Psalms 57

(大卫逃避扫罗,藏在洞里。那时,他作这金诗,交与伶长。调用休要毁坏。) 神啊,求你怜悯我,怜悯我!因为我的心投靠你。我要投靠在你翅膀的荫下,等到灾害过去。
Ho an'ny mpiventy hira. Al-tasheth. Miktama nataon'i Davida tamin'ny nandosirany an'i Saoly tao anaty zohy. Mamindrà fo amiko. Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko; fa Hianao no ialofan'ny fanahiko; eny, ao amin'ny aloky ny elatrao no ialofako, mandra-pahalasan'ny loza.
我要求告至高的 神,就是为我成全诸事的 神。
Hitaraina amin'Andriamanitra Avo Indrindra aho, dia amin'Andriamanitra Izay mahatanteraka ho ahy.
那要吞我的人辱骂我的时候, 神从天上必施恩救我,也必向我发出慈爱和诚实。
Haniraka avy any an-danitra Izy ka hamonjy ahy, raha miteny ratsy izay misafoaka manenjika ahy; eny, Andriamanitra haniraka ny famindram-pony sy ny fahamarinany.
我的性命在狮子中间;我躺卧在性如烈火的世人当中。他们的牙齿是枪、箭;他们的舌头是快刀。
Ny fanahiko dia eo afovoan'ny liona; handry eo amin'ny masiaka aho, dia eo amin'ny zanak'olombelona,- lefona sy zana-tsipìka ny nifiny, ary sabatra maranitra ny lelany.
 神啊,愿你崇高过于诸天!愿你的荣耀高过全地!
Misandrata any ambonin'ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô! aoka ho ambonin'ny tany rehetra ny voninahitrao.
他们为我的脚设下网罗,压制我的心;他们在我面前挖了坑,自己反掉在其中。(细拉)
Efa namela-pandrika harato haningotra ny diako izy, ary nampitanondrika ny fanahiko; nihady lavaka teo anoloako izy, kanjo ny tenany ihany no latsaka ao anatiny.
 神啊,我心坚定,我心坚定;我要唱诗,我要歌颂!
Tafatoetra ny foko, Andriamanitra ô, eny, tafatoetra ny foko; hihira sy hankalaza aho.
我的灵(原文是荣耀)啊,你当醒起!琴瑟啊,你们当醒起!我自己要极早醒起!
Mifohaza, ry voninahitro; mifohaza ry valiha sy lokanga; hifoha maraina koa aho.
主啊,我要在万民中称谢你,在列邦中歌颂你!
Hidera Anao eny amin'ny vahoaka aho, Tompo ô, hankalaza Anao eny amin'ny firenena aho.
因为,你的慈爱高及诸天;你的诚实达到穹苍。
Fa lehibe mihatra amin'ny lanitra ny famindram-ponao, ary mihatra amin'ny rahona ny fahamarinanao.
 神啊,愿你崇高过于诸天!愿你的荣耀高过全地!
Misandrata any ambonin'ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô; aoka ho ambonin'ny tany rehetra ny voninahitrao.