ny tavako.
我的弟兄看我为外路人;我的同胞看我为外邦人。
Efa vahiny amin'ny rahalahiko aho; eny, efa olon-ko azy amin'ny zanak'ineny aho.
因我为你的殿心里焦急,如同火烧,并且辱骂你人的辱骂都落在我身上。
Fa ny firehetako ny amin'ny tranonao no naharitra aina ahy; ary ny latsa nataon'izay nandatsa Anao dia nihatra tamiko.
我哭泣,以禁食刻苦我心;这倒算为我的羞辱。
Nitomany sady nifady hanina aho, dia natao latsa ho ahy izany.
我拿麻布当衣裳,就成了他们的笑谈。
Lamba fisaonana no nataoko fitafiako, dia efa ambentin-teny tamin'ireny aho.
坐在城门口的谈论我;酒徒也以我为歌曲。
Miresaka ahy izay mipetraka eo am-bavahady; ary ataon'ny mpisotro toaka an-kira aho.
但我在悦纳的时候向你─耶和华祈祷。 神啊,求你按你丰盛的慈爱,凭你拯救的诚实应允我!
Fa izaho hivavaka aminao amin'ny andro fankasitrahana, Jehovah ô, dia aminao , Andriamanitra ô noho ny haben'ny famindram-ponao; valio aho araka ny hamarinan'ny famonjenao.
求你搭救我出离淤泥,不叫我陷在其中;求你使我脱离那些恨我的人,使我出离深水。
Afaho amin'ny fotaka aho, ka aza avela hilentika; vonjeo aho amin'izay mankahala ahy sy amin'ny rano lalina.
求你不容大水漫过我,不容深渊吞灭我,不容坑坎在我以上合口。
Aza avela hanafotra ahy ny rano mandriaka, na hitelina ahy ny lalina; ary aza avela hikatom-bava amiko ny lavaka fantsakana.
耶和华啊,求你应允我!因为你的慈爱本为美好;求你按你丰盛的慈悲回转眷顾我!
Valio aho, Jehovah ô, fa tsara ny famindram-ponao; todiho aho araka ny haben'ny fiantranao.
不要掩面不顾你的仆人;我是在急难之中,求你速速地应允我!
Ary aza manafina ny tavanao amin'ny mpanomponao; fa azom-pahoriana aho, koa faingàna hamaly ahy Hianao.
求你亲近我,救赎我!求你因我的仇敌把我赎回!
Hatony ny fanahiko, avoty izy; Eny, vonjeo aho noho ny ataon'ny fahavaloko.
你知道我受的辱骂、欺凌、羞辱;我的敌人都在你面前。
Hianao no mahalala ny latsa mihatra amiko ary ny fahamenarako sy ny fahafaham-boninahitro; Eo anatrehanao ny mpandrafy ahy rehetra.
辱骂伤破了我的心,我又满了忧愁。我指望有人体恤,却没有一个;我指望有人安慰,却找不著一个。
Ny latsa dia nanorotoro ny foko ka reraka indrindra aho; ary niandry antra aho, fa tsy nisy, sy mpanony fa tsy nahita.
他们拿苦胆给我当食物;我渴了,他们拿醋给我喝。
Fa zava-mangidy no nomeny ho haniko; ary vinaingitra no natolony ahy hosotroina, raha nangetaheta aho.
愿他们的筵席在他们面前变为网罗,在他们平安的时候变为机槛。
Aoka ho fandrika ho azy ny latabany eo anoloany; eny, ho tonta ho an'ny tsy manana ahiahy.
愿他们的眼睛昏蒙,不得看见;愿你使他们的腰常常战抖。
Aoka ho jamba ny masony mba tsy hahita; ary ampangozohozoy mandrakariva ny valahany.
求你将你的恼恨倒在他们身上,叫你的烈怒追上他们。
Aidino aminy ny fahatezeranao; ary aoka hahatratra azy ny firehetan'ny fahaviniranao.
愿他们的住处变为荒场;愿他们的帐棚无人居住。
Aoka ho foana ny tobiny; aza avela hisy hitoetra ao an-dainy.
因为,你所击打的,他们就逼迫;你所击伤的,他们戏说他的愁苦。
Fa izay nasianao no nenjehiny; Ary ny fahararian'ny voatsindronao dia lazalazainy.
愿你在他们的罪上加罪,不容他们在你面前称义。
Aoka hiampy ny helony; ary aoka tsy hiditra amin'ny fahamarinanao izy.
愿他们从生命册上被涂抹,不得记录在义人之中。
Aoka hovonoina tsy ho eo amin'ny bokin'ny velona ny anarany, ary aoka tsy hosoratana eo amin'ny marina.
但我是困苦忧伤的; 神啊,愿你的救恩将我安置在高处。
Fa izaho dia ory sy mahantra, Andriamanitra ô; aoka ny famonjenao no hanandratra ahy.
我要以诗歌讚美 神的名,以感谢称他为大!
Hankalaza ny anaran'Andriamanitra amin'ny fihirana aho, ary hidera Azy amin'ny fisaorana.
这便叫耶和华喜悦,胜似献牛,或是献有角有蹄的公牛。
Fa ho sitrak'i Jehovah Izany mihoatra noho ny vantotr'ombilahy, izay manan-tandroka sady mivaky kitro.
谦卑的人看见了就喜乐;寻求 神的人,愿你们的心甦醒。
Hahita izany ny mpandefitra ka ho faly; aoka ho velona ny fonareo, ry mpitady an'Andriamanitra.
因为耶和华听了穷乏人,不藐视被囚的人。
Fa mihaino ny malahelo Jehovah, ary ny olony mifatotra tsy mba hamavoiny.
愿天和地、洋海和其中一切的动物都讚美他!
Aoka hidera Azy ny lanitra sy ny tany, ny ranomasina sy izay rehetra mihetsika ao aminy.
因为 神要拯救锡安,建造犹大的城邑;他的民要在那里居住,得以为业。
Fa Andriamanitra hamonjy an'i Ziona sady hanangana ny tanànan'ny Joda; ary hitoetra ao ny olony ka ho tompony;
他仆人的后裔要承受为业;爱他名的人也要住在其中。
Dia handova azy ny taranaky ny mpanompony; ary hitoetra ao izay tia ny anarany.