Psalms 5

(大卫的诗,交与伶长。用吹的乐器。)耶和华啊,求你留心听我的言语,顾念我的心思!
Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny sodina. Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, henoy ny teniko; fantaro ny eritreritro.
我的王我的 神啊,求你垂听我呼求的声音!因为我向你祈祷。
Henoy ny feon'ny fitarainako, ry Mpanjakako sy Andriamanitro ô;fa Hianao no ivavahako.
耶和华啊,早晨你必听我的声音;早晨我必向你陈明我的心意,并要警醒!
Jehovah ô, maraina no handrenesanao ny feoko; maraina no hivavahako aminao, ka hanandrandra aho.
因为你不是喜悦恶事的 神,恶人不能与你同居。
Fa tsy Andriamanitra mankasitraka izay ratsy Hianao; tsy hitoetra aminao ny ratsy.
狂傲人不能站在你眼前;凡作孽的,都是你所恨恶的。
Tsy hahazo mijanona eo imasonao ny mpirehareha; halanao ny mpanao ratsy rehetra.
说谎言的,你必灭绝;好流人血弄诡诈的,都为耶和华所憎恶。
Haringanao ny mpiteny lainga;ny olona mpandatsa-drà sy mpamitaka dia ataon'i Jehovah ho zava-betaveta.
至于我,我必凭你丰盛的慈爱进入你的居所;我必存敬畏你的心向你的圣殿下拜。
Fa izaho kosa noho ny haben'ny famindram-ponao dia hiditra ao an-tranonao; hiankohoka manatrika ny lapanao masina amin'ny fahatahorana anao aho.
耶和华啊,求你因我的仇敌,凭你的公义引领我,使你的道路在我面前正直。
Jehovah ô, tariho amin'ny fahamarinanao aho noho ny amin'ny mpampahory ahy; ataovy marina eo anoloako ny lalanao.
因为,他们的口中没有诚实;他们的心里满有邪恶;他们的喉咙是敞开的坟墓;他们用舌头谄媚人。
Fa tsy misy azo itokiana ny aloaky ny vavany; ny ao anatiny dia tena faharatsiana; fasana misokatra ny tendany. Mandambolambo ny lelany izy.
 神啊,求你定他们的罪!愿他们因自己的计谋跌倒;愿你在他们许多的过犯中把他们逐出,因为他们背叛了你。
Helohy izy, Andriamanitra ô; Aoka ho lavon'ny saina ataony izy; Roahy izy noho ny haben'ny fahotany, satria efa niodina taminao.
凡投靠你的,愿他们喜乐,时常欢呼,因为你护庇他们;又愿那爱你名的人都靠你欢欣。
Dia hifaly izay rehetra mialoka aminao, hihoby mandrakariva izy, koa miarova azy Hianao; ka dia ho ravoravo aminao izay tia ny anaranao.
因为你必赐福与义人;耶和华啊,你必用恩惠如同盾牌四面护卫他。
Fa Hianao, Jehovah ô, mitahy ny marina; fankasitrahana no ataonao manodidina azy toy ny ampinga lehibe.